- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fandinihana avy amin'ny am-pielezana Iraniana: Hatezerana amin'ny ‘Iran Lobby’ Fizarana faha-2

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge, "Women, life, freedom" Iran revolts

Zavakanto nataon'i Hamid Yazdan Panah, nahazoana alalana.

Ity no fizarana faharoa amin'ny lahatsoratra. Navoaka tamin'ny 28 Febroary ny voalohany [1] [mg] ary nanolorana ilay antsoina hoe “Iran Lobby” sy ny fahatezerana miantefa amin'izany avy amin'ireo Iraniana am-pielezana. Sokafan'ity sombiny ity bebe kokoa ny sasany amin'ireo porofom-pifandrain'ny Iran Lobby amin'ny fitondrana Iraniana.

Tamin'ny fanadihadiana voalohany nataoko [1] [mg], dia nanondro ny Filankevitra Nasionaly Iraniana-Amerikana [2] (NIAC)  ho iray amin'ireo fikambanana mifandray amin'ny “Iran Lobby” aho. Ity fikambanana ity noheverin'ny Iraniana sasany any am-pielezana [3] ho foibe ao ambadiky ny antsoina hoe “Iran Lobby”.

Niatrika fiampangana ho mpandresy lahatra (lobby) noho ny zavamisy [4] ho an'ny fitondrana Iraniana nandritra ny taona maro ny NIAC sy ny mpanorina azy, Trita Parsi [5]. Nolavin'i [6]Parsi sy ireo mpanohana azy ho atosiky ny mpandoto rindrina [7]ireo fiampangana ireo. Mba hialàna amin'ny fanaratsiana, dia ilaina ny mijery ny zavamisy sasany.

Tamin'ny taona 2008 i Parsi sy ny NIAC dia nametraka fitoriana fanalam-baraka [8] tamin'ilay mpanoratra Iraniana iray izay nilaza fa nandresy lahatra mangingina tamin'ny anaran'ny fitondrana Iraniana tao Etazonia ny fikambanana.

Raharaha ara-pitsarana mahaliana ity raharaha fanalam-baraka ity satria manan-jo hampiasa ny raharaha ara-pitsarana ny voampanga ho fitaovana hanaporofoana fa tena marina ny filazan'izy ireo. Tafiditra ao anatin'izany matetika ny fanaovana fikarohana sy ny fanerena ny mpitory — amin'ity tranga ity ny NIAC sy Trita Parsi — mba hanolotra porofo izay mety tsy navoaka ho hitan'ny besinimaro. Izany indrindra no niseho tamin’ity raharaha ity.

Nandritra ny fitoriana, natolotra ho porofo ny mailaka anatiny [9], izay mampiseho fa nanondro ny asany ho “fandresen-dahatra” ny mpiasan'ny NIAC . Fanampin'izay, nampiseho ihany koa ny porofo [10]fa nandamina fivoriana teo amin'ireo mpikambana ao amin'ny Kongresy sy Javad Zarif [11], masoivohon'i Iran teo aloha tao amin'ny Firenena Mikambana ary minisitry ny raharaham-bahiny taty aoriana i Trita Parsi.

Na dia maro aza no mihevitra ireo mailaka ireo ho “porofo mivaingana,” dia  tsy nanaraka ny fangatahana porofo rehetra avy amin'ny fitsarana ny NIAC. Araka ny Lalàna Federaly momba ny Fitsipika Sivily [12], ny tsy fanarahana ny fangatahana porofo dia mety hiteraka voka-dratsy sy fomba fijery isan-karazany, ao anatin'izany ny fiheverana fa tsy mety amin'ny antoko tsy mahavita nanome izany ireo vaovao tadiavina. Fanampin'izany, ny tsy fanarahan-dalàna dia mety hiteraka sazy, toy ny onitra [13], izay nitranga tamin'ity raharaha ity. Nametraka sazy ara-bola goavana [14]ho an'ny NIAC ny mpitsara noho ny tsy fankatoavany ny fangatahana porofo.

