Kamerona : Fahalalahana voageja

«Tafa momba ny COVID-19 niarahana tamin'ny mpanao gazety, nataon'ny Ministeran'ny Fahasalamana ao Kamerona. Sary an'ny CDC Global ao amin'ny Flickr. Nampiasàna lisansa CC BY 2.0 .

Ny tany fambolena akondro ao aminy no tena ahafantarana ilay toeram-pambolena ao Mbanga any amin'ny faritra Littoral, miala 310 km an'i Yaoundé renivohitra. Saingy tsy noho izay no nanomezana voninahitra azy tamin'ny 10 Jona 2020. Lahatsary iray niarahana tamin'i Clément Ytembe Bonda, mpiasa ao amin'ny toeram-pambolena, no lasa niparitaka be, ary hanelohelo azy mandrakizay.

Izany rehetra izany dia nanomboka taorian'ny niparitahan'ilay vaovao momba ny fomba ratsy nitantanan'ireo ministera ny vola 180 lavitrisa farantsa CFA natokana ho an'ny COVID-19 tao Afrika Afovoany (XCF) (226 tapitrisa dôlara amerikàna). Tamin'ny 2020, rehefa namely ilay valanaretina, nomen'ny FMI an'io vola io i Kamerona mba hanampiana azy hiatrehany an'ilay valanaretina.

Tamin'ny Jona 2020, nisy ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonina sivily sy ireo mpikambana avy amin'ny antoko mpanohitra nisintona lakolosy fanairana momba ny fitantanana ratsy ireo vola natao ho an'ny  COVID-19. Jean Michel Nintcheu, solombavambahoaka avy amin'ny  antoko mpanohitra ” Social Democratic Front (SDF)” , dia nahatsikaritra fa sady tsy nisy fandriana, tsy nisy toeram-pidiovana tany amin'ny iray tamin'ireo ivontoerana fikarakarana ny tratry ny COVID-19 tao amin'ny faritra Littoral ao Kamerona, na dia 100 tapitrisa XCF (manodidina ny 165.000 dôlara amerikàna) aza no natokana hametrahana toeram-pidiovana azo afindra toerana. Noho ny baikon'ny filohampirenena, nanaovan'ny Fitsaràna Mpanamarim-bola ao amin'ny Fitsaràna Avo fanadihadiana ny momba ny fitantanana ireo vola, ary avy eo namoahany famintinana ny tatitra nataony.

Marihan'ilay famintinana fa ny ministeran'ny fikarohana siantifika dia tsy namokatra ‘chloroquine’ fa nanafatra ‘hydroxychloroquine’ sy ‘azithromycin’, ary nametaka taratasy kely hilazàna fa azy ireo ny vokatra. Araka izany, mety tsy lany akory ireo 15 tapitrisa farantsa CFA (XCF) (manodidina ny 25.000 dôlara) natao ho an'ny fanavaozana ilay sampana famokarana. Ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka dia voarohirohy amin'ny resaka fampitomboana lazambidy sy ny faharatsiam-pitantanana ny vola.

Tamin'ny 2021, araka ny fanomezana laharana nataon'ny Transparency International dia voakilasy ho faha-144/188 i Kamerona. Ny tatitra iray avy amin'ny Vaomieram-pirenena miady amin'ny kolikoly dia mampibaribary ireo andrimpanjakana tena anjakan'ny kolikoly ao Kamerona, ny ministeran'ny fitantanam-bola, ny ministera misahana ny fananantany, ny pôlisy ary ny zandarimaria. Noho ny faharatsiam-pitantanana ireo vola natokana hiadiana amin'ny VIH/SIDA dia any am-ponja i Olanguena Awono, minisitra teo aloha nisahana ny Fahasalamana an-tanandehibe. Izany no anton'ny fisintonana lakolosy fanairana ataon'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona sy ny avy amin'ny fanoherana, momba ireo lazaina fa fanodinkodinam-bola.

Tsy lanin'ny vavonin'i Clément Ytembe Bonda ilay vaovao momba ny faharatsian'ny fitantanana ny volan'ny COVID-19. Tamin'io maraina nahavalalalina io, noraisiny ny findainy ary nangatahany ireo namany, Wameni André Boris sy Flavy Kamou Wouwe, mba handrakitra azy anaty lahatsary raha iny izy nanefotefoka ny hatezerany iny. « Tsy maintsy mifoha amin'ny 4 maraina izahay, nefa 32 000 XCF  monja no raisina,  raha ny [minisitra] iray hafa kosa mifoha amin'ny 8 maraina dia mandeha mamonjy birao iray misy rivotra mangatsiatsiaka mba hangalatra 180 000 lavitrisa XCF. Feno akondro hitanao eny rehetra eny, saingy tsy misy azonao kitihana ireny na iray aza. Teny tsy niolakolaka no nampiasain'i Bonda hilazàna ny filoham-pirenena sy ireo minisitra tomponandraikitra tamin'ilay voalaza fa fanodinkodinam-bola.

Tamin'ny alàlan'ilay lahatsary, nohazavain'i Bonda ny toedraharaha misy ny asa ao Kamerona amin'izao fotoana izao, toerana izay mahavoatery ny olona iray nahazo diplaoma teny amin'ny anjerimanontolo hiasa any amina toeram-pambolena, noho ny tsy fisian'ny asa. Nambarany ihany koa ireo fepetra iainan'ireo mpiasa any amin'ireo toeram-pambolena ao Kamerona, misahirana tontolo andro tsy mihinan-kanina mba hamokatra akondro ho an'ireo tompon'ny toerana fambolena. Ny karama farany ambany raisina isambolana ao Kamerona, tamin'ny 2022, dia 36 270 XAF (60,05 USD) nefa 32.000 XAF (52,94 USD) no naloa tamin'i Bonda sy ireo namany, izay ambany noho ny karama farany ambany.

