- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Black Race Trophy”: mankalaza ny asa manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Brazila sy any ivelany

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Latina, Brezila, Mozambika, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, A clash of narratives: National identity and violent conflict in Ethiopia

Omena ho an'ireo mpikatroka izay mandray anjara amin'ny ady manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ny amboara : Giovana Fleck/Global Voices

Ao anatin'ny vanim-potoana izay itomboan'ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Brezila, tsy ela akory izay dia  misy loka iray anasongadinana ireo mpanao politika, mpihira, mpikatroka ary ireo atleta miady ho amin'ny fanoherana ny fanavakavaham-bolonkoditra ao anatin'ny fiarahamonina misy azy ireo — na tao Brezila izany na tany amin'ireo firenena miteny Portiogey ao Afrika. Araka ny Diarin'ny Filaminam-bahoaka — taona 2022 [1], dia nitombo 31% ny tranga mifandraika amin'ny fanakavaham-bolonkoditra tao Brezila tamin'ny 2021 raha ampitahaina amin'ny taona lasa.

Amin'ny fikatsahana ny hampitomboana ny fahatsiarovantena mikasika ity olana ity, ny ‘Troféu Raça Negra’ [2] (Black Race Trophy, amin'ny teny Anglisy) dia noforonina mba hankalazana ireo olona mavitrika amin'ny ady manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra. Tamin'ny Novambra 2022,tao São Paulo, no natolotra ny amboara. Fanampin'ny fanomezam-boninahitra an'ireo Breziliana dia nakasitrahany ihany koa ireo anarana avy amin'ny tanibe Afrikana.

Fiaviana ifampizaràna amin'ny fanjanahantany

Fantatra fa i Brezila sy ireo firenena miteny Portiogey ao Afrika dia manana tantara mifototra amin'ny tolona nataony ho fandresena ny fanjanahantany sy ny fikatsahana fahaleovantena manoloana ny fanjakazakana niaretana tamin'ireo firenena Eoropeana.

Nisy ampahany tamin'ity tantara ity no nasongadina avy amin'ny fiarahan'i Brezila sy ireo firenena afrikàna niaraka nikatsaka [3]indray ny fifanakaikezana nisy taminy tato anatin'ny taona vitsivitsy. Tsara marihina fa nandritra ny governemantan'ny filoha Breziliana Jair Bolsonaro, izay nandao ny asany tamin'ny taona 2022 ary ny fitantanany dia niavaka tamin'ny politika iraisam-pirenena, dia mbola nitoetra hatrany ny fifandraisana teo amin'ireo firenena miteny Portiogey.

Ny niavian'ny fifandraisana nisy teo amin'i Brezila sy ireo firenena Afrikana roa dia nanomboka tamin'ny fotoana izay nahafantaran'ireo zanatany Portiogey ny fifaneraseràna voamariky ny fanondranana [3] andevo teo amin'ireo tanibe Afrikana sy Amerikana. Samy ao anatin'ny Vondron'ny Firenena Miteny Portiogey (CPLP) [4] ireo firenena telo ireo.

Ireo nahazo ny amboara Black Race Trophy tamin'ity taona ity

Ny Black Race Trophy dia manasongadina ny firaisankina, ny fisolona tena ny vehivavy ary ireo zo azo nandritry ny roapolo taona farany. Ny pej [5]y fanomanana ilay hetsika dia manasongadina fa tamin'ny 2000 no nanombohana ilay amboara, nandritra ny fankalazàna ny faha-500 taona nahatongavan'ny Portiogey tao Brezila.

Tamin'ny 2004 no natao ny andiany faharoa. Nanomboka teo dia nisy foana izy io isantaona mba ho fankasitrahana sy hiarahabàna ireo olona nandray anjara tamin'ireo hetsika isankarazany, manome firaketana fahavononana ho an'ireo andian-taranaka ho avy, ny asa, ny faharetana ary ny ohatra ho an'ny daholobe amin'ny fandrafetana fiarahamonina marolafy kokoa.

Anisan'ireo nahazo mariboninahitra tamin'ny 2022 i Graça Machel, vehivavy Mozambikàna iray mpanao politika sady mpiaro ny zon'olombelona. Izy ihany koa dia vady navelan'i Samora Machel, ilay Mozambikana mpitarika ara-politika ary ny filoha Afrikana-Tatsimo teo aloha Nelson Mandela. Ity fifantenana ity dia noho izy nitarika ireo fanentanana manerana izao tontolo izao momba ny fiarovana ny zon'olombelona tamin'ny anaran'ireo tovovavy miaina anaty toedraharaha marefo.

