- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpihira nahazo sazy an-tranomaizina henjana noho ny fandoroana ny biraon'ny miaramila ao Rosia

Sokajy: Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Pikantsarin'ny lahatsarin'ny YouTube an'ny iray amin'ireo fampisehoana nataon'ny Room32 avy amin'ny fantsona YouTube-ny [1]

Mpiangaly mozika roa avy any amin’ny faritra Chelyabinsk [2] no voaheloka higadra 19 taona an-tranomaizina, vokatry ny raharaham-pitsarana nandoroana birao fisoratana anarana miaramila. Nilaza ihany koa [3] ny fampahalalam-baovao Rosiana fa mpamonjy voina sy mpiasan'ny Rosgvardiya teo aloha (tafika manokana natsangana hiatrika ny hetsi-panoherana am-pilaminana) izy ireo.

Antsoina hoe “tsy misy ho ariana” ilay hira, avy amin'ny fantsona YouTube [4] an'ny tarika

Nanoratra ny Solidarity Zone [5], fantsona Telegram hetsika manohitra ny ady omaly fa “nanameloka ireo mpiangaly mozika roa avy amin'ny tarika rock ‘Room 32′, Alexey Nuriev sy Roman Nasryev, higadra 19 taona an-tranomaizina noho ny raharaha fandoroana tranom-panjakana tao an-tanànan’i Bakal [faritra Chelyabinsk [2]], toerana nisy ny biraon’ny fisoratana anarana miaramila ny Fitsarana Miaramila ao amin'ny Distrika afovoan'i Yekaterinburg [6] (tanàna lehibe iray hafa akaikin'i Chelyabinsk)”.

Tany am-piandohana, dia tanindrazan'ireo mpiangaly mozika rock marobe mpisinta-kevitra [7] ny klioban'ny rock Urals (faritra misy an'i Chelyabinsk). Nantsoina hoe “Klioba Rock an'i Sverdlovsk” (anarana taloha an'i Yekaterinburg) na “Urals Rock Club”. Tamin'ny faramparan'ny taona 80 sy ny fiandohan'ny taona 90, ireo no tarika nanohana ny fanovana nentin'ny hetsika Perestroika [8] sy ny taona nanaraka. Nanakiana ny fitondrana Sovietika izy ireo ary nalaza teo amin'ny vahoaka nanohitra izany ny hiran'izy ireo. Ahitana ny tarika post-punk Nautilus Pompilius [9] sy Agatha [10]ohatra ny sasany amin'ireo.

Nautilus Pompilius mihira mivantana ny iray amin'ireo hiran'ny hetsi-panoherana malaza indrindra, “Chained by one chain [11]“. Milaza ny iray amin'ireo fanehoan-kevitra ao ambanin'ilay lahatsary, nosoratana tamin'ity taona ity fa mbola maneho ny zava-misy any Rosia ilay hira 30 taona taorian'ny nivoahany. Ny iray hafa manampy fa ny teny ao amin'ilay hira, — “ny mahantra mivavaka hatrany mba ho azo antoka ny fahantrany” — dia mikasika ny olona ao Rosia ankehitriny. Nosoratan'i Iliya Kormiltsev [12], poeta avy any Yekaterinburg izay maty noho ny homamiadana tamin'ny taona 2007 ny tononkira.

Mampalahelo fa ankehitriny, ny lehiben'ny Nautilus, Vyacheslav Butusov [13], ary iray amin'ireo mpanorina ny Agatha Christie, Vadim Samoylov [14], no manohana am-bava [15] ny governemanta Rosiana sy ny “ hetsiny manokana [16]” – ny fananiham-bohitra Rosiana an'i Okraina.

Raha toa ka manohana na mijanona mangina [17]momba ny ady koa ireo mpiangaly mozika sasany avy amin'ny “taranaka antitra” ao amin'ny Klioban'ny Rock Urals, manohitra kosa tanora mpiangaly mozika avy ao Urals.

Ankoatra ireo mpikambana ao amin'ny Room 32, nanohitra an-karihary ny ady sy ny fitondrana ilay mpihira Monetochka [18] avy any Yekaterinburg ; tsy maintsy nandao an'i Rosia izy tamin'ny lohataona 2022.