Ao amin'ny didim-pitsarana [15], nanoritsoritra ny fihetsiky ny NIAC ho “tsy hay hazavaina sy tsy nohazavaina” ny mpitsara. Nilaza ihany koa izy fa “tsy azo arovana ny tsy fahavitana mamoaka [ireo] mailaka ireo, ary tsy nanandrana nanazava tsara ireo mpitory na tamin'ny lahateniny na nandritra ny fotoam-pitsarana amin'ny antony tsy namokarana ireo mailaka rehetra ireo.” Noho ny tsy fanomezany porofo manan-danja ho an'ny fitsarana, resy tamin'ny raharaham-pitsarana [16] ny NIAC ary nosazin'ny fitsarana handoa onitra 183.480.09 dolara Amerikana.

Milaza ny torohay am-pelatanana fa nandray anjara tamin'ny ezaka fandresen-dahatra narindra niaraka tamin'ireo olona sasany tao amin'ny fitondram-panjakana iraniana ny NIAC. Ahitana ny tantara niavian'i Trita Parsi [17]ny porofo fanampiny. Mpiavy Iraniana-Soedoà izy ary filohan'ny NIAC. Milaza ny loharanom-baovao sasany fa manana fifandraisana amin'ny fianakaviana Iraniana sasany [18] manana tombontsoa amin'ny solika i Parsi izay niaro ny politikam-pifandraisana amin’ Iran. Entanina ny mpamaky hanadihady ireo filazana ireo ary hanao tsoakevitra manokana.

Tsara ny manamarika fa ny tosika hiara-hiasa amin'ny fitondrana Iraniana dia natao nandritra ny taompolo maro nisian'ny famoretana feno habibiana tao Iran. Manana tantara lava be momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny firenena, anisan'izany ny fanafoanana ny mpanohitra ara-politika [19] [mg], ny famerana ny fahalalahana miteny [20] [mg] sy mivory, ary ny fampijaliana ny vitsy an'isa [21] [mg] sy ny vehivavy [22] [mg]. Tamin'ny taona 2019, namaly tamin'ny fomba feno herisetra ny fihetsiketsehana mitaky fanavaozana ara-politika sy ara-toekarena ny fitondrana Iraniana , ka olona 1.500 [23] no voalaza fa maty.

Zava-dehibe ny manaiky fa efa nohadiahaiana tamin'ny fanehoan-kevitra izay azo sokajiana ho mankahala vehivavy sy feno fankahalana ireo olona sasany [24] mifandray amin'ny Iran Lobby. Tsy azo ekena ary tsy manana toerana amin'ny fifanakalozan-kevitra manorina ny fanamarihana toy izany.

Na izany aza, zava-dehibe ny mahafantatra fa misy antoko ao anatin'ny vondrom-piarahamonina Iraniana, ao anatin'izany ireo miaro ho an'ny famerenana amin'ny laoniny ny fitondram-panjakan'ny fitondrana teo aloha [25], izay mampiasa tetikady mampisara-bazana sy tsy manaja mba hahazoana tombontsoa ara-politika. Na eo aza izany, zava-dehibe ny mijery ny olana amin'ny toe-javatra tena misy ary miombom-pihetseham-po amin'ny fahasorenana tsapan'ny Iraniana maro amin'ireo izay niasa ho mpiaro ny fitondrana.

Angamba ny fomba fijery miharihary indrindra dia avy amin'ireo mpanohitra miady ho an'ny fanovana ao anatin'i Iran. Nandefa sioka tamin'ny volana Oktobra 2022 [26], i Atena Daemi [27], Iraniana mpanohitra malaza ao amin'ny firenena, izay niampangany ny NIAC ho toy ny lobbyista ho an'ny fitondrana sy manadio ny heloka bevava ataon'ny fitondrana.

Raha manan-danja ihany koa ny hevitr'ireo Iraniana am-pielezana, dia ny feon'ireo any Iran, toa an'i Daemi, izay mitarika ny tolona ho amin'ny fanovana, no hahazo ny teny farany.