Eo ihany koa i Paulina Chiziane, Mozambikana mpanoratra sady nahazo ny mariboninahitra andiany [6] farany tamin'ny loka literatiora Lusofonia – Camões. Noho izy mpanoratra sangany nampiroborobo ny kolontsaina sy ny maha-Afrikana no nisaifidanana an'i Chiziane. Tao anatin'ny lahateniny dia nanambara i Graça Machel hoe :

Eu quero, com humildade, dedicar esse troféu a todas nós mulheres do nosso tempo. Assumindo de mãos dadas. Todas nós vamos lutar para que essas meninas cresçam em uma pátria de iguais, que ninguém as magoe, as discrimine, dê um salário a menos, as trate com desprezo, simplesmente porque são mulheres.

Am-panentren-tena, tiako atolotra ity amboara ity ho antsika vehivavy rehetra amin'izao androntsika izao. Mifampitàntana. Hiady isika rehetra mba hitombo anaty fitoviana ao anatina firenena iray ireo tovovavy ireo, mba tsy hisy na iza na iza handratra azy ireo, tsy hisy hanavakavaka azy, tsy hanakarama vary masaka azy, tsy hisy hanambany azy, satria fotsiny hoe vehivavy izy ireo.

Ilay fikambanana, izay tarihan'i Graça Machel miaraka amin'ireo mpikatroka hafa avy ao Afrika no nanao ny lahateny fanokafana :

Anisany tamin'ireo nahazo mariboninahitra tamin'ilay amboara Black Race Trophy 2022 tao Brezila omaly i Graça Machel, izay nanamarika ny halehiben'ny fanajana sy ny fankasitrahana mendrika azy  eoa main'ny sehatra iraisampirenena noho ireo  zavatra nataony efa nisy fiantraikany maneran-tany sy namela marika tao anatin'ny taona iray feno fanamby sy fanantenana. pic.twitter.com/UpCiJqAnmK [7]

— GracaMachelTrust (@G_MachelTrust) 22 Novambra 2022

Isan'ireo nahazo fankasitrahana ihany koa Rtoa Dilma Rousseff filohan'i Brezila teo aloha, Marina Silva miisitra breziliàna misahana ny tontolo iainana, Inês Maria Coimbra lehiben'ny fampanoavana ao São Paulo, MC Soffia Gomes mpihira, mpiangaly gadona Rap ary mpanoratra tononkira, Glaucimar Peticov Tale mpanatanteraka ao amin'ny Bradesco, sy ireo maro hafa.

Nandritra ny fotoana,  José Vicente, zokiolona ao amin'ny Oniversite Zumbi dos Palmares, mpikarakara ilay hetsika, nilaza hoe [2]:

Essa é uma histórica noite. Nós estamos honrando o passado dos nossos ancestrais, de construir uma nação de iguais, e que ninguém seja distinguido pela sua raça ou cor da sua pele. Para que os nossos filhos tenham um país em que possam entrar, ficar e permanecer em qualquer lugar, que eles possam ser o que quiserem, e que eles possam desenvolver qualquer das suas habilidades.

Alina manan-tantara ity. Manaja ny lasan'ireo razam-bentsika isika, amin'ny fananganana firenena iray anjakàn'ny fitoviana, ary tsy misy na iza na iza ho avahana noho ny foko na lokon'ny hodiny. Mba hanana firenena azony idirana, ipetrahana ary ijanonana any amin'izay tiany ireo zanatsika, ary azony ampivelarana ny fahaizamanaony.

Tao Mozambika, ireo  fikambanana sivily izay mampiroborobo ny zon'olombelona ao amin'ilay firenena no nampahafantatra ilay hetsika:

Olo-malaza 16 toavin-teny eran-tany no notolorana ny Black Race Trophy 2022, anisany tamin'izany ireo Afrikana roa mamiratra amin'ny sehatra iraisam-pirenena : Graça Machel sy Paulina Chiziane. Hita anaty lisitra ry Dilma Rousseff, filohan'i Brezila taloha; ankoatran'ireo hafa.