- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahintsana tamin'ny fifidianana amin'ny volana Jolay ny antoko mpanohitra lehibe indrindra ao Kambodza

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

 

Candlelight Party press conference [1]

Pikantsary tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ireo tompon'andraikitry ny Antoko Labozia. Loharano: Facebook video [1]

Nanintsana ny antoko Labozia, izay antoko mpanohitra lehibe ao amin'ny firenena, ny Komitim-Pifidianam-Pirenena (NEC) ao Kambodza tsy handray anjara amin'ny  fifidianana ankapobeny [2] amin’ny volana Jolay noho ny tsy fanolorana kopia voamarina sy ôrizinaly tamin'ny antontan-taratasy fisoratana anarana.  Nanakiana [3] ny fanapahan-kevitry ny NEC ny mpitarika ny mpanohitra, ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona, ​​ary ny governemanta vahiny ho “jadona, tsy rariny, ary tsy mifandanja”, ary ho fandavana ny “zon'ny vahoaka Kambodziana amin'ny fifidianana malalaka sy ara-drariny.”

Nambaran’ny tompon’andraikitry ny antoko Labozia fa very ny antontan-taratasin’ny antoko amin’ny fisoratana anarana nandritra ny fisavàna nataon’ny polisy tamin’ny taona 2017, saingy tsy nahasakana azy ireo tsy handray anjara tamin’ny fifidianana kaominaly tamin’ny taona 2022 izany. Heverina ho tombontsoan’ny antoko eo amin’ny fitondrana tarihin’ny zanakalahin’ny Praiminisitra am-perinasa Hun Sen izany, izay efa teo amin'ny fitondrana efa ho 40 taona izao.

Nihamafy [4] nandritra ny volana lasa teo ny fanafihana natao tamin’ny mpanohitra. Tamin'ny volana Janoary, nandrahona ny hampiasa herisetra amin'ireo mpikambana Labozia izay hita fa mandika ny lalàna i Hun Sen. Taorian'ny namoahany io fandrahonana io, farafahakeliny miisa fito ny trangana herisetra notaterina nihatra tamin'ny mpikambana miisa enina avy amin'ny antoko mpanohitra.

Fanampin'izany, nanameloka mpikambana miisa 13 hafa avy amin'ny mpanohitra politika higadra ny Fitsarana Monisipaly Phnom Penh noho ny fiampangana ara-politika.  Voaheloka [5] hatramin’ny 27 taona an-tranomaizina ny lehiben'ny mpanohitra, Kem Sokha, ary voarara tsy hitantana asam-panjakana noho ny fiampangana azy ho “niray tsikombakomba tamin’ny hery vahiny”.

Taorian'ny nanambaran'ny NEC ny fanapahan-keviny, nampitandrina ny mpikambana Labozia i Hun Sen [6]  tsy handika ny lalàna rehefa mivory eny amin’ny toerana ankalamanjana.

Please do not hesitate to take legal action in responding to the dangerous activities of Candlelight. All prisons are prepared to receive those leaders across all levels of Candlelight Party if they dare to commit offenses.

Aza misalasala mandray fepetra araka ny lalàna raha misy ireo hetsika mampidi-doza ataon'ny Labozia. Vonona handray ireo mpitarika ireo amin'ny ambaratonga rehetra ao amin'ny Antoko Labozia ny fonja rehetra raha mahasahy manao fandikan-dalàna izy

Naneho hevitra momba ny fanintsanana ny Antoko Labozia, nilaza i Sam Rainsy, mpitarika ny mpanohitra natao sesitany,  hoe: [7] “mampihomehy ny milaza an'i Kambodza ho demôkrasia, aotôkrasia i Kambodza.” Nandefa ny heviny [8] tao amin’ny Twitter ny mpanao politika mpanohitra iray hafa natao sesitany, Mu Sochua: “Mazava tahaka ny andro antoandro: matahotra mpifidy tanora ny fitondrana.”

Nankatoa ny fisoratana anaran’ [9]antoko miisa 18 ny NEC. Ny Antoko Demaokratika Grassroots ihany no namoaka fanambarana manakiana ny fanilihana ny Antoko Labozia izay heverina [10] ho “mifanohitra amin’ny fitsipiky ny demokrasia liberaly ahitana antoko maro”.

Nilaza ny tompon’andraikitra ao amin’ny Antoko labozia fa hampiakatra [11] ny fitsarana amin'zao fanapahan-kevitry ny NEC izao.  Nampitandrina [12] tao amin'ny Twitter ilay mpanao gazety Sreinith Ten fa “tsy afa-mihemotra intsony ny fanimbana ny demaokrasia ao Kambodza” raha tsy mivadika ny fanapahan-kevitra.

Namaritra ny fanapahan-kevitry ny NEC ho “vato misakana biraokratika [13]” ny Parlemantera ASEAN misahana ny Zon'olombelona (APHR). Nampian’ny mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanana sady minisitry ny raharaham-bahiny Thailandey teo aloha Kasit Piromya hoe:

The Cambodian government is clearly fishing for any excuse to block opposition parties from competing. Disqualifying a party on the basis of such a small technicality fools absolutely no one and just serves as another show of the Hun Sen regime’s bad faith dealings.

Mitady izay fomba rehetra hialana tsiny ny governemanta Kambodziana hanakanana ny antoko mpanohitra tsy hifaninana. Tsy misy izay tsy mahatakatra ny fanilihana antoko noho ny antony ara-teknika kely toy izany ary maneho indray ny fikasan-dratsin’ny fitondrana Hun Sen.

Niantso ny manampahefana [14] ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona mba hiantoka fa malalaka sy marina ny fifidianana ho avy:

FORUM-ASIA and CIVICUS urge the Cambodian Government to stop using the legal system to crush opposition, particularly before elections. We also call on the government to allow its citizens to exercise their right to vote for their representatives.

Manentana ny Governemanta Kambodziana ny FORUM-ASIA sy ny CIVICUS mba hampitsahatra ny fampiasana ny rafitra araka ny lalàna hanapotehana ny mpanohitra, indrindra mialoha ny fifidianana. Miantso ny governemanta ihany koa izahay mba hamela ny olom-pireneny hampiasa ny zony hifidy izay ho solontenan’izy ireo.

Nilaza ny Vondrona Eoropeana tao anatin’ny fanambaràna iray hoe: [15] “famantarana mampanahy iray hafa amin'ny fihenan'ny habaka ho an'ny antoko politika hifaninana amin'ny fifidianana ankapobeny ho avy” ny fihetsika ataon’ny NEC. Naneho ny ahiahiny ny amin'ny fanilihana ny antokon'ny Labozia ihany koa ny masoivohon'ny Frantsa [16], Alemaina [17], ary Aostralia [18].

Saingy nanamafy [19] ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Kambodziana fa tsy nisy tsy ara-dalàna ny fanapahan-kevitry ny NEC. Nilaza ihany koa ilay tompon'andraikitra fa tsy hisy fiantraikany amin'ny demokrasia ny fifidianana:

The absence of one political party from the electoral process due to its negligence in complying with the legislation does not affect the liberal, pluralistic, and democratic nature of the country as voters are still able to choose freely among at least 18 contesting political parties.

Tsy misy fiantraikany amin'ny maha liberaly, marolafy ary demokratika ny firenena ny fahabangan’ny antoko politika iray amin'ny zotram-pifidianana noho ny tsy fitandremany amin'ny fanarahana ny lalàna satria mbola afaka misafidy malalaka amin'ireo antoko politika mpifaninana miisa 18 farafahakeliny ireo mpifidy.