Nomen'ny Fitsarana Tampony baiko ny fanjakana ao Nepal hampanara-dalàna ny fanambadian'ny samy lehilahy na ny samy vehivavy

 

People gathered at first Nepal Pride Parade near the Federal parliament of Nepal on June 29, 2019. Image via Wikimedia Commons by AllyProud. CC BY-SA 4.0.

Ny olona nivory tamin'ny Paradim-pireharehana voalohany tao Nepal teo akaikin'ny parlemanta Federalin'i Nepal tamin'ny 29 Jona 2019. Sary tao amin'ny Wikimedia Commons avy amin’i AllyProud. CC BY-SA 4.0.

Tamin'ny 2 Mey 2023, natao ho ara-dalàna tamin'ny baikon'ny Fitsarana Tampony tao Nepal ihany ny farany ny fanambadian'ny samy lahy na ny samy vavy taorian'ny fifandirana momba ilay lalàna nandritra ny taona maro. Fanampin'izany, nanolo-kevitra ny hanitarana ny fanekena ny fiarahan’ny mitovy fananahana hafa ny fitsarana. Mahatonga an'i Nepal ho firenena voalohany ao Azia Atsimo namela ny fanambadian'ny samy lahy na ny samy vavy ity fanapahan-kevitra manan-danja ity. Nekena tamin'ny lalàmpanorenana vaovaon'i Nepal, izay vita tamin'ny volana Septambra 2015 ny fiarovana ny zon'ny LGBTQ+ sy ny fanekena izany ho zo fototra.

Tamin'ny taona 2007, nanolotra fanangonan-tsonia tany amin'ny fitsarana tampony ny vondrona mpikatroka LGBTQ+, nanombohan'ny tolona haharitra 16 taona. Nanohana tanteraka ny fampanarahan-dalàna ny fanambadian'ny mitovy fananahana  ity fanangonan-tsonia ity ary nampiditra fitakiana hafa ho an'ny fitovian-jo sy fankatoavana ho an'ny vondrom-piarahamonina pelaka. Raha  mandrara ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana tsy hiditra amin'ny fanambadiana ara-dalàna ny Fehezan-dalàna Sivily ao Nepal amin'izao fotoana izao dia efa nandritra ny fotoana maharitra nihazohazo ny raharaha fanomezana azy ireo fitoviana tanteraka amin'ny fanambadiana. Andrasana hanitsy ny Fehezan-dalàna Sivily ao anatin'ny fotoana fohy ny fanjakana amin'ity didy vaovao ity. Niatrika fahadisoam-panantenana sy olana maro ireo mpikatroka nandritra izany fotoana izany. Tamin'ny taona 2018, nampihatra fehezan-dalàna famaizana izay tsy mankatoa afatsy ny fanambadian'ny lehilahy sy ny vehivavy ny manampahefana, araka ny nambaran’ny tatitra avy amin'ny media Nepaley.

Nankalaza ity zava-bita ity ireo fikambanana samihafa mpiaro ny zon'olombelona sy ny sarambabem-bahoaka ary niditra tao amin'ny media sosialy ihany koa mba hanentana ny fanjakany hanomboka hampihatra ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony.

Nisioka ny Human Rights Watch:

Mazava ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony ao #Nepal momba ny zon'ny LGBT: ny fitoviana no tokony ho tanjona.

Saingy mila mihetsika haingana kokoa ny fanjakana amin'ny fampiharana izany.

Vakio bebe kokoa ao amin'ny @astroehlein amin'ny #DailyBrief: https://t.co/H2a8jM4WlJ pic.twitter.com/KlVyyw5tEt androany

Nanoratra ny mpisera Twitter iray any India hoe:

- Nankatoavin'ny fitsarana ao Nepal ny fanambadian’ny mitovy fananahana
– Nolanian’i Pakistan ny lalànan’ny niova fananahana
– Nampanantena ny hanohana ny volavolan-dalàna manala ny fanamelohana ny praiminisitra Srilankey
Mety ho [fotoana] tsara ho an’ India ve ny taona 2023 hanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian’ny mitovy fananahana?

Nisioka ny Tale lefitry ny Human Rights Watch any Azia, Phil Robertson hoe:

Dingana goavana ho an'ny zon’ny  #LGBT ao #Nepal ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony fa tsy maintsy manaiky ny fanambadian'ny mitovy fananahana eo amin'ny samy Nepaley sy ny vahiny ny fanjakana! Fotoana ho an'ny #Thailandy sy ny firenena hafa any Azia atsimo atsinanana mba hanaraka izany!

Tamin'ny 29 Jona 2019, nokarakaraina ny paradim-pireharehana manontolo voalohany, nampivondrona olona lahy sy vavy ary avy amin'ny fironana ara-pananahana maro.

Hamaky bebe kokoa: An-tsary: Mikarakara matso iray i Nepal mandritra ny volana natokana erantany ho an'ny fireharehana (pelaka) [mg]

Participants at the Nepal Pride Parade 2019 at New Baneshwor. Photo by Sanjib Chaudhary. Used with permission.

Mpandray anjara tamin'ny Paradim-pireharehana tao Nepal 2019 tao amin'ny New Baneshwor. Sary avy amin'i Sanjib Chaudhary. Nampiasaina nahazoana alalana.

Nanao dingana lehibe i Nepal momba ny zon'ny LGBTQ+ ary heverina ho iray amin'ireo firenena mankasitraka ny LGBTQ indrindra any Azia Atsimo. Vao tsy ela akory izay,  nolavina ny zo fototra ho an’ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ sy ny fidiran’izy ireo amin'ny loharanom-pirenena, saingy mankafy ny fanekena sy fahalalahana ara-tsosialy lehibe lavitra izy ireo ankehitriny. Mankatoa ny zon'izy ireo ny lalàmpanorenan'ny firenena, anisan'izany ny fahafahana mahazo zom-pirenena. Tamin'ny fanisam-bahoaka taona 2021, sambany ny fanjakana no nampiditra ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ tamin'ny fanomezana azy ireo ny fidirana tsara kokoa amin'ny tolotra fiahiana ara-tsosialy, ny fitsaboana ary ny fanabeazana. Na izany aza, na eo aza ireo fivoarana tsara ireo, mbola miatrika  fanorisorenana, fanilikilihana ary fanavakavahana noho ny fady ara-tsosialy ny olona LGBTQ+.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.