Antsoina hoe “Ho tafavoaka velona amin'ity aho”  ny hiran'i Monetochka tamin'ny seho mivantana tany Varsovia tamin'ny Mey 2022 [19] ary manana odidina mazava manohitra ny ady.

Araka ny voalazan'ny Solidarity Zone [5], ny sazy ho an'ireo mpikambana ao amin'ny tarika Room 32 no sazy faran'izay masiaka indrindra amin'ny heloka fandoroana ho fanoherana ny ady ao Okraina. Nanoratra izy ireo, talohan'ny nivoahan'ny didim-pitsarana hoe:

It is possible that such an unreasonably cruel sentence [for a minor arson with no consequences] was handed down due to the fact that the defendants in the case originated from a “conditionally loyal” circles; Alexey Nuriev was an employee of the Ministry of Emergency Situations, and Roman Nasryev used to work as a driver in a guard squadron belonging to the Rosgvardiya.

Azo inoana fa navoaka ny sazy feno habibiana tsy ara-drariny toy izany [ho an'ny heloka fandoroana madinidinika tsy nisy vokany] noho ny zava-misy fa avy amin'ny faribolana “tsy mivadika araham-pepetra” ireo voampanga tamin'ny raharaha; Alexey Nuriev dia mpiasa tao amin'ny Minisiteran'ny Raharaha Vonjy taitra, ary i Roman Nasryev kosa dia mpamily tao amin'ny ekipa mpiambina an'ny Rosgvardiya.

Voaheloka araka ny andininy momba ny fanaovana hetsika fampihorohoroana ataon'ny vondron'olona tamin'ny fifanarahana mialoha ireo mpiangaly mozika ireo (andiam-pehezanteny “A”, fizarana 2, Andininy faha-205 ao amin'ny Fehezandalàna momba ny heloka bevava ao amin'ny Federasiona Rosiana) sy amin'ny fampiofanana asa fampihorohoroana (Andininy 205.3) amin'ny Fehezan-dalana momba ny heloka bevava).

Tsy maintsy higadra efa-taona an-tranomaizina i Nuriyev sy Nasryev, araka ny voalazan'ny didim-pitsarana navoakan'izy ireo, ary ao amin'ny faritra misy fiarovana avo lenta ny sazy sisa tavela. Nanome fahafaham-po tanteraka ny fangatahan’ny fampanoavana ny fitsarana tamin’ity sazy ity.

Araka ny voalazan'ny fitsarana, tamin'ny volana Oktobra 2022, nanipy cocktail Molotov teo am-baravarakelin'ny Lapan'ny Tanànan'i Bakal, izay nisy ny Biraon'ny Fisoratana anarana Miaramila i Nuriev sy Nasryev. Na izany aza, nanamarika ny Solidarity Zone fa ny gorodona linoleôma (karazana karipetra) tao amin'ny efitrano iray ihany no nirehitra. Novonoin'ny mpiambina niasa ny afo.

Notazonina ora vitsivitsy taorian'ny fandoroana ireo mpiangaly mozika ary tsy ela dia nalefa tany amin'ny tobim-ponja vonjimaika, hoy ny nosoratan'ny [3] OVD-Info. Tany am-boalohany,  dia voampanga ho ninia nandrava sy fanimbana fananana i Nuriev sy Nasryev (Andininy faha-167 ao amin'ny Fehezandalàna Famaizana ao amin'ny Federasiona Rosiana), saingy avy eo dia naverina nosokajiana tao anatin'ny andininy iray lehibe kokoa ilay raharaha.

Tsy nolavin’ny voampanga ny fisian’ny fandorana. Indrindra indrindra, nilaza i Nasryev fa nanao izany hetsika izany izy ho fanoherana ny hetsika nambara tany Rosia sy ny ady tany Okraina. Tetsy andanin’izay dia nolavin’ireo voampanga ny fiampangana araka ny andininy momba ny fampihorohoroana.

Taorian'ny fipoahan'ny ady feno tamin'i Okraina, dia nisy onjam-panafihana nandoro [3]biraom-pandraisana ho miaramila sy ny tranom-panjakana hafa tao Rosia. Araka ny filazan'ny Mediazona, fanafihana 94 toy izany farafahakeliny [20] no voarakitra tamin'ny 1 aprily 2023; amin'ireo tranga 70, dia ireo birao fandraisana ho miaramila sy ny biraon'ny fitadiavana mpiasa no lasibatry ny fandoroana.