- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana 14 Mey : Adim-pisiana ho an'ny ankamaroan'ny vehivavy mpifidy ao Torkia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

Saripikan'i Emir Eğricesu [1]. Azo ampiasaina malalaka araka ny Unsplash License [2].

Tao amin'ny tatitra [3] iray navoakan'ny European Stability Initiative, vondrom-pihevi-draharaha iray, tamin'ny taona 2007, noderaina ny Antokon'ny Rariny sy Fampandrosoana (AKP) eo amin'ny fitondrana ao Torkia noho ny fitondrana fanavaozana mba hanomezana hery ny vehivavy hatramin'ny nahatongavany teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 2002. “Raha nosoratana tamin'ny taona 1999, taona nahazoan'i Tiorkia ny sata ho mpirotsaka ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana izany tatitra izany dia mety ho fijery matroka lalina dia lalina. Na izany aza, tamin'ny nanoratana azy tamin'ny taona 2007, niova tanteraka ny fomba fijery,” hoy ny nosoratan'ireo mpanoratra ny tatitra. Tamin'ny fanonona ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana Tiorka, fehezan-dalàna sivily vaovao, fanavaozana ny lalàna momba ny asa, ny fametrahana ny fitsarana momba ny fianakaviana, ary ny fehezan-dalàna famaizana nohavaozina, nandresy lahatra ireo mpanoratra ireo fa nitondra “fiovana feno amin'ny sata ara-pitsaran'ny vehivavy” ireo fanavaozana ireo ary “fanavaozana mahery vaika indrindra hatramin'ny fotoana nanafoanana ny fananana vady maro tamin'ny taompolo 1920″. Io tatitry ny taona 2007 io dia hafa tanteraka amin'ny tontolon'ny miralenta ao Torkia taona 2023 [4]. Ary amin'ny fiatrehana ny fifidianana ankapobeny ao Torkia amin'ny 14 Mey [5] sy ny fitomboan'ny fisaraham-bazana ara-politika [6], be dia be ny fatiantoky ny vehivavy raha mbola eo amin'ny fitondrana ny AKP.

Nandray fepetra mampiady hevitra maro mamely ny miralenta ny AKP tato anatin'ny taona vitsivitsy. Nanolotra volavolan-dalàna [7] ny antoko eo amin'ny fitondrana hametra ny zon'ny fanalan-jaza, ny pilina maraina-aoriana, ary ny fandidiana amin'ny fiterahana. Ny filohan'ny AKP Erdoğan tenany mihitsy indray mandeha no nanoro hevitra fa tsy afaka ny hitovy amin'ny lehilahy ny vehivavy [8] [mg], fa tsy maintsy reny ny vehivavy, ary tokony hanana zanaka telo farafahakeliny ny fianakaviana. Tamin'ny taona 2012 i Erdoğan fony praiminisitra no nampitovy [9] ny fanalan-jaza amin'ny famonoana olona.

Ary na dia mbola ara-dalàna aza ny fampitsaharana fitondrana vohoka any Torkia hatramin'ny herinandro faha-10 sy hatramin'ny (herinandro) faha-20 raha misy fanahiana ara-pahasalamana, dia nanjary tsy azo atao [10] ny mitady hopitaly hanao paikasa. Tamin'ny taona 2014, niampanga ireo feminista ho tsy mahatakatra ny maha-reny i Erdoğan. Nandritra ny firesahany tamin'ny fihaonambe tany Istanbul no voalaza [11] izy fa niteny hoe: “Misy ny olona mahatakatra izany, fa misy ny tsy mahatakatra. Tsy afaka manazava izany amin'ny feminista ianao satria tsy manaiky ny foto-kevitry ny maha-reny ry zareo. ” Nilaza ihany koa izy fa “mifanohitra amin'ny maha-olombelona [12]” ny miralenta ary “tsy tomombana [13]” ny vehivavy miasa. Vao haingana indrindra, tamin'ny Janoary 2023, ny sampan-draharaham-panjakana ao Torkia misahana ny fivavahana, izay efa namely ny vehivavy taloha, no nilaza [14] [mg] fa tsy afaka mandeha dia lavitra irery ny vehivavy.

