- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manao vazivazy hahazoana fanohanana amin'ny Instagram ofisialy ny mpandray anjara amin'ny Eurovision ao Moldavia

Sokajy: Moldavia, Mediam-bahoaka, Mozika, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina

Pikantsarin'ny lahatsary YouTube avy amin'ny kaonty YouTube [1] ofisialy Eurovision 2023

Ny fifaninanana hira Eurovision [2] amin'ity taona ity, izay hotontosaina volana Mey any UK, dia manana kaonty Instagram [3] ofisialy, izay angatahana ny mpandray anjara tsirairay avy mba hizarany [4]ny “sary ankazin'izy ireo indrindra”. Pasha Parfeni, mpandray anjara ao Moldavia, no namoaka ny niavaka (ôrizinaly) indrindra hatramin'izao. Namoaka lahatsary  [5] mampiseho ny sarin'ny fiarany ilay mpihira, izay voafidy nandritra ny fihodinana nasionaly handray anjara amin'ny Eurovision amin'ity taona ity. Nanohy nilaza tamin’ny mpijery izy fa te hivarotra ilay fiara mba hanohanana ny fandraisany anjara miaraka amin'ny tarika amin’ny fifaninanana, ka nilazany hoe: ‘Tena mila vola izahay …”

“Ka andefaso hafatra aho raha te hividy an'io ianao!” hoy i Pasha.

Nahazo tia mihoatra ny 8.000 sy fanehoan-kevitra 75 ny lahatsoratra, hatramin'izao. Hoy ny mpisera iray:

@pashaparfeni [6]and his humor, I love how Moldovans know how to laugh and joke even in difficult situations that our people have been through throughout history. Vote for Pasha, for Moldova and for Moldova's voice to be heard in all Europe. ❤️❤️❤️

@pashaparfeni  [6] sy ny hatsikany, tiako ny fahafantaran'ny Moldavia ny fihomehezana sy ny vazivazy na dia ao anatin'ny toe-javatra sarotra izay nolalovan'ny vahoakantsika nandritra ny tantara. Fidio i Pasha, ho an'i Moldavia ary ho heno manerana an'i Eoropa ny feon'i Moldavia.

Mpisera maro no nihevitra fa tena nampihomehy izy ity:

OK now I'm gonna vote for Moldova, great sense of humour!! 🤣

OK hifidy ho an'i Moldavia aho, tena tia vazivazy!!

Ny hafa nirary fotoana tsara ho azy:

lol Wish he's gonna get so much income from the song and gonna be invited to many shows to be able to buy another great car to compete for next Eurovision.

tpt Enga anie ka hahazo vola be amin'ilay hira izy ary hasaina amin'ny seho maro ahafahana mividy fiara lehibe hafa hifaninana amin'ny Eurovision manaraka.

Tamin'ny lalao famaranana lehibe amin'ny Etapa Națională 2023, nifidy ny solontenany [7]i Moldavia hanao Eurovision amin'ity taona ity any Liverpool. Taorian'ny dingana fifanintsanana maro, nivoaka ho mpandresy tamin'ny hirany “Soarele şi Luna” (Ny Masoandro sy ny Volana) i Parfeni, na dia tsy anisan'ny ankafizina tany am-boalohany aza. Fanindroany [7] amin'ity i Parfeni no hisolotena an'i Moldavia amin'ny Fifaninanan-kira Eurovision.

Tamin'ny taona 2012, nandresy [7] tamin'ny fifantenana nasionaly Moldavy ho an'ny Eurovision i Parfeni tamin'ny hirany “Lăutar” ary nisolo tena ny fireneny tamin'ny fifaninanana tany Baku, Azerbaijan, izay nahazoany ny laharana faha-11 tamin'ny isa 81.

Ankehitriny, 11 taona aty aoriana, hiatrika [8] ny lalao manasa-dalana voalohany amin’ny 9 mey any Liverpool i Parfeni.

Tamin'ny taona 2005 no nandraisan'i Moldovia anjara voalohany tamin'ny Eurovision. Tamin'ny herintaona, niseho fanintelony tamin'ny fifaninanana ny tarika Moldavia Zdob și Zdub, notronin'ireo mpirahalahy Advahov.

Nanintona ny fon'ny mpijery [7] ny fampifangaroana miavaka ataon'izy ireo amin'ny mozika folk Moldavy sy ny zava-baovaon'ny tarika tamin'ny hirany “Trenulețul” ary nanome azy ireo ny toerana fahafito tamin'ny isa 253.

Raha nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny volana Aprily, nilaza [8] i Pasha Parfeni hoe:

During this entire period, I felt the support of the public. Any contest, especially Eurovision, is a team contest. I am grateful that my team is the Republic of Moldova.

Nahatsapa ny fanohanan'ny vahoaka aho nandritra ity vanim-potoana iray manontolo ity. Ny fifaninanana rehetra, indrindra ny Eurovision, dia fifaninanana ekipa. Feno fankasitrahana aho fa ny Repoblikan'i Moldavia ny ekipako. 

Ny Orkestra Kulash avy any Okraina no nandresy [9]tamin'ny fifaninanana tamin'ny herintaona tamin'ny hiran'izy ireo “Stefania.” Ny fomba mahazatra dia any amin'ny firenena mpandresy no hanaovana ny fifaninanana manaraka saingy nanakana izany ny ady tany Okraina.

Tanterahina ny 9 ka hatramin’ny 13 mey ny fifaninanana amin’ity taona ity.