‘Nomenareo elatra aho’: Nisaotra ny mpankafy azy ilay Moldaviana tafakatra lalao famaranana tamin'ny Eurovision

 

Pikantsary YouTube avy amin'ny fantsona YouTube ofisialy Eurovision mampiseho an'ilay mpihira ao Moldavia Pasha Parfeni, nanao seho tamin'ny lalao manasa-dalana.

Rehefa tafakatra dingana famaranana tamin'ny Fifaninan-kira Iraisam-pirenena Eurovision 2023 tamin'ny 9 Mey 2023 tany Liverpool dia naneho ny fankasitrahany ny mpankafy azy ilay mpihira Moldaviana Pasha Parfeni noho ny fanohanan’izy ireo azy. Araka ny tatitry ny NewsMaker , nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook izy hoe: “Nomenareo elatra aho ary nomenareo herijika lehibe hanohizanay ny anjorianay amin'ny Eurovision 2023! Amin'ny famaranana ny fotoanantsika!”

Natao tany Liverpool ny 9 mey ny dingana manasa-dalana voalohany tamin'ny Eurovision, nahitana mpandray anjara miisa 15 avy amin’ny firenena samihafa. Anisan'izany ny solontenan'i Moldavia, Pasha Parfeni, izay tafakatra tamin'ny fifaninanana famaranana Eurovision. Niaraka tamin'ilay mpihira avy ao Moldavia ity ny mpitendry mozika avy amin'ny firenena sivy hafa voafantina ho an'ny Famaranana Goavana: Kroasia, Soisa, Finlandy, Tseky, Israely, Portiogaly, Soeda, Serbia ary Norvezy.

Hatao ny 11 mey ny lalao manasa-dalana faharoa, ary mbola miandry ny fampisehoana mampientanentana amin'ny alina iray hafa.

Talohan’izay, tamin’ny 29 Aprily, nihaona tamin'i Pasha Parfeni ny filohan’i Moldavia Maia Sandu mba hirary soa azy amin'ny fifaninanana. Araka ny tatitry ny NewsMaker, naneho ny fireharehany tamin'ilay mpihira Moldaviana handray anjara amin'ny Eurovision izy ary nanome toky fa hanohana azy mandritra ny hetsika. “Tsy andrinay ny hahita anao amin'ny dingana famaranana! Mirary soa ry Pasha!” hoy i Sandu.

Tamin'ny famaranana goavana amin'ny Etapa Națională 2023, nifantina izay ho solontenany amin'ity taona ity amin'ny Eurovision any Liverpool i Moldavia. Taorian'ny fihodinana maro nisian'ny fifanitsanana, nivoaka ho mpandresy tamin'ny hirany “Soarele şi Luna” (“Ny Masoandro sy ny Volana”) i Parfeni, na dia tsy anisan'ilay ankafizina tany am-boalohany aza. Io no fotoana fanindroany ho an'i Parfeni hisoloana tena an'i Moldavia amin'ny fifaninanan-kira Eurovision.

Tamin'ny taona 2012, tafakatra manasa-dalana izy tamin'ny hira “Lăutar.” Dia nanohy nahazo ny laharana faha-11 tamin'ny Famaranana Goavana tany Baku tamin'ny taona 2012.

Lahatsary tamin'ny fampisehoana mivantana ny “Soarele şi Luna,” ny fidiran'i Moldavia tamin'ny lalao manasa-dalana 2023.

Nilaza i Pasha Parfeni raha niresaka nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny volana Aprily hoe:

During this entire period, I felt the support of the public. Any contest, especially Eurovision, is a team contest. I am grateful that my team is the Republic of Moldova.

Nahatsapa ny fanohanan'ny vahoaka aho nandritra io fotoana iray manontolo io. Fifaninanana ekipa ny fifaninanana rehetra, indrindra ny Eurovision. Feno fankasitrahana aho fa ny Repoblikan'i Moldavia ny ekipako.

Azon’ny Orkestra Kulash avy any Okraina miaraka amin'ny hirany “Stefania” ny fifaninanana tamin’ny herintaona. Raha araka ny fomba mahazatra dia hatao any amin'ny firenena mpandresy ny fifaninanana manaraka saingy nanakana izany ny fanafihan'ny Rosiana an'i Okraina, izay nanomboka tamin'ny volana Febroary 2022 ary mbola mitohy hatramin’izao.

Hatao ny 13 mey any Liverpool ny lalao famaranana Eurovision.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.