- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Efa hitako (‘déjà vu’) ity vokatry ny Eurovision ity, hoy ilay Môldavy mpihira

Sokajy: Moldavia, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina, Eurovision 2023: Music is always political

Pikantsarin'ny video YouTube fampisehoan'i Pasha Parfeni [1] tamin'ny Famaranana Goavana Eurovision 2023. Avy amin'ny fantsona YouTube Eurovision.

Nandray ny laharana faha-18 ny mpihira Pasha Perfeni, izay nisolo tena an'i Môldavia nandritra ny famaranana lehibe tao amin'ny Fifaninanankira iraisampirenena Eurovision 2023. Ny nahavariana tamin'ny Eurovision tamin'ity taona ity dia efa nahazo ny Eurovision 2012, taona nandraisan'i Pasha Parfeni [2] anjara ihany koa, ilay mpandresy amin'izao fotoana izao, ilay mpihira Soedoà Loreen [3]. Natolotr'i Lorren tamin'izany fotoana izany [4] ny hira Euphoria. Tamin'ity taona ity, ny hira nandrombahany ny fandresena dia antsoina hoe “Tattoo.”

Araka ny Wikipedia,  Loreen [5] no vehivavy voalohany, ary mpiantsehatra faharoa nahazo fandresena tamin'ity fifaninanana ity indroa.

Tamin'ny taona 2012 i Môldavia, tamin'ny hiran'i Pasha “Lăutar”,nandray ny laharana faha-11 [4] tamin'ny famaranana, nahazo vato 81.

Nahazo isa 96 ny zavabitan'ilay mpihira tamin'ity taona 2023 ity ary nandray ny laharana faha-18 [6]. Nohirainy an-tsehatra ny “Soarele și Luna.”

Araka ny tatitry ny NewsMaker [7], amin'io vato 96, ny 76 dia avy amin'ny mpijery, ary ny 20 kosa isa avy amin'ireo mpitsara [8] avy amin'ny firenen-tsamihafa.

Tahaka izao ny nivoahan'ny latsabato [7]:

Nôrvezy: isa 8
Romania: 7
San Marino: 3
Kroasia: 2

Tsy nahazo na dia isa iray avy amin'ny firenena hafa ny mpifaninana avy ao Môldavia.

Tahaka izao ny nandatsahan'ny mpijery vato [7] ho an'i Môldavia:

Romania sy Italia: isa 12
Frantsa, Pôrtiogaly: 8
Okraina: 6
Israel, Czech Republic: 5
Irlandy: 4
Finlandy, Georgia, San Marino: 3
Lithuania: 2
Kroasia, Espaina, Danimarka, Shipra, UK: 1

Nanampy tatitra [7] ny Newsmaker tamin'ny fomba nisafidianan'ireo mpitsara Môldavy tao amin'ny Eurovision:

Soeda: vato 12
Italia: 10
Paortiogaly: 8
Estonia: 7
Okraina: 6
Aostralia: 5
Shipra: 4
Espaina: 3
Armenia: 2
Albania: 1

Tahaka izao kosa ny vato nomen'ny mpijery Môldavy [7]:

Okraina: isa 12
Israely: 10
Soeda: 8
Finlandy: 7
Norvezy: 6
Italia: 5
Pôlônina: 4
Shipra: 3
Armenia: 2
Repoblika Tsheky: 1

Nasongadin'ny Newsmaker fa [7] efa hatramin'ny taona 2005 i Môldavia no nandray anjara tamin'ny Fifaninanankira Eurovision. Hatramin'izao fotoana izao, nasehon'ny Tetikasa SunStroke fa laharana fahatelo no vokatra tsara indrindra azony ary tamin'ny taona 2017 tamin'ny hira “Hey, Mamma!”:

Tamin'ny herintaona, nahazo ny laharana fahafito ny tarika Zdob și Zdub & Advachovs Brothers nandritra ny famaranan'ny fifaninanana tamin'ny hira Trenulețul:

Namoaka tenim-pankasitrahana tao amin'ny pejy Facebook-ny i Pasha Parfeni [9] avy ao Môldavia tamin'ny alin'ny famaranana:

Mulțumesc pentru toată susținerea voastră! Noi ne-am dăruit la maxim pentru Moldova! Mulțumesc sponsorilor noștri și fiecărui/ fiecărei moldovean/ moldovence pentru suportul pe care ni l-ați oferit!]

Misaotra anareo rehetra tamin'ny fanohananareo! Nanome izay tsara indrindra taminay izahay ho an'i Moldavia! Mankasitraka anareo mpanohana anay sy ny Môldavy isam-batan'olona noho ny fanohanana nomenareo anay!