- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonan'ireo “Wikimedians” hankalaza ny fahamaroam-piteny ao Ghana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Teny afrikana sy Dizitaly-digiafricanlang, Rising Voices

Voalahatra hatao amin'ny 12 hatramin'ny 14 Mey 2023 ao an-tanànan'i Tamale ny fihaonan'ireo vondrom-pairahamonina Wikimedia manerana an'i Ghana. Ny fihaonan'ireo ganeàna “Wikimedians” ho an'ny fiteny [1] dia atao ihany koa ho toy ny fankalazana ny tontolon'ny fahamaroam-piteny ao Ghana, hanasongadinana ny lanjan'ny fiarahana miasa ary ny fifampizaràna traikefa amin'ny alàlan'ireo tetikasa Wikimedia isankarazany.

Hita ao anatin'ireo vondrom-piarahamonina mpandray anjara ny  Gurene Wikimedia Community [2], Moore Wikimedian Community [3], Ghanaian Pidgin Wikimedians Community [4], Dagbani Wikimedians User Group [5], Fante Wikimedians Community [6], Dagaare Wikimedia Community [7], Kusaal Wikipedia Community [8], Wikimedians of Twi Language User Group [9], ary ny Art+Feminism [10].

Ny hevitra ao an-damosin'ilay fihaonana dia niainga avy amin'ny fifampiresahana nisy teo amin'i Sadik Shahadu, mpanorina ny  Dagbani Wikimedians User Group, sy Maxwell Beganim, mpiara-manorina ny Ghanaian Pidgin Community. Avy eo ry zareo nifanantona tamin'ireo vondrom-piarahamonina hafa mba hanombana ny fahalinan'izy ireny handray anjara.

Najoro ny tarika iray mpikarakara [11], nahitàna mpikambana roa avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny fiteny, izay niandraikitra ny anjara toeran'ny mpitarika amin'ny fikarakaràna ilay fihaonana, niaraka tamin'ny fandraisana anjara mavitriky avy amin'ireo vondrom-piarahamonina hafa momba ny fiteny. Ny fandrisihana ny fampandrosoana ireo tetikasa mivelatra sy ny fambolena fampiatiana eny anivon'ny tontolon'ny teknôlôjia no endrika fototra ho an'ny iraka tontosain'izy ireo. Mitàna anjara toerana goavana amin'ny fanatontosana ny tanjon-dry zareo ny fiarahana miasa amin'ireo vondrom-piarahamonina mpiara-miombona antoka, satria ahafahana mifampizara fahalalàna sarobidy, mandrisika ny firaisankina ao anatin'ny fitahirizana ireo fiteny tandindonin-doza ary mampahaleo tena ireo vondrom-piarahamonina tsy ampy fitaovana.

Tao anaty antsafa iray tamin'ny alàlan'ny imailaka nifanaovana tamin'ny Rising Voices, nomarihan'i Maxwell ny lanja mavesatry ny fampiraisana ireo vondrom-piarahamonina momba ny fiteny ao Ghana mba hanamoràna ny fifanakalozana fahalalàna sy hametrahana ireo tetikady mba ho lasa mampiaty kokoa, amin'ny alàlan'ny fampiroboroboana ireo votoaty avy eo an-toerana. Nanambara ihany koa i Maxwell fa ny fiantraika andrasana amin'ilay fihaonana dia ny “hamorona firaisana anaty fahasamihafàna” sy “hahita mandatehezana iray miray ao Ghana eny anivon'ireo vondrom-piarahamonina momba ny fiteny ao an-toerana, ary ny hanaisotra ny fanjanahana ny aterineto amin'ny fampiasàna votoaty avy ao an-toerana.”

Efa navoaka ny fandaharanasa ary hahitàna hetsika iombonana isankarazany, atrikasa madinika, kaonferansa sy famelabelarana ataon'ireo solontena avy amin'ny vondrom-piarahamonina momba ny fiteny tsirairay avy. Mba hananana topimaso amin'ny lahadinika, azonareo atao ny miditra mijery ny fandaharanasa vonjimaika natsofoka ato [12].

Nolazain'i Maxwell ihany koa fa ny tarika mpikarakara dia maniky ny lanjan'ny fametrahana fifanomezan-tànana miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina ampy traikefa amina tetikasa mivelatra, ny fitadiavana izay hamenoana ny fahabangàna ara-pahalalàna eo amin'ireo vondrom-piarahamonin'ny fiteny. Mariky ny firaisankina io fiarahana miasa io, anasongadinana ny ezaka iraisana mba hitahirizana ny fiteny, indrindra fa ireo tandindonim-paharinganana ao Afrika. Ny fitahirizana ireny fiteny ireny dia tena zava-dehibe tokoa, satria izy ireny dia singa tsy afaka misaraka amin'ny lova ara-kolontsaina sy ny maripamantarana.