Fiombonana mampiahiahy

Ao anatin'ny fanomanana ny fifidianana, nanao fifanarahana tamin'ireo antoko maro mitady handrava ny zon'ny vehivavy ao amin'ny firenena ny AKP sy ny mpitarika azy, anisan'izany ny fanafoanana [15] ny Lalàna 6284, izay miaro ny vehivavy amin'ny herisetra an-tokantrano. Ranga amin'ilay fiombonana, nilaza [16] i Selahattin Demirtaş mpiara-mitarika ny Antoko Demaokratikam-Bahoaka prô-Kiorda (HDP) teo aloha, tao amin'ny lahatsoratra nosoratana avy any am-ponja fa raha ny fiaraha-mitantana, izay nofaritany ho “elatra havanana indrindra sy mpamaly bontana be indrindra teo amin'ny tantara ara-politikan'i Tiorkia” no mandresy, dia azo inoana fa ity no fifidianana farany ahafahan'ny vehivavy mifidy “satria hamoritra ny tanan'akanjony ny fiombonana Taliban hisoloky ny zon'ny vehivavy.”

Na dia ireo vehivavy mpikambana ao amin'ny AKP aza dia nanohitra ny fanafoanana ny Lalàna 6284. Tao amin'ny sioka [17] iray i Derya Yanık, Minisitry ny Fianakaviana sy ny Servisy Sosialy nilaza hoe: “Ny Lalàna Lah. 6284 no iray amin'ireo fitsipika ara-pitsarana lehibe indrindra izay nokarakaraintsika (AKP) hiadiana amin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy.” Nanatevin-daharana [15] an'i Yanık i Özlem Zengin, filoha lefitry ny vondrona parlemantera izay niaro ny Lalàna 6284 ihany koa. Samy lasibatra [18] tamin'ny fanambaràna nataony ho fanohanana ny lalàna ireo vehivavy roa ireo ary nailiky ny ankamaroan'ny mpikambana ao amin'ny antokony. Tamin'ny antsafa [19] iray nifanaovana tamin'ny A-Haber mpomba ny governemanta, nilaza [19] i Zengin fa lasa tsy azo atao ny miresaka momba ny olan'ny vehivavy eo amin'ireo mpikambana ao amin'ny antoko. “Nahazo hafatra fandrahonana an-jatony aho tamin'ny findaiko,” hoy i Zengin.

Araka [20] ny voalazan'i Anit Sayac (teny tiorka manondro ny “mpitsongodia tsangambato”), sehatra iray mirakitra ireo trangan-kerisetra atao amin'ny vehivavy, vehivavy 397 no maty vokatry ny herisetra tamin'ny taona 2022.

Mba hiadiana amin'ireo politika mihemotra ireo, dia niforona ny vondrona mpanohitra, fantatra amin'ny anarana hoe Table of Six [21], mba hanohitra ny fitondrana amin'ny fifidianana ho avy.

Anisan'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona fiaraha-mitantana ny antoko Demaokrasia sy Fandrosoana (DEVA) afovoany havanana, tarihin'ilay mpikambana taloha tao amin'ny governemanta AKP tao Torkia, Ali Babacan. Nampanantena ny hanolo-tena hamerina indray ny Dinan'Istanbul izay nivoahan'i Torkia tamin'ny taona 2021 [22] ny antokony, ary hiady amin'ny fanambadiana aloha loatra [23] sy ny fanararaotana zaza tsy ampy taona, izay samy olana lehibe ao Torkia.

Na dia tsy ao anatin'ny fiaraha-mitantana ofisialy aza ny Antokon'ny Mpiasa ao Torkia (TIP), dia naneho ny fanohanany ny mpitarika ny vondrona mpanohitra sy ny kandidà ho filoham-pirenena Kemal Kılıçdaroğlu, ary niantoka [24] ho feon'ny vehivavy sy ny LGBTQ+ [25].

Kılıçdaroğlu tenany mihitsy no nanambara ireo fanaovan-dalàna folo [26] kasain'ny fiaraha-mitantana hampiharina aorian'ny fandreseny hanavotana ny vehivavy ao Torkia, ao anatin'izany ny firosoana ho amin'ny fitovian'hirika amin'ny fahazoana asa, ny fanalana ireo sakana ho an'ny vehivavy mpandraharaha, ny fanamafisana ny tombontsoa ara-tsosialy ho an'ny vehivavy mpikarakara tokantrano, ny fampitomboan'isa ny akanin-jaza, sy ny maro hafa.

Rahoviana ny leo vao tena leo?

