- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tafavoaka velona tamin'ny fanafihana mitam-piadiana nahazo azy ilay Laôsiàna mpikatroka ho an'ny tontolo iainana sy pôlitika

Sokajy: Azia Atsinanana, Laos, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Tontolo_iainana, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Green Voices
Laos attack [1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsarim-piambenana, fotoana fohy talohan'ny nidiran'ilay olon-tsy fantatra (manao kaskety fotsy) nitifitra an'i Anousa ‘Jack’ Luangsouphom (mipetraka eo afovoany). Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Joseph Akaravong [2], Laôsiàna mpikatroka miaina any an-tsesitany

Nisy lehilahy tsy fantatra nanafika i Anousa “Jack” Luangsouphom,  mpikatroka, 25 taona,  ka tifitra roa no niantefa taminy ny 29 Aprily teo tao amin'ny toeram-pivarotan'ny After School Chocolate & Bar ao Vientiane, Laos.

Ho fiarovana ny ainy, nambaran'ny fianakavian'i Jack ny fodiamandriny, saingy andro vitsy taty aoriana dia notsindriany [3] fa tafavoaka velona izy ary an-dalam-pihatsaràna ankehitriny ao amin'ny hôpitaly iray. Ratra mafy eo amin'ny lela no nahazo azy, ary mbola misy bala iray tavela ao amin'ny havokavony.

Niteraka fihanahan'ny ahiahy eny anivon'ny rehetra ao Laos ilay andrana famonoana [4], noho ilay fanafihana feno fahasahiana, izay voarakitr'ireo kamerà CCTV [2]. Ireo vondrona fiarahamonim-pirenena erantany dia nanameloka ihany koa ilay fanafihana ary nangataka tamin'ireo manampahefana laôsiàna mba hampanao fanadihadiana tsy miankina [5].

Jack, monina ao amin'ny distrikan'i Chanthabouly, dia mpikatroka iray malaza ety anaty tambajotra ary mpanakiana ny governemanta. Jack dia iray tamin'ireo mpandrindra ilay vondrona Facebook efa nakatona, “Laos Drama,” [6] izay nosokafana tamin'ny Aprily 2020 ary nanana mpikambana 7.000. Ny tenifototra nampiasainy #ຖ້າການເມືອງລາວດີ (Raha mba tsara mantsy izao ny pôlitika laôsiàna), dia natosiky ny fisongan'ny  #MilkTeaAlliance [7], tambajotra iray ivondronan'ireo mpikatroka ety anaty aterineto manao fanentanana hisian'ny demaokrasia ao Azia.

Jack koa dia mpandrindra ny vondrona Facebook Kub Kluen Duay Keyboard (Ny tanjaky ny fitendry [8]), manana mpanjohy mihoatra ny 40.000. Ny tenifanevan'ilay vondrona Facebook dia ny hoe “Miady ho an'ny fahaveloman'i Laos mba tsy hahatonga antsika ho andevon'i Shina.” Lasa miteraka adihevitra be ny sasany amin'ireo tetikasan'i Shina ao Laos, toy ilay tohodrano goavambe sy ireo toby famokarana herinaratra, satria nandravarava ny tontolo iainana ary nanisàhana ireo vondrom-piarahamonin'ny tambanivohitra.

Voalaza fa i Jack koa dia mbola mpandrindra ny “Sor Tor Lor — the Republic,” [9] pejy Facebook manana mpanjohy mihoatra ny 6.800, izay miresaka ireo olana pôlitika, tontolo iainana ary sôsialy ao Laos.

Araka ny lazain'ny Radio Free Asia, ny pejy Facebook manokana fotsiny dia manana mpanjohy 10.000. Ny fanehoankeviny vao haingana dia niresaka [10] ny andraikitr'ireo manampahefana manoloana ny fiharatsian'ny fandotoana ao amin'ny firenena.

Nat, naman'i Jack sady mpiara-mikatroka aminy, nilaza tao amin'ny tranonkalam-baovaon'ny Southeast Asia Globe fa tadiavin'ireo manampahefana izay hanampenam-bava ireo mpanohitra [11]:

Mampahatahotra ny governemanta ny fikatrohana ataony, dia nokasain-dry zareo hovonoina izy.

Fehin'izany rehetra izany dia hoe tadiavin'ny governemanta ny fomba rehetra hifehezana antsika. Efa taompolo marobe, nofeheziny tamin'ny alàlan'ny fampielezankevitra sy ny tetikadin'ny horohoro isika, fa ankehitriny dia atahorany ny ho anontaniantsika momba ny zavatra ataon-dry zareo.

Emilie Palamy Pradichit, tale mpanatanteraka ao amin'ny Orina Manushya, manana ny foibeny ao Thailand, dia mino [12] fa ny tafi-panjakana no atidoha tamin'ilay fanafihana:

Nahazo mari-pamantarana mafonja izahay hoe ivelan'ny rafi-pitsarana ilay andrana ho famonoana an'i Jack, teo am-pelatànan'ireo manampahefana laôsiàna mikasa ny hampitsahatra izay rehetra hetsiky ny tanora mpandàla ny demaokrasia mba tsy hitombo avy ato anatin'ny firenena. Tsy ny basy mihitsy no ho afaka hanempotra ireo feo mpanohitra.

Tany am-piandohana, ny pôlisy dia namoaka fanambaràna iray mampifandray ilay fanafihana [13] amina fifandirana ara-pandraharahàna na adin'ny mpifankatia. Nolavin'ny Human Right Watch io filazàna io.

Faran'izay tena kidaladala tanteraka sy mampalahelo ilay fanambaràn'ny pôlisy laôsiàna momba ny raharaha Jack Anousa, tamin'ny nilazàny hoe noho ny fifandirana “ara-pitiavana’ na ‘fandraharahàna’ no anton'ilay tifitra nahazo azy. Fandraharahàna hoe?  Manao Sandwichs no asa fitadiavam-bolany & tokantena izy. Azo lazaina hoe miditra amin'ny fanarontsaronana ny marina ny governemanta ao #Laos!

https://t.co/c1vyRUPO1P [16] pic.twitter.com/gr8nHOGJ5a [17]

— Phil Robertson (@Reaproy) 6 Maey 2023

Nampahatsiahivin'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona an'ireo manampahefana laôsiàna ihany koa fa andraikitr'izy ireo [19] ny miaro ny ain'i Jack mandritra ny fiandrasany fahasitranana ao amin'ny hôpitaly.

Namoaka fanambaràna ny mpikambana iray avy amin'ny Milk Tea Alliance nanehoany ny firaisankinany amin'i Jack [20]:

Tsy hangina ny #MilkTeaAlliance raha mbola misy manitsakitsaka ny zo maha-olona ny vahoaka laôsiàna sy hoe ampanginina amin-kery ireo manandratra ny feony. Nanome hery anay ny nahita ireo mpiara-mitantsoroka maro avy ao amin'ny faritra naneho sahady ny heviny momba ilay olana ary atambatray amin'ny feon-dry zareo ny anay ho firaisankina amin'ireo namanay ao Laos.