- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nofoanana ny fihetsiketsehana Fetin'ny Asa tao Hong Kong taorian'ny fanjavonan'ny mpikarakara

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Zon'olombelona

Fihetsiketsehana tamin'ny fetin'ny asa, 2019. Sary: Jennifer Creery/HKFP [1]. nahazoana alalana.

Ny dika tany am-boalohany tamin'ity tatitra ity dia nosoratan'i Lea Mok ary navoaka [2] tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 26 Aprily 2023. Navoaka ato amin'ny Global Voices ity dikan-teny novaina manaraka ity noho ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny HKFP.

Nofoanana ny diaben'ny Fetin'ny Asa nokasaina natao tao Hong Kong [3] rehefa tsy hita nandritra ny adiny efatra ny iray tamin'ireo mpikarakara azy tamin'ny 26 Aprily 2023. Nokasaina hatao ny 1 Mey ny hetsika mba hanamafisana ny zon'ny mpiasa.

Napetrak'ireo mpikatroka Denny To sy Joe Wong, mpikambana taloha tao amin'ny fiaraha-mitantana mpomba ny demokrasia efa tsy misy intsony [4], ny Kaonfederasionan'ny Sendikà ao Hong Kong (HKCTU) ny fangatahana famoriam-bahoaka. Namoaka fanavaozam-baovao tsy tapaka momba ny satan'ny fangatahana izy ireo tao amin'ny pejy Facebook, Hong Kong May Day [5].

Ny marainan'ny 26 aprily, nisy fanambaràna [6] tao amin'ny pejy Facebook-n'izy ireo nilaza fa nanjavona tao an-tranony i Joe Wong ary tsy tratra antso nanomboka tamin'ny 7:30 maraina.

His family and friends suspect that Wong might have been taken away by the police for investigation or arrested. They have contacted lawyers to follow up.

Miahiahy ny fianakaviany sy ny namany fa mety nalain'ny polisy hanaovana fanadihadiana na nosamborina i Wong. Nifandray tamin’ny mpisolovava izy ireo mba hanaramaso.

Fitomboan'ny teritery sy ny rarin-tsaina

Adiny efatra taty aoriana, namoaka fanambaràna [7]tao amin'ny pejy Facebook i Denny To nanambara fa “nahazo indray ny fahafahany” tamin'ny 11:30 maraina i Wong ary niharan'ny fahaketrahana ara-pihetseham-po noho ny teritery sy ny rarin-tsaina:

今早約11時半,黃迺元恢復人身自由。他未有被拘捕,但情緒崩潰,顯然承受了巨大壓力。他向我表示,剛剛已簽紙取消遊行申請,但限於《港區國安法》第63條,無辦法透露詳情。由於過往經歷,我能夠想像期間發生了甚麼事。黃已經盡了一切努力捍衛集會遊行權利,我完全理解及支持他的決定。請大家給他時間休息,傳媒可以聯絡本人回應。

故事會如此發展,在決定申請時已有預料。情節雷同,實非巧合。[…]

Timothy Snyder指出:「威權主義的權力,大部份都是被慷慨賦予。在如此時代,個體往往預先考慮壓制性更強的政府想要甚麼,然後在沒有被要求的情況下預先服從。公民以這種方式適應威權,猶如教導權力可以做甚麼。」
但願某程度上,我們已做到這一點。
Tokony ho tamin'ny 11:30 maraina teo, noafahana indray i Joe Wong. Tsy nosamborina izy fa nijaly noho ny fahaketrahana ara-pihetseham-po. Miharihary fa teo ambany fanerena mafy izy. Nilaza tamiko izy fa nanasonia taratasy hanaisotra ny fangatahana famoriam-bahoaka. Saingy noho ny fameran'ny Andininy faha-63 ao amin'ny Lalàm-pilaminam-Pirenena, tsy afaka nanambara ny antsipiriany izy. Noho ny zavatra niainako, azoko sary an-tsaina ny nanjo azy. Nanao ny zava-drehetra i Wong mba hanohanana ny zo hivory; takatro tanteraka ary manohana ny fanapahan-keviny aho.
Efa niandrandra izany vokatra izany izahay rehefa nanapa-kevitra ny hametraka ny fangatahana […] Nanoratra i Timothy Snyder [ao amin'ny Lesona roapolo iadiana amin'ny Jadona [8]], “Omena malalaka ny ankamaroan'ny fahefana tsirefesimandidy. Amin'ny fotoana tahaka ireny, mieritreritra mialoha ny tsirairay ny amin'izay hotadiavin'ny governemanta mpanao famoretana kokoa, ary avy ry zareo ihany no manolotra tsy angatahana akory. Ny olom-pirenena maka volontany amin'izany fomba izany no mampianatra ny fahefana izay azony atao.”

Amin'ny lafiny iray, nahavita izany izahay.[…]

Nohamafisin’ny polisy tamin’io andro io ihany fa nofoanana ny fangatahana hanao Diaben’ny Mpiasa. Nampitandrina ny mpitondra tenin'ny polisy iray fa izay rehetra mivory tsy ara-dalàna ao amin'ny Nosy Hong Kong amin'ny 1 Mey dia mety ho voampanga ho nandray anjara tamin'ny fivoriambe tsy ara-dalàna, izay mety ho voasazy higadra dimy taona an-tranomaizina farafahabetsany.