Tsy nisy tsy nahamarika ny fihemoran'ny mpitarika ny AKP momba ny zon'ny vehivavy. Niantsafa [27] vehivavy maromaro tao amin'ny faritanin'i Kocaeli ny gazety Tiorka Evrensel, izay nizaran'ny vehivavy maro ny ahiahiny amin'ny hoavy. “Tsy te hanahy momba ny hoavin'ny zanako aho,” hoy i Nazli. Nandritra izany fotoana izany, nilaza i Sevda fa miahiahy momba ny hoavin'ny zanany vavy koa izy. “Mitaiza zanakavavy aho. Hianatra eny amin'ny oniversite izy rahatrizay. Mazava ho azy fa tsy ho voaro izy raha ireo mpitondra ankehitriny ireo no mbola hitondra. Izany no antony itadiavako governemanta izay hilaminan'ny zanako vavy,” hoy i Sevda. “Iza no mahalala izay hataon'izy ireo rehefa voafidy miaraka indray ireo [antoko] eo anilany? Mety hilaza avokoa izy ireo fa tokony hijanona ao an-trano ny vehivavy,” hoy i Gül, renim-pianakaviana manan-janaka roa.

Hita taratra [28] ihany koa ao amin'ny tatitra Tondro Manerantany amin'ny Hantsana eo amin'ny Lahy sy ny Vavy navoakan'ny World Economic Forum izany fihemorana izany. Araka ny tatitra farany navoakan'ny Forum tamin'ny taona 2022, dia laharana [29] faha-124 amin'ireo firenena 146 nanaovana fikarohana i Torkia. Ary na dia niezaka aza ny firenena nanomboka tamin'ny taona 2021, nitana ny laharana faha-133, dia nisy ny fijotso ankapobeny nanomboka tamin'ny taona 2006, rehefa nitana ny laharana faha-105 i Torkia.

Nisy ihany koa ny olan'ny vehivavy ho kandidà politika amin’ny fifidianana hoavy. Tamin'ny antsafa [30] nifanaovana tamin'i Euractiv, nolazain'i Nuray Karaoğlu, izay nitarika ny Fikambanana Tiorka manohana ny filatsahan'ny vehivavy hofidiana (KA.DER [31]), fa mahatonga ny politika tsy ho azo antoka ho an'ny vehivavy ny fihetsika fanavakavahana ataon'ny lehilahy ao anatin'ny sehatra politika. Araka [32] ny angon-drakitra tamin'ny taona 2021 nataon'ny Veri Kaynagi, iray amin'ireo sehatra fitsirihana ny zava-misy ao Torkia, latsaky ny 30 ny isanjaton'ny vehivavy kandidà fifidianana natao tamin'ny taona 2015, 2016, ary tamin'ny taona 2018. Tamin'ity taona ity, rehefa nanolotra ny lisitry ny kandidà ny antoko 26, dia toa tsy hita izay fihatsaràny, manomboka [33] amin'ny 19 isanjaton'ny vehivavy kandidà avy amin'ny AKP ka hatramin'ny 40,5 isanjato avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa (TİP). Notsikerain'ireo feminista mpikatroka ny isa, izay mitoetra ho vitsy na dia teo aza ny ezaka ataon'ny vondrona toa ny KA.DER na ny Ben Seçerim [34] (safidiko) hahamaro ny kandidà vehivavy.

Na dia eo aza izany fahavitsian'ny kandidà izany, dia ny vehivavy no nitana andraikitra lehibe tamin'ny fahatongavan'ny AKP ho eo amin'ny fitondrana, ary ny vehivavy no handray anjara lehibe amin'ny fanesorana ny antoko, hoy i Murat Yetkin, mpanao gazety efa za-draharaha tao amin'ny matoandahatsorany [35]. “Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana ny AKP tamin'ny Novambra 2002, efa ho 55 isanjato, mihoatra ny antsasaky ny vato azony, no avy amin'ny vehivavy,” hoy i Yetkin nanoratra. Saingy nahatsapa tsikelikely ireo vehivavy ireo fa tsy mpitarika karismatika araka ny noheverin-dry zareo i Erdoğan,” hoy i Yetkin.

Raha tsapan'ireo vehivavy mpifidy maherin'ny 30 tapitrisa ireo fa hisy fiantraikany be [36] ny hoavin'izy ireo raha mijanona eo amin'ny fitondrana ny antoko eo amin'ny fitondrana dia ho fantatra izany amin'ny 14 may.