- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitra Unfreedom Monitor: Kamerona

Sokajy: Afrika Mainty, Kamerona, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary avy amin'i Ameya Nagarajan

Efa ela no sarotra ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor [1] dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i Kamerona amin'ny aterineto ity. Vakio ato [2] ny tatitra feno..

Firenena iray voamarika ho mikorisa mankany amin'ny tsirefesimandidy ankihy i Kamerona. Mampiasa fitaovana ankihy ny governemantan'i Kamerona hanaraha-maso sy hifehezana olom-pirenena sady mametra ny fidirana amin'ny aterineto sy ny teknolojia ankihy hafa.

Manana fiantraikany lehibe amin'ny demaokrasia sy ny fiainam-bahoaka any Kamerona ny teknôlôjia. Ahafahan'ny mpikatroka ara-politika sy ara-tsosialy mampahomby kokoa ny fandaminana sy ny fampielezana ny hafatra amin'ny olona maro kokoa noho ny taloha ny fielezan'ny smartfinday sy ny media sosialy. Na izany aza, mampidanadana ny varavarana mankany amin'ny fielezan'ny fandisoam-baovao sy ny fahadisoam-baovao, izay mitarika ho amin'ny fisaraham-bazana ara-poko sy ny herisetra noho ny maha-lahy/vavy, ihany koa izany. Manome sehatra iray ho amin'ny resaka fankahalana, izay mety hanitatra ny hantsana ara-tsosialy, ihany koa ny aterineto.

Ny tsy fahampian'ny fitsipika mifehy ny media sosialy sy ny aterineto no nanamora ny fizaràn'ny tsirairay vaovao diso sy hampielezana fankahalàna, ka manasarotra ny olom-pirenena hahatakatra ny marina sy handraisana fanapahan-kevitra mahafanta-javatra. Araka ny filazan'i Kendi Gikunda [3], raha nampiasaina hanentanana ireo Kameroney mpiteny anglisy ny media sosialy, dia lasa fitaovana handrebirebena sy hampiharihariana sy tsy-rariny. Ampiasaina ny teny fankahalàna ho fitaovana hanatrarana tanjona ara-politika sy ara-pitaovana(ohatra: hevitra mampisara-bazana, fampanaovana ny mpanohitra ho tsy olona, fandranitana fahatsapan-donilony sy fankahalana, ary antso hanaovana hetsika maherisetra) (Gikunda).

Ankoatra izay, manasaro-toerana ny vehivavy hirotsaka hiteny ampahibemaso ny fanjakazakan'ny vaovao sandoka sy ny fanorisorenana anjotra. Nanimba ny endriky ny vehivavy amin'ny fiainam-bahoaka sy ny politika izany.

Nampihatra lalàna sy fitsipika maromaro ny governemanta hanakanana sy hamerana ny fampiasana ireo teknolojia ankihy, ao anatin'izany ny aterineto. Mametraka ny lalàna momba ny fiarovana an'habaka sy ny heloka bevava an-habaka ao amin’ny tranokala [4]n'ny Minisiteran'ny Paositra sy ny fifandraisandavitra, MinposelTel ao Kamerona, fa izay rehetra mamoaka vaovao sandoka dia tompon'andraikitra mety hiditra am-ponja sy handoa onitra. Mandefa hafatra tahaka ny fampitandremana ho an'ny rehetra sahy namoaka vaovao sandoka ny governemanta, amin'ny alalan'ny Sampan-draharaham-pirenena misahana ny torohay sy ny teknolojiam-pifandraisana (ANTIC), mampiasa ny tolotra finday sy ny serivisin-torohay toy ny MTN sy ny Orange, fa mety ho voasazy amin'ny alalan'ny onitra na famonjana izay namoaka vaovao sandoka.

Tsiambaratelo fantatry ny rehetra ny fanaraha-mason'ny Fanjakana — mampiasa ny teknolojia ankihy ny governemanta hamantarana sy hikendrena mpanohitra, hijirihana akaiky ireo hetsika, ary mety hisambotra sy hanagadra olona aza noho ny fanehoany ny heviny anjotra. Mampiharihary ny fampiasana tsirefesimandidy ankihy ny fanapahana ny aterineto matetika, toy ny tao amin'ny faritra mpiteny anglisy tamin'ny taona 2017, sy ny fanakendana azy nandritra ny fifidianana taona 2018.

Manampy izany, nampiasa teknolojia ankihy ny governemanta hampanginana ny fahalalahana maneho hevitra, amin'ny fisamborana, fihazonana, ary eny fa na hatramin'ny fahafatesan'ireo mpanao gazety, bilaogera, ary olom-pirenena hafa mihitsy aza noho ny fanehoany ny fomba fijeriny an-jotra. Nampiasa teknolojia ankihy ny governemanta hampiroboroboana ny hafany sy ny hanivanana ny fomba fijery mifanohitra amin'izany, hanindriana ireo vondrona zandriolona ary hanaovana ho lasibatra vondron'olona ara-poko sy ara-pivavahana sasantsasany.

Tsikaritra ho manamafy ny tsirefesimandidy ankihy ny governemanta, amin'ny andraikitra maha-mpiaro azy, mpiantoka ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka, mpiambina ny tsy-fivakisan'ny sy ny endriky ny firenena azy ireo, amin'ny fandresen-dahatra ara-piarovana sy filaminana. Ohatra iray manan-danja [5] amin'izany fahatapatapahan'ny aterineto matetika tany amin'ny faritra mpiteny anglisy talohan'ny fifidianan'ny taona 2018. Na izany aza, etsy ankilan'izany, misy ireo vondrona mpiaro ny zo, ny fiarahamonim-pirenena, ary ny mpikatroka manameloka ny hetsiky ny governemanta ho fanitsakitsahana ny fahalalahana sy ny zo.

Vakio eto [2] ny tatitra feno

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox [6] Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).

Trohy ny tatitra PDF momba an'i Kamerona [2].