Fanadihadian'ny polisy sy ahiahy hisian'ny piraty

Raha nasaina naneho hevitra momba ny fanambaran'i To, dia tsy nanazava ny Sekreteran'ny Fiarovana ao Hong Kong Chris Tang raha niresaka tamin'i Wong ny polisim-pirenena misahana ny fiarovam-pirenena, ary nangataka ny fampahalalam-baovao mba hanontany ny mpikarakara ny antony nisintonana ny fangatahan'izy ireo hanao diabe. Na izany aza, nilaza izy fa raha mihevitra ny tenany ho tsy mahavita miantoka ny fiarovana ny hetsika ho an'ny daholobe ny mpikarakara, dia ny fanafoanana ny diabe no fanapahan-kevitra tompon'andraikitra.

Talohan'ny valan'aretina COVID-19 tamin'ny taona 2020, nahitàna fihetsiketsehana goavana isan-taona amin'ny Fetin'ny Asa ahitana mpandray anjara avy amin'ny sehatra ara-politika isan-karazany mampiroborobo ny zo sy ny fiarovana ny mpiasa i Hong Kong.

Tamin'ny 11 Aprily, nametraka fangatahana hanao diabe [3] miainga ao Victoria Park ao amin'ny Causeway Bay mankany amin'ny Biraon'ny Governemanta Foibe ao Admiralty i To sy Wong tamin'ny 1 Mey tamin'ny 3 ora tolakandro, ka 500 farafahabetsany ny isan'ny olona amin'ny famoriam-bahoaka.

Na izany aza, nilaza ireo mpikarakara roa ireo tamin'ny 22 Aprily fa nohadihadian'ny polisin'i Hong Kong izy ireo [9] mikasika izay niavian'ny vola hamatsiana ny fihetsiketsehana sy ny fomba hiambenany amin'ireo vondrona mahery setra “hipiraty” ny diabe.

Nokianin'ny lehiben'ny fiarovam-piarovana ao Hong Kong i Wong sy To ho manao fanehoan-kevitra “tsy tompon'andraikitra”  [10]  nanamaivana ny “tandrevaka ara-piarovana” amin'ny famoriam-bahoaka. Nandrisika [11] ny mpitandro filaminana izy mirahalahy ireto mba tsy “hanitatra” hoe mety hisy hipiraty ny fihetsiketsehana ary mino izy ireo fa manana fahaiza-manao misoroka herisetra tsy hitranga amin'ny fihetsiketsehana ny polisy.

Nandritra izany fotoana izany, nampitandrina ny talen'ny fampanoavana ao an-tanàna  fa “fitaovam-piadiana ny teny” ary ireo izay mampiasa ny teniny hanentanana ny hafa hanao fandikan-dalàna dia hosaziana.

Anisan'ireo mpikambana taloha tao amin'ny HCCTU i Wong sy To izay nalain'ny polisin'ny fiarovam-pirenena mba hiatrika   fanadihadiana [12] taorian'ny nisamborana an'i Elizabeth Tang, lehiben'ny sendikàn'ny fiaraha-mitantana teo aloha, noho ny  ahiahy firaisana tsikombakomba amin'ny vahiny [13] tamin'ny volana lasa teo.

Nanambara ny fanapahan-keviny horavaina ny HKCTU, tamin'ny filazana fandrahonana ara-piarovana mihatra amin'ireo mpikambana ao aminy [14] tamin'ny volana Septambra 2021. Anisan'ireo vondrona fiarahamonim-pirenena 50 [15]izay rava taorian'ny fampiharana ny lalàna momba ny filaminam-pirenena (NSL) napetrak'i Beijing izy ireo.

Raha nahazo fankatoavan'ny polisy aza ny fivoriam-bahoaka madinika sasany vao haingana, dia niharan'ny fepetra hentitra izy ireo. Tamin'ny fihetsiketsehana nahazoana alalana voalohany nanohitra ny politikan'ny governemanta [16]tao Hong Kong [16]tao anatin'ny roa taona teo ho eo [16], dia nasaina nanao marika misy tarehimarika ireo mpanao fihetsiketsehana ary nitondra ny tadiny manokana hamaritana ny vahoaka mandritra ny famoriam-bahoaka.

Tamin'ny volana Jona 2020 [17], nampiditra mivantana ny lalàna momba ny filaminam-pirenena [18] tao amin'ny lalàmpanorenana kelin'i Hong Kong i Beijing — tsy nampandalovina solombavambahoaka tao an-toerana — herintaona taorian'ny hetsi-panoherana sy ny rotaka prô-demokrasia. Nanameloka ny fanakorontanana, ny fisintahana, ny firaisana tsikombakomba amin'ny hery vahiny [19] ary ny asa fampihorohoroana izany, izay voafaritra amin'ny ankapobeny fa hampisy fikorontanam-pitaterana sy ny fotodrafitrasa hafa.

Nanome hery vaovao lehibe [20] ho an'ny polisy ny fanapahan-kevitra, mampatahotra [20] ny demaokraty, ny vondrona fiarahamonim-pirenena ary ny mpiara-miombon'antoka ara-barotra, satria nampiasaina imbetsaka mba hanampenam-bava sy hanasaziana ireo mpanohitra ao Shina ny lalàna toy izany. Na izany aza, nilaza ny manam-pahefana fa namerina ny fitoniana sy ny fandriampahalemana tao an-tanàna izany.