Tatitra Unfreedom Monitor: Hong Kong

Sary avy amin'i Ameya Nagarajan

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i Hong Kong amin'ny aterineto ity. Vakio ato ny tatitra feno.

Tamin'ny fotoana nanoratana ity tatitra ity, inoana fa any Shina no tena ampiasana mivantana sy miharihary ny fitaovam-pitondrana tsirefesimandidy nomerika, saingy nahitana fiovana goavana kosa tao Hong Kong mikasika ny lahateny sy ny fitantaran'ny fanjakana mifandraika amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra. Novain'ny  ny Lalànan'ny Filaminam-pirenena (NSL), izay nampidirin'ny fanjakana Shinoa tamin'ny volana Jona 2020 ho setrin'ny korontana ara-tsosialy tamin’ny taona 2019, ny toetra sy ny tontolon'ny mpiasan'ny media — tafiditra ao ny mpanao gazety sy ny mpamoaka lahatsoratra– ny toetra sy ny tontolon'ny fikambanana sivily sy politika, toy ny sendika sy antoko politika, ary koa ho an'ny olom-pirenena na amin'ny habaka anjotra na ivelan-jotra.

Raha nanaraka ny fitsipiky ny “Firenena Iray, Rafitra Roa” i Hong Kong hatry ny ela dia nanana fizakan-tena lehibe, izay nanome antoka ny olom-pireneny ny zo sy fahalalahana maro isan-karazany, anisan'izany ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahalalahana ara-kevitra. Tsy niharan'ny sivana ireo famoahana tsikera momba ny governemanta eo an-toerana na ny Antoko Kaomonista Shina, ary mbola tsy narahamaso amin'ny ankapobeny ny fidirana amin'ny aterineto, anisan'izany ny sehatra media sosialy. Na izany aza, nahatonga ny fitsabahana ho mahazatra kokoa, ohatra amin'ny endrika fangatahana fanesorana votoaty ny lalàna vaovao eo ambanin'ny NSL mba hitandroana ny filaminam-pirenena.

Heverina ho tena mandroso, mirehareha amin’ny tahan'ny fidirana amin'ny aterineto sy ny fifandraisana haingam-pandeha ny fotodrafitrasan’ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana (TIC) ao an-tanàndehibe. Teboka manan-danja koa i Hong Kong ao amin'ny faritr'i Azia-Pasifika ho an'ny hisin-torohay an-dranomasina mampifandray kaontinanta. Na izany aza, mety hisy fiantraikany amin'ny tetikasa fotodrafitrasa fanampiny amin'ity sehatra ity ny ahiahy avelan'ny NSL.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy izay dia nahitana ezaka nirindra nataon'ny manampahefana tao Hong Kong sy Shina mba hanaovana izay tsy ho ara-dalàna ny endrika fanakianana na ny tsy fitovian-kevitra amin'ny alàlan'ny fiarovana ny NSL amin'ny foto-kevitry ny “fampiharan-dalàna”, izay tafiditra ao ho andraikitry ny tanàndehibe amin'ny maha ivon-toeram-bola sy ara-barotra iraisampirenena azy. Tafiditra ao amin'ny “fampiharan-dalàna” hatrany ny fahaleovantenan'ny andrim-panjakana mpitsara sy ny fanantenan’ny besinimaro fa raisina ho  mitovy eo anatrehan'ny lalàna izay rehetra ao anaty fiarahamonina — olom-pirenena, governemanta, manampahefana —. Matetika io hevitra io mifanohitra amin'ny foto-kevitry ny “fitsipi-dalàna”, izay mahita ny lalàna ho fitaovam-pitantanana hanamafisana ny fanaraha-maso. Nosoritana ny NSL ho vokatry ny paikam-panaovan-dalàna, voampanga avy hatrany ho manoso-potaka ny governemanta eo an-toerana na mitsabaka amin'ny raharahan-tokantrano (izay mety ho fandikan-dalàna araka ny NSL mihitsy) ny governemanta vahiny, ny ONG, ary ny fikambanam-baovao rehefa maneho hevitra mitsikera momba io raharaha io. Mandritra izany fotoana izany, niforitra ny fikambanan'ny media ao an-toerana noho ny fitomboan'ny teritery avy amin'ny fahefana mpanao famotoran'ny Polisy ao Hong Kong. Natao fitaovam-piadiana mahomby hanakanana ny tsy fitovian-kevitra, hanesorana ny mpanohitra ara-politika ary hanalamahana ny tontolon'ny media ny NSL raha nampidirina tamin'ny fepetra fanajana elanelana ara-tsosialy tamin'ny valan'aretina COVID-19. Heverina fa hiharatsy kokoa ny tontolon’ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra ao Hong Kong amin'ny hoavy, ary  hifanaraka hatrany amin'ireo fanao any Shina tanibe ny fomba sy ny fitaovan'ny fitondrana jadona nomerika ao amin'ny faritra.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).

Trohy ny tatitra PDF momba an'i Hong Kong.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.