- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitry ny Unfreedom Monitor: Kazakhstan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

SAry natolotr'i Ameya Nagarajan

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera ary ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika. Ity dia tsonga nalaina avy amin'ny famintinana ireo tatitra momba an'i Kazakhstan tao anatin'ny andiana tatitra nivoaka avy tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor. Vakio ato [1] ny tatitra feno.

Ny fitondrana amperinasa ao Kazakhstan dia manara-maso sy mijery akaiky ny hetsika rehetra ataon'ireo mpanohitra sy mpanakiana [2]. Tohizan'ny filoha Tokayev ireo pôlitikam-pamoretana nataon'ilay teo alohany amin'ny fifehezana ny fampahalalam-baovao sy ny tontolon'ny aterineto, amin'ny alàlan'ny fampiharana ireo vahaolana teknôlôjika — fanarahamaso lasibatra, fanapahana aterineto sy fitondrantena voarindra tsy araka ny tokony ho izy ety anaty tambajotra sôsialy. Rakotr'ireo fampielezankevitra mpanasohaso fitondrana ny gazety, na dia leferina ihany aza ny tatitra miaty fanakianana rehefa voahaja ny tsipika sasany tsy azo dinganina. Atao lasibatra amin'ny famoronana raharaha heloka bevava momba azy ireo mpitatitra vaovao sy mpanao gazety manta vava, ary indraindray arahana herisetra sy fampihorohoroana. Kazakhstan dia milahatra miaraka amin'ireo firenena faran'izay ratsy indrindra eto an-tany raha resaka fahalalahan'ny asa fanaovana gazety: faha-158 amin'ny 180 [3]. Ity tatitra ity dia mandalina ny antony manosika, ireo fomba fanao ary ny setry mibahan-toerana amin'ny tsirefesimandidy nomerika ao Kazakhstan, miankina amin'ireo fitaovana fisoloana vava efa misy, ireo fepetra araka ny lalàna ary ny fitantaràna an-gazety ny fomba fitantanana ny aterineto ao amin'ilay firenena. Resahany fohifohy ny rafitra pôlitika ao Kazakhstan sy ny zotra arahan'ny tsirefesimandidy nomerika alohan'ny hitetezany ireo trangana jadona tety anaty tambajotra tamin'ny 2022, amin'ny fametrahana anaty sarintany ny fivoarana sy ny fiovàn'ny fiarovana ny habaka nomerika ao Azia Afovoany. Ny tetikady ankapoben'ny fanjakàna dia ny hanivana ireo vaovao tsy mifanaraka amin'ireo soatoaviny sy ny hetahetan'ny mpitondra.

***

Ifantohan'ity tatitra ity ireo fironana fototra momba ny teknôlôjian'ny tsirefesimandidy nomerika ampiasaina ao Kazakhstan nanomboka ny 2017 hatramin'ny 2022. Apetrany ho anatin'ny vanimpotoanany tsirairay ireo rafitra famoretana an-jotra ao anatin'ny tontolo pôlitika miovaova.  Notsapain'ireo hetsipanoherana tamin'ny Janoary 2022 ny fototra ijoroan'ny fahalalahana sôsialy sy pôlitika — tsy nahomby ilay sarintsarina fahamarinan-toerana pôlitika. Narahan'ny governemantan'i Tokayev akaiky ireo andrana hanaovana izay hampangidy hoditra ny fitondrany sy ny zony hifehy. Fanairana maro mifamahofaho momba ny tetezamita hoavy no nalefan'ny fitondrana : fampanantenana fanavaozana liberaly sy fametrahana faneriterena misimisy kokoa amin'ny fahalalahana ara-pôlitika. Tsy nahomby tamin'ny fametrahany ny famoretana sy ny fampitomboana fanarahamaso, isan'izany ny tontolon'ny aterineto, ilay Kazakhstan taty aorian'ny Janoary.

