
Hetsi-panoherana manohitra ny Filoha Gotabaya Rajapaksa akaikin'ny Sekreteram-panjakana (2022). Sary tao amin'ny Wikimedia Commons avy amin'ny AntanO. CC BY-SA 4.0.
Namoaka ny Lalàna vaovao miady amin'ny fampihorohoroana (ATA) i Sri Lanka ny 22 martsa 2023, izay kasaina haroso ao amin'ny parlemanta tamin'ny 25 aprily 2023. Nitombo hatrany anefa ny tsy fitovian-kevitra tao Sri Lanka manoloana ity lalàna natolotra ity, izay natao hanoloana ny lalàna momba ny Fisorohana ny Fampihorohoroana (PTA) efa misy sy ny volavolan-dalàna miaraka aminy.
Milaza ny manam-pahaizana fa tsy voafaritra mazava ny atao hoe fampihorohoroana ao anatin’ilay lalàna vaovao ary ahitana fandikan-dalàna marobe izay efa resahana ao amin’ny lalàna momba ny heloka bevava efa misy ao anatin’io. Fanampin'izany, manome fahefana tsy voafaritra ho an’ny mpitandro ny filaminana hihazona olona tsy misy didy fampisamborana ny lalàna ary manome fahefana feno ho an'ny Filoha, polisy ary miaramila handràra amin’ny fomba jadona ny famorim-bahoaka sy ny fikambanana tsy misy fanaraha-maso ara-pitsarana.
Milaza ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona sasany fa natao hanakanana ny mpitsikera sy ny fihetsiketsehana ny lalàna:
The timing of the introduction of the ATA is worrisome as the #government has been using physical force and misusing existing #antiterrorismlaws to #suppress political opposition and limit citizens’ #rightstoprotest and assemble. This is a serious concern for #humanrights. pic.twitter.com/7ev57TdtCl
— CPA Sri Lanka (@CPASL) April 7, 2023
Mampanahy ny fotoana nampidirana ny ATA satria nanao fampiasan-keery ny #governemanta ary nanararaotra ny #lalàna manohitra ny fampihorohoroana efa misy hanafoanana ny fanoherana ara-politika ary hamerana ny zon’ny olom-pirenena hanao fihetsiketsehaba sy hivory. Mampanahy indrindra izany ho an’ny zon’olombelona.
Araka ny Human Rights Watch, mamela ny fanitsakitsahana ny zo, manakana ny fanoherana am-pilaminana, ary ny mikendry ireo vondrona vitsy an'isa ny volavolan-dalàna.
Lalàna henjana kokoa noho ny lalàna teo aloha
Napetraka hanoloana ny Lalàna fisorohana ny fampihorohoroana ny lalàna natolotra, izay nolaniana tamin'ny taona 1978 ary nampiasaina hitazonana sy hampijaliana ireo vondrom-piarahamonina vitsy an'isa, indrindra fa ny Tamils sy ny Miozolomana. Manodidina ny 75 isan-jaton'ny mponina ao amin'ny firenena ny Sinhalese, izay Bodista ny ankamaroany. Misy lalàna manavakavaka atao amin’ireo vitsy an'isa hafa, toy ny Tamils (manodidina ny 15 isan-jato) sy ny Miozolomana (manodidina ny 10%). Nampiasaina ihany koa ny lalàna teo aloha ho fitaovana hanakanana ny fikomiana Tamil nandritra ny ady an-trano tao Sri Lanka izay nitranga tamin'ny taona 1983-2009.
Namoaka andiam-panehoan-kevitra iray manazava ny fomba mety hanamora ny fitondrana tsirefesimandidy amin’ny alalan’ilay lalàna naroso i Gehan Gunatilleke, mpisolovava.
A thread on the new Anti-Terrorism Bill in #lka.
There are two forms of authoritarianism.
The first is the explicit, overt, aggressive form witnessed throughout SL's post-independence history. This form of authoritarianism defined politics in the 1980s, 90s and 2000s.
1/— Gehan Gunatilleke (@GehanDG) April 4, 2023
Andiam-panehoan-kevitra momba ny volavolan-dalàna vaovao miady amin'ny fampihorohoroana ao #lka.
Misy endrika roa ny fitondrana tsirefesimandidy.
Ilay miharihary ny voalohany, amin’ny endrika manararaotra sy mahery vaika hita nandritra ny tantaran'ny SL taorian'ny fahaleovantena. Namaritra ny politika tamin'ny taona 1980, 90 ary 2000 io endriky ny fitondrana tsirefesimandidy io.
