Ity hira kiobàna malaza vaovao ity dia manainga ireo mpanakanto hiloa-bava hanohitra ireo mpitondra ilay nosy

Pikantsary avy amin'ilay rakikira ‘Cuba Primero’, iarahana amin'ireo mpihira azy Linier Mesa sy Dianelys Alfonso (‘La Diosa’)

Kiobàna mpanoratra tsy nitonona anarana no nanoratra ity lahatsoratra ity, teo ambanin'ny solonanarana Luis Rodriguez.

Ezaho araka izay tratrantsika ny hisaina zavatra tsara ao anatin'ny famaritana ny tontolo sôsialy ankehitriny ao Kiobà, tena manjombona tanteraka izy ity. Reraka ara-pihetsehampo sy ara-tsaina ireo mponina ao amin'ilay nosy. Miaraka amin'ny fidangan'ny vidim-piainana tsy mbola nisy tahaka azy, ny fanjanahan'ny dôlara ny lafiny ara-toekarena, ny tsy fahampian'ny famatsiana ary ny fanafody, ny fahatapahan'ny herinaratra tsy misy fiafaràny, ny fitomboan'ny tsy fandriampahalemana ary ny tsy fitoviana sôsialy, na mbola ratsy kokoa noho izany, ny famoretana tsotra izao ataon'ny fanjakàna an'ireo izay miloa-bava, eken'ireo mpandalina fa io no olana goavana indrindra atrehan'ny fiarahamonina kiobàna amin'izao fotoana izao, hatramin'ny nirodanan'ny Firaisana Sovietika (URSS).

Na izany aza, tato anatin'ny taona vitsivitsy, noho ny fikatrohan'ireo artista ao Kiobà sy ireo zanaka am-pielezan-dry zareo any Etazonia, misy tsirim-pahazavana mitondra fanantenàna lehibe kokoa ao anatin'io tontolo manjombona io. Miloa-bava ireny artista ireny misolo tena ireo Kiobàna an-tapitrisa izay nolavin'ny fitondràna ao amin'ny firenena ny zo fototra tokony ho azy hahafahany miteny an-kalalahana.

Marobe ireo artista manan-talenta namoaka hira isankarazany ho fanentanana nandritra ny taona nifandimby. Aoka tsy ho adinontsika ny  Nuestro Tiempo (Ya Viene Llegando) (Ho avy ny fotoanantsika) tamin'ny 1991 an'i Willy Chirino, hira iray nandihizan'ireo Kiobàna an-tapitrisa nandritra ny vanim-potoana sarotra tao Kiobà tamin'ny andian-taona 1990. Tsy ela ireo tononkiran'i Chirino dia lasa hira fanevan'ireo balseros (zahatra), izay nanao vy very ny ain-dry zareo hankany amin'ny morontsirak'i Flôrida. Amin'izao androntsika izao, marobe ireo Kiobàna no lasa olon'ny fihetsehampo raha vao mandre azy iny fotsiny. Avy eo, tamin'ny 2021, tonga ny Patria y Vida (Tanindrazana sy Aina), hira iray an'ireo artista sy mpikambana avy amin'ny San Isidro Movement (MSI), ohatra i Luis Manuel Otero, izay mbola any am-ponja mandraka androany.  Lasa marik'ilay korontana sôsialy tamin'ny 11 Jolay ho fanoherana ny fanjakana io, ary nandefa onja nanerana ny firenena. Ankehitriny ao Kiobà, ny fikiakiahanao ny “Patria y vida” dia ampy hampidirana anao any am-ponja.

Tamin'ny fotoana fotsiny izay toy ny hoe tampina ny vavan'ireo Kiobàna artista, mpihira roa miaina an-tsesitany ao Etazonia, i Linier Mesa sy i Dianelys Alfonso, fantatra amin'ny hoe “La Diosa” (“Ilay Andriamanibavy”), no namoaka ny hiran-dry zareo Cuba Primero (Kiobà Aloha), tany Miami tamin'ny 16 Aprily 2023. Ny sehatra tsirairay ao anatin'ilay rakitsarin-kira, izay tena nisy fiantraikany tokoa tao Kiobà, dia miresaka ireo hevitra an'ohatra momba ireo tragam-pifindramonina nanan-tantara tao amin'ny firenena, toy ny Operation Peter Pan tamin'ny 1959 sy ny Olan'ny Zahatra Kiobàna tamin'ny 1994, manasongadina araka izany ny antony fototry ny taham-pihetsehampon-dry zareo.