Tranga roa nanaovana fanadihadiana — ny nisamborana ilay mpitarika ny mpanohitra, Zhanbolat Mamay, nolazaina ho nanely vaovao tsy marina ary sy nanao fitondrantena tsy araka ny tokony ho izy teny anaty media sôsialy nandritra ny fampielezankevitra fifidianana ho filohampirenena — no sary manaingo ny kolontsain'ny tsirefesimandidy nomerika ao Kazakhstan. Zhanbolat Mamay dia nampangaina ho nanely vaovao tsy marina ary nanivaiva manampahefana iray avy amin'ny fanjakàna. Mino ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona sy ireo mpanao gazety tsy miankina fa resaka pôlitika no nanosika ny fisamborana sy ny fitsaràna azy. Namoahan'ny fitsaràna didy ny hampidirana azy am-ponja roa volana, voaheloka araka ny andininy roa ao amin'ny Lalàna momba ny Heloka Bevava: fanaparitahana tsotra izao vaovao tsy marina ary faniratsiràna tomponandraiki-panjakana. Taty aoriana, nisy vesatra hafa natsofoka, lasa  “fikononkononana fitroaram-bahoaka” sy “fanelezana vaovao diso.” Lavin'ireo fikambanana iraisampirenena mpiaro zon'olombelona ny fanenjehana azy, ary takian'izy ireo ny  hamotsorana azy.  Mamay no voalaza fa tompon'antoka voalohany tamin'ny fikarakarana ilay korontana faobe tsy ara-dalàna tamin'ny Janoary 2022. Nofidiana ho sary hamantarana ireo niharan'ny tsindrin'ny fitondrana izy mba hanehoana fa na iza na iza feo manohitra, anatiny na ivelan'ny aterineto, dia hosaziana.

Nambaran'i [4] Tokayev taorian'ireo hetsipanoherana tamin'ny Janoary fa nilaina ny fifidianana filohampirenena alohan'ny fotoana satria miantoka ny “fiaingàna vaovao indray hatrany ifotony ho an'ny rafitra pôlitika manontolo”. Ny fanamarinana naroson'ny governemanta ho nanaovana ireo fifidianana tsy ara-potoana dia ny filàna maika hisiana fiovàna pôlitika anaty fitoniana. Ny pôlitikan'ny fampahalalam-baovao, izay ny ministeran'ny fampahalalam-baovao sy ny fitantanan'ny filohampirenana ao Kazhakstan no miandraikitra azy, dia mampiasa fitaovana nomerika ho fanelezana vaovao tsy izy sy hampiroboroboana ireo angona manome tombony ny eo amin'ny fitondrana, indrindra fa mandritra ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana. Ireo raboto amin'ny aterineto sy ireo mpandoto rindrina no manome ny fomba fijery ôfisialin'i Astana ary miantoka ny fifandraisana amin'ny daholobe eny amin'ireo sehatra samihafan'ny media sôsialy sy ireo sehatry ny fampahalalam-baovao miaraka amin'ny fanjakana.

Fitantarana roa mibahan-toerana no tena ampiroboroboin'ny fitondrana ao Kazhakstan eny anivon'ny media sôsialy sy ireo sehatra fampahalamam-baovao: “Tokayev no mpitarika tsara indrindra ho an'i Kazakhstan amin'izao fotoana izao” sy ny “Ny fiarovam-pirenena aloha vao ny zon'olombelona.” Ilay filaza voalohany dia manome fahefana ny mpitantana ankehitriny hitaky ny maha-ara-drariny ara-pôltika ny filoha vonjimaika, na eo aza ireo hetsipanoherana sy tsy hafalian'ny vahoaka. Ilay filaza faharoa dia manamarina ny fampitomboana ny fiarovana ny habaka nomerika sy ny fanivànana ny media ao an-toerana. Midika tahotra sy tsy fahalemana ho an'ireo sangany eo amin'ny fitondrana io manoloana ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra sy ny fifaninanana pôlitika, mitarika mankany amin'ny filàna mafonja ny fanavaozana demaokratika sy ny fanovàna mpitondra.

Vako ato [1] ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera sy ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox [5] ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika ny Unfreedom Monitor..

Hitroka PDF momba ny tatitra  Kazakhstan [1].