- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jamaikàna mpanoratra malaza i Kwame McPherson nahazo ny loka 2023 isam-paritra ho an'ny Tantara Fohy anivon'ny Commonealth tao Karaiba

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Foko sy Fiaviana, Haisoratra, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tantara
[1]

Manampy amin'ny fiaingan'ny asan'ireo mpanoratra marobe ao Karaiba ilay loka malaza “Commonwealth Short Story” (Loka ho an'ireo tantara fohy) Sary [1] an'ny Orina Commonwealth ao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0 [2]).

Iray amin'ireo fankasitrahana tena be mpanaraka akaiky ny Loka Commonwealth Short Story [3], izay omena isantaona ho an'ireo tantara fohy noforonina tsara indrindra tsy mbola voatonta, nosoratan'ireo mpanoratra ao anivon'ny Commonwealth (fikambanan'ireo tany mampiasa sy miteny anglisy). Voafidy tao anatin'ireo fampidirana an'arivony maro (6.642 tamin'ity taona ity), ilay loka, izay ny Orina  Commonwealth no mitantana azy, dia nankasitraka ireo dimy mpandresy isam-paritra (avy ao Afrika, Azia, Kanadà, Eoropa, Karaiba sy Pasifika), ka ny iray tamin-dry zareo no nibata ny loka goavana mitentina GBP 5,000 (6.237 dôlara amerikàna).

Ny 17 May, nambara [4] ho mpandresy ho an'ny faritra Karaiba, ho an'ny taona 2023, i Kwame McPherson, avy ao Jamaika izay nampitolagaga ireo mpitsara [5] tamin'ilay tantara nosoratany “Ocoee.” Ilay poeta sy mpanoratra, Mac Donald Dixon, mpitsara nisolo tena ny faritra Karaiba, dia namaritra ny firotsahan'i McPherson ho toy ny tsangambaton'ny toetra miaritry ny fanahin'olombelona”:

Angano tsotra tantaraina anaty rivo-piainana mihoatra noho ny tena zavamisin'ny tebiteby feno famoronana ilay izy. Sary mifoha avy any am-parahatoka ary, tsy manondro inona, fa mampahatsiahy antsika ny toetram-biby ifanaovan'ny olombelona.

Voahosotra anarana avy any amin'ny tanàna iray any Orange Country, Florida, izay tamin'ny Novambra 1920, nitoeran'ny  andiany iray tamin'ireo Mainty Hoditra natao vonomoka tamina fanafihana feno herisetra sy fankahalàna foko faratampony, “Ocoee” dia manjohy lehilahy jamaikàna iray nosakanan'ny pôlisy teny am-pamiliana fiara namakivaky tanàna kely iray. Tanatin'ny fahafehezana tanteraka no nanafangaroan'i McPherson ny traikefa niainan'ireo Amerikàna Mainty Hoditra sy ny fomba amam-panao ao Karaiba, tamin'ny alàlan'ny fanehoana an-tsary ny tantara sy ny fomba iraisan'ireo Afrikàna any am-pielezana.

Mpianatra fahiny tao amin'ny London Metropolitan University sy ny Oniversite Westminster, McPherson ihany koa no mpandresy tamin'ny Poetic Soul (2007), ary voalohany tamin'ny Jamaikàna nahazo ny Jamaican Flash Fiction Bursary Awardee tamin'ilay  Loka malaza Bridport Prize [6] (2020). 57 taona ilay mpanoratra avy ao Kingston, nandray anjara ihany koa tamin'ny “anthologies” marobe momba ny soratra, isan'ireny ny “The Heart of a Black Man,” izay milaza tantaram-piainana manokana, manainga fanahy, mampahery, ary ireo tantara avy amin'io fomba fijery io.

Hita tao anatin'ireo mpifaninana hahazo ilay loka 2023 ho an'ny isam-paritra ireo nahazo ny loka 2019 Alexia Tolas [7] (avy ao Bahamas), Cosmata Lindie [8] (Goiàna), Deborah Matthews [9] (Trinidad &Tobago), ary ilay Jamaikàna mpiray tanindrazana aminy, Demoy Lindo [10].

Raha vao miresaka ny “Ocoee,” McPherson — izay nandrotsaka ny asany ho amin'io fifaninanana io tany aloha, saingy tsy mbola tonga tamin'izao toerana izao mihitsy— dia nanazava [11] fa io fanapahankevitra io hoe hanafangaro ny zavamisy iainan'ireo Afro-Amerikàna, ny tantara, ary ny fomba amam-panao ao Karaiba, dia nanome ilay tantara ny endrika tantara noforonina, ambony noho izay takatry ny saina. “Tantara daholo izao rehetra izao,” hoy izy, ” ary nanam-bintana aho amin'ny maha-“griot” mpitantara angano ahy .”

Ezahany ny hahatonga ny asany ho mahasarika sy hanentana ny saina, ary antenainy fa hiteraka adihevitra momba ireo tantara izay mety tsy ho ananan'ny olona ny fahafahana mandre momba azy ireny, indrindra fa ny momba ireo Afrikàna any am-pielezana.

“Ocoee” ary ireo tantara efatra hafa nahazo ny loka isam-paritra dia ho avoakan'ny Granta [12], ilay gazetiboky an-tambajotra miresaka momba ny literatiora, ary ny adda, [13] gazetibokin'ny Orina Commonwealth. Ny 27 Jona no hatao ny fampahafantarana izay mpandresy tamin'ny sokajy rehetra.