- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ady amin'ny fanaovana an-tendro feno herisetra ao Sahel sy ao Afrika Andrefana : fanamby lehibe iray ho an'ireo mpitarika fivavahana

Sokajy: Afrika Mainty, Benin, Borkina Faso, Cote d'Ivoire, Ghana, Ginea, Ginea Ekoadaoreana, Ginea-Bisao, Mali, Maoritania, Nizera, Nizeria, Repoblikan'i Afrika Afovoany, Senegal, Sierra Leone, Tchad, Togo, Ady & Fifandirana, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Deutsche Welle. [1].

Ny fanaovana an-tendro feno herisetra any Sahel [2] sy any Afrika Andrefana dia azo hazavaina amin'ny alalan'ny famaritana maromaro toy ny tantara, ny jeografia, ny politika ary ny toe-karena ao amin'ilay faritra. Manondro foto-pampianarana tsy mifanaraka amin'ny foto-pisainany io trangan-javatra io, izay toherin'ireo mpandàla azy ny endrika rehetran'ny fahalalàna ny antonony na ny fomba hafa mifanohitra amin'ny filozofian-dry zareo.

Eny tokoa fa, taorian'ny andiana fahaleovantena maro nitranga tamin'ny taona 1960 [3] dia firenena Afrikana maro no niatrika ny fitantanana raharaham-bahoaka, ary izany dia talohan'ny nahatongavan'ny demokrasia mihitsy aza. Saingy tsy nasiam-piheverana ny hoe ny fiaraha-miaina dia hifanehatra amina karazana fanaovana an-tendro feno herisetra vitsivitsy noho ireo singa fanova sasany toy ny hamaroan'ny fivavahana sy foko misy(…). Eny tokoa, misy foko 2.000 [4] mahery ao Afrika.

Mba ho fitadidiana, afaka maka endrika maro [5] ity fanaovana an-tendro feno herisetra ity, anisan'izany endrika ara-politika, toekarena, sosialy na ara-pinoana.

Tsy resaka fivavahana fotsiny ihany ny fanaovana an-tendro feno herisetra

Ny fanaovana an-tendro feno herisetra dia voafaritra misimisy kokoa “amin'ny ffifanalaviram-pitenenana”, hoy ny fanazavan'i Michel Alopko, sekretera jeneralin'ny sehatra fifampidinihan'ireo antokom-pivavahana ao Bénin tamin'ny tafatafa iray nifanaovany tamin'ny Global Voices (GV) mikasika ny andraikitr'ireo mpitondra fivavahana amin'ny ady hanoherana ny fanaovana an-tendro feno herisetra.

Ireo vondrona isankarazany – ara-pivavahana, politika, mpiaro ny tontolo iainana, mpandala ny foko sy tanindrazana, dia mety hitarika amin'ny fanaovana an-tendro feno herisetra. Araka ny voalazan'ny profesora Jocelyn Bélanger [6], manampahaizana manokana amin'ny dingan'ny fanefena ho mpanao hiringiriny : “ny tena antony mitarika ny olona iray hiditra amina vondrona mpanao herisetra dia ny hirifiry ara-tsosialy [7]“.

Araka izany, na dia ny ideolojia aza mipoitra ao anatin'ny dingan'ny famadihana mahery setra ho lasa mpanao hiringiriny rehefa manaraka ny dingan'ny firotsahana an-tsehatra [8] ity farany. Tahaka izay nomarihin'i Bélanger, “ny fanabeazana ara-pivavahana nentim-paharazana aza dia manohitra izay voatondro [7]” ao anatin'ny dingan'ny famadihana ho mpanao hiringiriny.

Ao Sahel, maro ireo anton-javatra mety hanome vàhana ny fipongarana sy ny fihitaran'ny fanaovana an-tendro mahery setra : ny fanilikilihana ny foko sasany mihoatra ireo hafa, ny tsy fitoviana, ny fanavakavahana, ny fanaovana dika vilana ireo fitsipika ara-pivavahana, indrindra amin'izany ny finoana silamo sy ny maha-kristianina, ny fitantanana ratsy an'ireo harenam-bahoaka, ny kolikoly, ny fandàvana ny zo sy ny fahalalahana sivika, ny zara fa fisian'ny fanantenana hanana asa sy ny tsy fahampian'ny fivelomana [9].

Momba ireo antony manome vàhana ny fihitaran'ny fampihorohoroana dia naneho hevitra tamin'ny alàlan'ny bitsika iray ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana ankehitriny hoe vokatry ny anton-javatra maro izany :

” Ny asa fampihorohoroana dia manaketoka ny vahohony amin'ny alalan'ny fihazàna sy fananaraotana ny faharefoan'ireo rafitra ara-politika, ara-toekarena ary ara-piarovana”.