Toy ny Patria y Vida tamin'ny 2021 ihany, izay nandrisika ny Kiobàna hanao fanoherana, hira kiobàna iray hafa indray izao no nitafy ny akanjon'ny fikatrohana sôsialy sy pôlitika. Na izany aza, noho ireo hetsipanoherana tamin'ny 2021 nitarika nankany amin'ny fisiana gadra pôlitika maherin'ny 1.000, dia miantso ireo artista ao Kiobà sy ireo any am-pielezana kosa ny Cuba Primero mba hiloa-bava hisolo tena ireo Kiobàna marobe mizaka hirifiry anaty fahanginana. Fotoana isian'ny fifandroritana ngeza be eo amin'ireo Kiobàna artista izao. Na nisafidy ny hankato ny fitondràna aza ny sasany, ny sasany kosa manakiana ity rafitra misy amin'izao fotoana izao eto amin'ny nosy ity. Tena faran'izay sarotra, araka izany, ho an'ireo Kiobàna mpanakanto rehetra ny haka toerana tsy miandàny.

Noho izany dia tsy hiram-panoherana fotsiny ny Cuba Primero. Manainga antsika ihany koa izy, amin'ny maha-olombelona, mpankanto, ary nahita fianarana, hivoaka ny toerana mampahazoazo aina antsika, ary hampitsahatra ny fitazanam-potsiny ka hiloa-bava momba ireo fahasahiranana isanandro lasa iainan'ireo Kiobàna eto amin'ity nosy toy ny fonja be midadasika ity. Miainga amin'io fomba fijery io, endrika firaisana tsikombakomba ihany koa ny fahanginana.

Ny fikatrohana sy ny hery mpanetsika ananany dia mety ho pitik'afo handehitra ilay fiarahamonina kiobàna izay lasa kitapom-banja, indrindra fa eny anivon'ny tanora izay tsy tapaka ny mahazo votoaty sary sy feo ety amin'ny media sôsialy ary Youtube. Olana iray goavana io ho an'ireo ideôlôgin'ny fitondràna sy ireo mpitondratenin-dry zareo, toa an'i Michel Torres Corona, izay manentana ny Con Filo, fandaharana anaty fahitalavitra Ho an'ny Kiobàna sasany mpikatroka, toa an'ilay mpilalao an-tsehatra,  Yunior García, Con Filo no fandaharana “tena maharikoriko indrindra”, noho ireo famelezany tsy tapaka ny mpikatroka sy ny mpanakiana. Tao anatin'ny fandaharana iray nataony vao haingana kely mihitsy, nokianin'i  Torres Corona ilay rakitsarin-kira Cuba Primero, ka nametrahany fanontaniana ny nampiasàn'izy io ireo maripanondroana  sasantsasany, toy ny antsantsa ho entina milaza an'i Fidel Castro.

Raha mety ho afaka manentana ny fiarahamonina sivily ny Cuba Primero, ny  toedraharaha ankehitriny dia tsy mitovy amin'ireo nandritra ny hetsipanoherana tamin'ny 2021. Na izany aza, ny zavatra iray iraisan'ireo mpikatroka sy ny governemanta kiobàna ny fanaovana azy dia ny adin'ny maripanondroana, izay mivaivay eo amin'ny fitantaràna avy amin'ny fanjakana sy ny famokarana ara-kolontsaina ataon'ireo any am-pielezana.

Ireny ampahan-kira ireny, miainga avy amin'ilay klasika Ya Viene Llegando tonga hatrany amin'ilay vao haingana kokoa Patria y Vida sy Cuba Primero, dia manondro ny fifamatorana ara-kolontsaina misy eo amin'ilay nosy sy ireo mpiray tanindrazana aminy any ivelany izay lasa vao mainka ampifamatorin'ny fijery mitovy: ny fahafahana tanteraka sy tsy misy fepetra ho an'ny vahoaka kiobàna mba tsy ho ambany ziogan'ny tsy refesimandidy.

Araka izany, mandritra ireny vanim-potoana manjombona ireny, tsy mijaly anaty fahanginana fotsiny ireo Kiobàna; mihira sy mandihy ihany koa ry zareo amin'ireo tononkira miantso azy ireo hanjohy ilay fahalalahana efa nokatsahany fatratra.

Raha te-handre misimisy kokoa ireo hira kiobàna miresaka fanoherana ianao, tsidiho ny lisitra fihaino natsangan'ny Global Voices ao amin'ny Spotify:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.