Voampanga ho nanaparitaka vaovao diso ireo mpanohitra ara-politika any Kazakhstan

Sary avy amin'i Esetok, CC BY-SA 4.0, tao amin'ny Wikimedia Commons

Nanomboka tamin'ny herisetra sy rotaka nasionaly tsy mbola nisy toy izany, antsoina hoe Qandy Qantar (“Janoary rà mandriaka”) ny volana Janoary 2022 , izay nitranga noho ny fiakaran'ny vidin'ny solika any Kazakhstan Andrefana ary nanozongozona ny firenena manontolo. Niova ho fitakiana fanalalahana ara-politika ny fahoriana ara-toekarena. Reraky ny 30 taonan'ny fifehezan'ny mpitondra jadona nasionaly Nursultan Nazarbayev sy ilay voatendriny mahatoky Kassym-Jomart Tokayev izay nanakana ny fanovana sy ny fitsinjarana indray ny fahefana ara-toekarena sy ara-politika ny olona.

Habibiana no nasetrin'ny governemanta tamin'ireo fitroarana ireo. Olona 238 farafahakeliny no namoy ny ainy, satria nanome alalana hitifitra basy amin'ny bala tena izy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny Filoha Tokayev. Noraisina ireo fepetra tafahoatra hanasaziana ireo sivily noho izay voalaza fa fanaparitahana vaovao hosoka — lohahevitra tohanana sy miverimberina ho an'ny hery tsirefesimandidy — nandritra ny fihetsiketsehana. Ilay mpitendry mozika Vikram Ruzakhunov, Dias Nurmagambetov monina ao Kostanay ary ny lehiben'ny mpanohitra Zhanbolat Mamay no olona telo voakasika mivantana amin'izany. Mampiseho ny fikasana ara-politika hamehezana ny fahalalahana maneho hevitra sy hihazonana ny herin'ny fifampiresahana amin'ny alalan'ny teknolojia nomerika ao Kazakhstan ireo tranga telo ireo. Fantenana ampiharina amin'ireo fahavalon'ny fitondrana izay manohitra sy tsy miombon-kevitra amin'ny fitantarana ofisialin'ny fanjakana ny tsirefesimandidy ankihy.

Taorian'ny firongatry ny rotaka, nametraka ny fanjakana anaty hotakotaka ny Filoha Tokayev, namela ny polisy “nitifitra mba hamonoana” mpanao fihetsiketsehana, nanamarina fa ilaina izany mba hampilamina sy hiarovana avy hatrany ny toe-draharaha, ary nilaza fa nokarakaraina sy narindran'ny mpitsikilo vahiny sy mpampihorohoro ny tsy fisintahan-kevitra. Nosamborina sy nodarohan'ny sampan-draharaham-piarovana Kazakh teo am-perinasa tao Almaty ilay Kyrgyz mpiangaly mozika, Vikram Ruzakhunov ary noterena hanome fanambarana sandoka momba ny fifandraisany amin'ny vondrona mpampihorohoro any Azia Afovoany (izay tsy misy akory). Namboarina sy nalefa tamin'ny fahitalavitra nasionaly sy ny fantsona YouTube ny lahatsary izay nanambaràn'i Vikram ny maha-mpikambana azy ao amin'ny fikambanana mahery fihetsika. Fantatry ny mpiara-miasa aminy sy ny fianakaviany tao Kyrgyzstan ny fampahoriana ilay mpihira, ary navoaka haingana tao amin'ny media mahaleotena sy tao amin'ny tambajotra sosialy ny fanaovana hosoka amin'ny maha-mpampihorohoro azy. Namotika ny angano natsangan'ny fitondrana momba ny fandrahonana ivelany tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny Janoary ity fitantarana ity.

Tamin'ny taona 2014, nankatoavin'ny governemantan'i Kazakhstan ny fanitsiana ara-pitsarana momba ny fanaparitahana vaovao tsy marina iniana atao (Andininy faha-274 amin'ny Fehezan-dalàna momba ny Heloka Bevava). Nikendry ny hanao famoretana ny vaovao diso sy ny fandisoam-baovao ilay lalàna, saingy matetika nohararaotin'ny governemanta hanafihana izay votoaty heveriny fa tsy ilaina. Tafiditra ao anatin’izany ny fiatrehana ireo fitaovana mifandraika amin’ny fianakavian’ny filoham-pirenena na ireo sangany manana dindo ao amin’ny firenena, izay manohintohina ny ezaka fananganana demaokrasia. Mametraka fameperana amin'ny zo momba ny fahalalahana maneho hevitra ilay lalàna.