@antonioguterres [10] mifanampy amin'ny ady manohitra ny asa fampihorohoroana sy ho fisorohana ny fanaovana an-tendro feno herisetra. https://t.co/zwS8srnL2c [11] pic.twitter.com/Wo7KEZV61G [12]

— Nations Unies (ONU) (@ONU_fr) 29 Martsa 2023

Ato anatin'ity bitsika hafa ity, manome ny heviny mikasika ny fampifandraisana napetrany eo amin'ny fivavahana sy ny fanaovana an-tendro feno herisetra ilay mpikatroka mitondra ny anarana hoe Jeunesse Wakanda [14]

Izay nanan-kery tamin'ny volana Aogositra 2018 tao anatin'ireo sary ireo dia mbola mitoetra hatrany ankehitriny. Fomba fihevitra vao nalatsaka tao amintsika ny fanaovana an-tendro feno herisetra satria ny fivavahana ao Afrika dia tia filaminana. pic.twitter.com/xzHvpq3REr [15]

— Jeunesse Wakanda #Afrique #Soutien 💝🌍💪🏼 💖(@JeunesseWakanda) 15 Jona 2020

Araka ny voalazan'i Ban Ki-moon [17], Sekretera Jeneraly fahiny tao amin'ny Firenena Mikambana, dia tsy tombontsoan'ny fivavahana manokana ny fanaovana an-tendro feno herisetra :

Tsy tombontsoa manokan'ny fivavahana ny fanaovana an-tendro feno herisetra, araka ny voalazan'i Ban Ki-moon [17]

https://t.co/STba6i1Ehv [18] pic.twitter.com/tcX51Gdzxe [19]

— Nations Unies (ONU) (@ONU_fr) 10 Aprily 2016

Ny fivavahana ampiasaina ho fitaovana hanoherana ny fanaovana an-tendro feno herisetra

Mifamatotra lalina amin'ny ara-pivavahana ny ankabeazan'ireo fiarahamonina Afrikana. Raha ny mikasika an'i Sahel sy Afrika andrefana, resin'ny finoana miozolmàna ny kristianisma  [21]ao anatin’ ireo mponina vinavinaina ho maherin'ny 920 tapitrisa tamin'ny tapaky ny taona 2014 [22]. Raha ny fifamatorana mivantana eo amin'ireo mpino sy ireo tomponandraikitra ara-pivavahana no jerena dia zava-dehibe ny anasongadinana ny tena anjara andraikitra goavan'iretsy farany ao anatin'ny fisorohana ny herisetra mahery vaika, eo amin'ny lafiny fiarovana ny sivily sy ny fampihavanana [23], hoy ny hevitr'i Anne Gueguen, solontena maharitra Frantsay fahiny teo anivon'ny Firenena Mikambana tao anatin'ny lahateniny nandritra ny fivorian'ny Filankevi-Piarovana ao amin'ny Firenena Mikambana, manaraka ilay raikipohy Arria tamin'ny 24 Aprily 2018.

Araka ny Rakibolan'ny Firenena Mikambana [24], “ny raikipohy Arria” dia fepetra iray ahafahan'ireo mpikambana ao amin'ny Filankevi-Pilaminana hihaino, mandritra ireo fifampiresahana tsy manara-drafitra ivelan'ny efitranony, an'ireo olona izay manana fahaizamanao toa mety hanazava ny Filankevitra amin'ireo raharaha manahirana azy.

Tany anatin'ireo media an'ny Jeune Afrique, “ny fivavahana, amin'ny ankapobeny, dia manana anjara toerana sy fitaomana mangina eny anivon'ireo vondron'olona [21]” hoy Moussa Mara Praiminisitra taloha tao Mali, filohan'ny antoko Yelem, teo amin'ny tsanganana iray mikasika ny anjara toeran'ny Silamo ao Afrika. Ary koa, noho ny fitomboan'ny teoria amin'ny fivavahana, indrindra ny finoana silamo, ho toy ny singa mandray anjara anatin'ireo ezaka an'ady ataon'ireo mpampihorohoro, dia tsy azo tsinontsinoavina ny anjara asan'ireo mpitarika ara-pivavahana ao anatin'ny ady hanoherana ny fanaovana an-tendro feno herisetra.

Voalohany, ireo mpitarika fivavahana dia misitraka ny maha-akaiky an-dry zareo an'ireo mpisehatra rehetra ao amin'ny fiarahamonim-pirenena. Faharoa, “zava-dehibe ny anjara toeran'ireo mpitarika fivavahana ao anatin'ny fitantanana fiarahamonina [25]” hoy ny fanazavan'i Bakary Sambe, talem-paritry ny Timbuktu Institute [26], mpandini-draharaha maliàna.