1/
Tamin'ny taona 2018 no nampidirina voalohany io lalàna vaovao io fony ny filoha ankehitriny Ranil Wickremesinghe no praiminisitra, saingy tsy navoaka ho lalàna izany noho ny tahotra miely patrana momba ny mety ho fiantraikany amin'ny zon'olombelona sy ny demokrasia.
Milaza ilay mpanabe Kalana Senaratne ao amin'ny tranokalan'ny fanaovan-gazetin’olom-pirenena Groundviews fa misy fepetra sasany ao amin'ilay lalàna vaovao no manasokajy ny fihetsiketsehana ara-politika sy ny korontana ho fampihorohoroana.
Milaza i Ermiza Tegal, mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, tao aminy lahatsorany ho an'ny Groundviews, fa mety ho fitaovana tonga lafatra hanampiana ny governemanta hanakanana ny mpanohitra, ny hetsi-panoherana ataon'ny olom-pirenena, ary ny fanoherana ara-politika ireo lalàna vaovao ireo ary ahafahan'ny fanjakana handray fepetra goavana amin'ny hetsika tsy fankatoavana sivily.
Amin'ny matoandahatsoratra hafa navoaka tao amin'ny Daily FT, nampitandrina i Ameer Ali fa mety hampitsahatra ny fihetsiketsehana tahaka ny Aragalaya (Tolona) ilay lalàna naroso, izay hetsi-panoherana faobe nanoherana ny governemanta tao Sri Lanka nandritra ny volana Martsa–Aogositra 2022 ka nitarika ho amin'ny fianjeran'ny fitondrana Rajapaksa. Nohamafisin'i Ali ihany koa fa rehefa tsy avela ny làlana am-pilaminana ho an'ny fanovana, dia tsy azo hiodivirana fa hitarika ho amin'ny herisetra izany.
Read our special coverage: Sri Lanka in crisis
Vakio ny fitantaranay manokana: Sri Lanka ao anaty krizy
Manoloana ny fanakianana goavana, nanambara ny minisitry ny Fitsarana Wijeyadasa Rajapakshe fa hiditra amin'ny fandinihana nataon'ny Fitsarana Tampony momba ny volavolan-dalàna miady amin'ny fampihorohoroana (ATA) ny governemanta, na dia misy vondrona samihafa aza mitaky ny fanafoanana ilay lalàna vaovao.
Niditra tao amin'ny Twitter i Thyagi Ruwanpathirana, mpikatroka, nanasongadina ny hetsi-panoherana nataon'ny antoko mpanohitra Sri Lankan Podujana Peramuna (SLPP):
We are firmly of the opinion that there should be some limitations when defining terrorism in this bill. If the act allows for any action to be interpreted as an act of terrorism, it would not be suitable for a democratic society – SLPP on the ATA https://t.co/tFFffuSqHF
— Thyagi Ruwanpathirana (@ThyagiR) April 13, 2023
Heverinay fa tokony hisy fetrany ny famaritana ny fampihorohoroana ao amin'ity volavolan-dalàna ity. Raha mamela ny hetsika rehetra ho raisina ho fampihorohoroana ilay lalàna, dia tsy mety ho an’ny fiarahamonina demokratika izany – SLPP manoloana ny ATA
Naneho ny ahiahiny ny kardinaly Malcolm Ranjith avy any Colombo milaza fa ny lalàna vaovao miady amin'ny fampihorohoroana dia natao hanakanana ny mpitsikera sy hanafoanana ny hetsi-panoherana ataon'ny olona.
Nisioka i Bhavani Fonseka, mpisolovava ho an’ny zon'olombelona, hoe:
Increasing opposition to the #ATA with over 450 individuals/orgs call for the immediate withdrawal of the ATA
Anti-Terrorism Act, that is to replace the PTA, is an even more serious threat to democracy https://t.co/p0PT4lygAn #SriLanka @EmDeeS11
— Bhavani Fonseka (@bfonseka) April 11, 2023
Mitombo ny fanoherana ny #ATA ahitana olona/fikambanana miisa 450 mahery mitaky ny fanalana tsy misy hatak'andro ny ATA
Vao mainka loza mitatao ho an'ny demokrasia ny Lalàna miady amin'ny Fampihorohoroana, izay hanoloana ny PTA
Mizara ny sasany amin'ireo sariitatra mampiseho ilay lalàna ihany koa i Fonseka:
Cartoons best capture the reality of the #ATA #RepealPTA #NotoATA #SriLanka pic.twitter.com/epC7UuCjpS
— Bhavani Fonseka (@bfonseka) April 10, 2023
Sariitatra tsara indrindra mampiseho ny zava-misy momba ny #ATA