- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitra Unfreedom Monitor: Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary avy amin'i Ameya Nagarajan

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor [1] dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesimandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra avy amin'i Myanmar ity. Vakio ato [2] ny tatitra feno.

Nitohy tao anatin'ny taonjato faha-21 ny adihevitra mahazatra momba ny hoe tsy miandany na tsia ny teknolojia. Ao anatin'izao firongatry ny fitondrana tsirefesimandidy amin'ny ankapobeny izao, nanjary tranga manerana izao tontolo izao ny tsirefesimandidy nomerika. Hijery ny toetry ny fitondrana tsirefesimandidy nomerika ao Myanmar ity tatitra ity. Voalohany, mba hanomezana ny odidina politikan'i Myanmar, resahina ny tantara fohy momba ny demokrasia ao amin'ny firenena. Aorian’izay dia hazavaina amin’ny antsipiriany ny herisetra ara-politika niara-dalana tamin’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila tamin’ny taona 2021.

Avy eo, fakafakain'ny tatitra ny toe-draharahan'ny fitondrana tsirefesimandidy nomerika ao Myanmar, miresaka ny fomba famoretan’ny governemanta ao amin'ny tontolon’ny aterineto. Misy sokajy dimy amin'ny famoretana nomerika ataon’ny miaramila Myanmar dia ny: fanakatonana ny aterineto, ny sivana anjotra, ny fanaraha-maso, ny fanenjehana ireo mpiserasera lasibatra, ary ny fandrebirebena sy ny fanodinkodinam-baovao ao amin’ny media sosialy. Manoloana izany toe-javatra izany no mitranga ny fanoherana nomerika ataon'ny vahoakan'i Myanmar amin'ny didy jadona amin'ny alàlan'ny fihodidinana, ny fifindrana mankany sy avy any amin'ireo sehatra, ary ny hetsika fitia tsy mba hetra amin’ny endrika vaovao amin'ny alàlan'ny fanoherana, ankoatra ny hafa.

Ny tanjon'ity tatitra ity dia ny hanome fahatakarana ankapobeny momba ny fitondrana jadona nomerika ao Myanmar ao anaty korontana ara-politika sy ny fahatsapana ny anjara asan’ny teknolojia amin'ny famoretana sy ny fanoherana ny jadona.

***

Miharihary fa mitana anjara toerana lehibe amin'ity revolisiona ity ny teknolojia nomerika amin'ny fianarana ny lafiny famoretana sy ny fanoheran'ny Revolisiona Lohataona ao Myanmar. Mampiasa ny teknôlôjia amin'ny fomba rehetra azo atao ny miaramila mba hamoretana ny olona, hampitahorana ny fiarahamonina ary handrebirebena azy ireo. Mampiasa teknolojia nomerika ihany koa ireo revolisionista mba hialana amin'ny fameperana ataon'ny miaramila sy hampiasana fomba vaovao hananganana fanjakana. Ny fiaretana nomerikan'ny fiarahamoniny no iray amin'ireo antony hamaritra ny revolisiona ao Myanmar. Iray amin'ireo fisehoana maro tondroin'ity endrika famoretana nomerika ity fa lasa zaratany manana ny fiandrianam-pireneny vaovao hafa amin'ny tany, ny ranomasina ary ny rivotra ny tontolon’ny aterineto. Tsy azo raisina ho efa azo avy hatrany tsy ho voakitikitika intsony ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao, ny fahalalahan'ny aterineto, ny fahaiza-mampiasa ny sehatra nomerika ary ny fahaiza-mampiasa ny media satria misy fiantraikany amin'ny fahaveloman'ny olona ara-batana sy nomerika izany. Noho izany, tsy ara-batana fotsiny intsony ny revolisiona mbola mitranga ao Myanmar mba hiadiana amin'ny jadona ataon'ny miaramila — fa ny zava-misy dia na iza na iza mampiasa ny herin'ny teknolojia amin'ny fomba marina dia ho lasa mpanova ny lalaon'ny revolisiona.

Vakio ato [2] ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox [3] Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).
Trohy ny PDF momba ny tatitra Myanmar. [2]