Noho izany, toa sahala amin'ny zava-dehibe ihany koa fa ankoatra ny Fanjakana, izay manana andraikitra voalohany amin'ny fiarovana ny vahoaka, ireo mpitarika fivavahana dia azo heverina ho sahala amin'ny “mpiara-miasa matanjaka amin'ny fisorohana ny heloka bevava feno habibiana sy ny fandrisihana azy ireny [27]” hoy ny fivakiny tao anatin'ny drafitrasan'ireo Tomponandraikitra sy mpisehatra ara-pivavahana ao amin'ny Firenena Mikambana.

Araka izay tondroin'ny rantsana isam-paritra ho fisorohana sy ny ady manohitra ny fanaovana an-tendro feno herisetra teo amin'ny kaontiny Twitter CellRad [28] :

#CellRadSmartIdea [29] Eo amin'ny lafiny ady hanoherana ny fanaovana an-tendro feno herisetra, tokony ho toy ny vahaolana no hijerena ny fivavahana fa tsy ho olana.

@G5_Sahel_SE [30] @MISAHELOFFICIEL [31] @Thinkpeacesahel [32] #Sahel [33] #PVE [34] #radicalisation [35] #paix [36]

– CellRad (@CellRadG5Sahel) 31 Desambra 2021

Ny anjara toeran'ireo mpitarika fivavahana amin'ny fisorohana sy ny ady atao amin'ny fihetsika mahery setra dia mandalo amin'ny fifanakalozan-kevitra, ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana any anivon'ireo antokom-pivavahana samihafa misy azy. Raha tsorina dia iraka hanabe no asan'izy ireo. Ary ny “fampidirana ny soatoavin'ny fandeferana sy ny tsy fanaovana hery setra, ny fifanekena sy ny fifanajana, ary amin'ny alalan'ny fanaovana hetsika mba hampitoniana ny fifanolanana eo amin'ny samy vondrom-piarahamonina [27]” hoy ny fanamafisan'ny drafitrasan'ireo Tompon'andraikitra sy mpisehatra ara-pivavahana ao amin'ny Firenena Mikambana.

Mba ho famporisihana ireo mpitondra fivavahana amin'ny anjara toerany amin'ny maha-mpisehatra miasa ho amin'ny fandriampahalemana sy ny firaisankina ara-tsosialy azy ireo, namboraka ny heviny teo amin'ny tranonkala Bénin Intelligent [38] i Michel Alokpo,  sekretera jeneralin'ny rafitra fifampidinihan'ireo antokom-pinoana ao Bénin, hoe :

Raha nanana onjam-peo sy fahitalavitra azy manokana ny fiangonana, dia tokony handefa ny hafatry ny fandriampahalemana ao amin'ireto farany isika. Afaka miasa ihany koa isika amin'ny fananganana fiarahamientana eo amin'ireo antokom-pivavahana samihafa. Ary ny Fanjakana dia tokony hanampy antsika ao anatin'io fampitàna ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana io.

Hita ihany koa ao anatin'ny fitànana an-tsoratra ny fehin-kevitry ny Fihaonana Lehibe “Grand Rendez-vous 2023″ ity hafatra ity, mikasika ny fanaovana an-tendro feno herisetra ao Afrika Andrefana sy Afovoany [39], izay voalaza ao anatin'ity bitsika manaraka [40] ity :

🚨 [Fitànana an-tsoratra ireo fehinkevitra – Grand Rendez-vous 2023
Fisorohana ny fihetsika mahery setra ao Afrika Andrefana sy Afovoany : zava-misy sy fomba fijery] – #Dakar [41] #Sénégal [42]

Teboka vitsivitsy manan-danja hotadidiana avy  amin'ny fitànana an-tsoratra ireo fehin-kevitra ✍🏽 :

👉🏽Pejy faha-2 (Teboka faha-6)

💬 « La… pic.twitter.com/BLtv4QpKA9 [43]

— Birane Hane (@BiraneHane) 28 Martsa 2023

Araka izay lazain'ity lahatsoratra an'ny gazety Reflets [39] ity dia mbola mampanahy ny toe-draharaha :

Tao anatin'ny fehinkevitr'izy ireo dia niombon-dry zareo hevitra ny momba ny tsikaritra ankapobeny, hoe ny fanaovana an-tendro feno herisetra sy ny fisehony isan-karazany dia mihitatra sy mbola misy voka-dratsy ho an'ireo Firenena ao Afrika Andrefana, Sahel ary Afrika Afovoany. Hatramin'ny 2015  nanombohan'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, M. Antonio Guterres, ny drafitrasa iraisam-pirenena ho Fisorohana ny fanaovana an-tendro feno herisetra (PEV), ary na eo aza ireo ezaka nataon'ny tafika sy ireo mpiahy fandriampahalemana, dia tsy nihena ireny herisetra ireny.