Lasa nalaza be tao amin'ny tambajotra sôsialy ilay lahatsary ary vetivety foana i Bonda dia lasa olona karohina, satria ny fitenenana toy izany momba ny filoha sy ireo minisitra dia miteraka setriny mafonja ao Kamerona. Ny pôlisy niampanga azy ho nanevateva ny filoha Biya . Nohazaina izy ary nosamborina, niaraka tamin'ireo namany André Boris Wameni sy Flavy Kamou Wouwe, tao amin'ny Toeram-pambolena Haut Penja , rantsan'ny orinasa frantsay iray mpisehatra amin'ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena.

Voasambotra tamin'ny 11 Jona 2021, ny 14 Jona 2021 no niakatra fitsarana voalohany ry Bonda sy ny namany. Ny 17 Jona 2021, voatsara tao amin'ny tribonalin'i Njombe ry zareo ary voampanga ho nanao izay hahatezitra ny filoham-panjakana sy nanely vaovao diso teny anaty tambajotra sôsialy, araka ny andininy faha-78 amin'ny lalàna momba ny heloka an-tserasera. Lazain'io lalàna io fa « Na iza na iza mampiasa ny fifandraisana elektrônika na rafitra hafa fampahalalam-baovao mba hiketrehana, na hamoahana, na hanelezana vaovao kanefa tsy afaka manamarina izany na manaporofo fa marina ilay vaovao, dia hosaziana enimbolana hatramin'ny 2 taona an-tranomaizina na lamandy 5 000 000 hatramin'ny à 10 000 000 tapitrisa farantsa CFA, na izy roa mitambatra, dia ny lamandy sy ny famonjàna ».

Ny andininy faha-113 amin'ny fehezandalàna momba ny heloka bevava dia manasazy fampidirana am-ponja telo volana hatramin'ny telo taona izay rehetra mandefa na manely vaovao tsy marina, raha toa ireny vaovao ireny ka mety hanohintohina ny fahefam-panjakana na ny firaisam-pirenena.

Taona iray taty aoriana, nafahana i André Boris Wameni sy Flavy Kamou Wouwe, fa i Bonda kosa mbola any am-ponja.

Nisy ny hevitra tsy nitoviana tamin'io fisamborana io, satria ny sasany nametraka ny hoe mendrika an'ilay tovolahy ny higadra noho ny tsy fahalalam-pomba nasehony nanevateva ny filoha Biya tamin'ny fampiasàna fiteny tsy maotina. Ny sasany nampifandray ilay fisamborana tamin'ny toerana misy ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena – malalaka ry zareo Kameroney rehefa tsy manakiana ny filoha Biya ety anaty tambajotra na ivelany.

Tsy io irery no tranga-na famoretana ny fahalalahana maneho hevitra. Tamin'ny 2009, ilay mpanao gazety, Jean Bosco Talla  dia naiditra am-ponja noho ny fanivaivàna ny filoha Biya, nefa izy nilaza ho tsy namoaka tao anatin'ny gazetiny afa-tsy ireo teny notsongainy avy amina boky iray.

Mbola tsy afaka an-tsain'ireo Kameroney ihany koa ny raharahan'ilay mpanolotra fandaharana anaty fahitalavitra, Serge Alain Ottousy ny ny vahiny nasainy, Engelbert Le Bon Datchoua, mpikambana avy amin'ny hetsiky ny mpanohitra “Cameroon Renaissance Movement (CRM)” tao amin'ny Equinoxe TV , fantsom-pahitalavitra mandeha an-tambajotra ao an-toerana. Nilaza ilay vahiny nasaina fa ny filoha Biya «no zavadoza ratsy indrindra nozakain'i Kamerona hatrizay», ary ny minisitry ny fitantanan-draharaha isam-paritra no nanome baiko ho fakàna am-bavany. Ottou sy Datchoua dia samy nalaina am-bavany tao amin'ny delegasiônam-paritry ny pôlisy tao Littoral . Ny Novambra 2022,  nampanantsoin'ny Filankevitry ny Fifandraisana ny tompon'ny Equinoxe TV sy ilay mpanentana fandaharana, mba ho alaina am-bavany. Tsy nolazaina intsony ilay fanontaniana.

Fahalalahana aorian'ny fanehoana hevitra

Ny lalàm-panorenana kameroney tamin'ny 1996 dia miantoka ny fahalalahana maneho hevitra« Ny fahalalahan'ny fifandraisana, ny fanehoana hevitra, ny asan-gazety, ny fivoriana, ny fikambanana ary ny fidirana anaty sendikà, ary hatramin'ny zo hitokona, dia iantohan'ireo fepetra voafaritry ny lalàna.»

Saingy tsiambaratelon'ny “Polichinelle” ny hoe miteraka antambo ny  fanakianana ny filoham-pirenena sy ny governemantany, ivelany na anatin'ny tambajotra. Fitaovam-panjakana daholo ny pôlisy, ny mpitandro filaminana, ireo ministera mpitantan-draharaham-paritra sy ny fifandraisana, ary ny tribonaly, nataony hitazonana fifehezana hentitra amin'ny vahoaka sy hanakanana ny kiana sy ny fanoherana. Arangarangan'ny fanjakana ny anjara andraikiny fahagola maha-mpiambina ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana azy, saingy ataony tsinontsinona ny fahalalahana maneho hevitra

Tsidiho ny pejin'ny tetikasa mba hahitàna lahatsoratra misimisy kokoa momba ny  Unfreedom Monitor .

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.