Mponina ao Kostanay antsoina hoe Dias Nurmagambetov no nahazo sazy herintaona an-tranomaizina  noho ny fampielezana vaovao diso nizara ranty Telegram milaza polisy miandany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina nandritra ny fihetsiketsehana Qandy Qantar. Niezaka nampangina sy nanasazy ireo tsy niombon-kevitra sy tsy nankasitraka ny fitantarana notarihan'ny fanjakana ny fitondrana ara-politika fa niezaka ny Filoha Tokayev nampitony ny toe-draharaha tamin'ny alalan'ny fitadiavana ny fanampian'ny firaisankina ara-miaramila (CSTO) notarihin'i Rosia. Nitandrina ny fitantarana ara-panjakana amin'izay mety ho fitenenana fifandirana anatiny na fivadihan'ny polisy na miaramila amin'ny fitondrana am-perinasa. Ny endrika voalambolambon'ny firaisankina ara-politika sy ny filaminam-pirenena ihany no tiany aharihary, fandresena roa amin'ny fitantanana mahomby, araka ny filazan'ny manampahefana Kazakh. Nandritra ny andro fisaonana taorian'ny hetsi-panoherana volana janoary, nanasongadina ny andraikitry ny mpitandro filaminana be herim-po namoy ny ainy teo am-piarovana ny tombontsoam-pirenena ny filoham-pirenena, maneho ny polisy sy ny miaramila ho toy ny hery mampitambatra fa tsy manasazy, maty “eo ampelantanan'ny mpampihorohoro“. Ny fanomezam-boninahitra ny miaramila no mampiharihary ny fanafenana izay rehetra tranga fanitsakitsahana zon'olombelona sy fampijaliana narantirantin'ny mpampihatra lalàna, manakana ny fanadihadiana iraisam-pirenena momba ny zava-nitranga.

Voampanga ho nanaparitaka vaovao diso nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Janoary, sy nanompa manampahefam-panjakana iray (manamboninahitra polisy amin'ity raharaha ity) i Zhanbolat Mamay, mpitarika ny mpanohitra ao amin'ny Antoko Demaokratikan'i Kazakhstan tsy voasoratra anarana ara-panjakana. Izy no voatonona ho mpikarakara ny rotaka faobe tsy ara-dalàna. Mihevitra ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra sy ireo mpiaro ny zon'olombelona ao Kazakhstan fa nisy antony ara-politika ho fanasaziana ampahibemaso noho ny fihetsiketsehana ny fisamborana sy ny fanagadrana an'i Mamay tamin'ny volana Febroary 2022. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taompolo 2000s, voasazy hatrany ny mpanohitra ara-politika ao Kazakhstan, novonoina mihitsy aza amin'ny tranga sasany. Ity fironana famoretana ity no nitarika ho amin'ny fanoherana nitsipotipotika sy malemy tao amin'ny firenena. Zhanbolat Mamay no hany iray amin'ireo tanora mpanohitra vitsivitsy nahazo fitokisana sy fanohanana ara-tsosialy. Tao amin'ny taratasiny ho an'ny daholobe avy any am-ponja navoaka tao amin'ny pejy Facebook-ny, nanome fanazavana ara-tantara mahatonga ny fahitana isan'andro vaky ny herisetra ao Kazakhstan i Mamay. Nanameloka ny governemanta izy noho ny fampiasana teknolojia ara-politika fa tsy ny fanavaozana, nanemotra ny fotoanan'ny paika revolisionera nanomboka tamin'ny voinan'ny Qandy Qantar.

Mampiseho ny tsy fisalasalan'ny governemanta Kazakh amin'ny fanararaotana ny lalànany manokana, izay lazaina fa natao hiarovana ny olom-pirenena ireo tranga telo ireo, kanefa natao ho an'ny tombontsoany manokana mba hanakanana ny tsy fitovian-kevitra sy hitazonana ny fifehezana ny fitantarana.

Tsidiho azafady ny pejin'ny tetikasa raha hijery lahatsoratra bebe kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.