- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manamafy ny fiaretany ny Okrainiana ary mampiely hehy anaty sary-sy-soratry ny fotoan'ny ady

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Ady & Fifandirana, Hehy, Mediam-bahoaka, Russia invades Ukraine, Russia invades Ukraine: One year later
Shafka

Tao amin’ny trano rava iray tany Borodyanka, any Okraina, fanaka an-dakozia sisa no hany tavela, ka lasa “mariky ny herim-pon’i Okrainiana”. Sary avy amin'i Yelyzaveta Servatynska [1], CC BY-SA 3.0 [2].

Nisy ny “hetsika manokana” ara-kolontsaina notanterahina tao amin'ny tanàna rava ao Borodyanka akaikin'i Kyiv tamin'ny 14 Aprily 2022, andro voalohany taorian'ny nanafahan'ny tafika Okrainiana ny avaratr'i Okraina. Nofaritan'ny [3]Mozeam-pirenena ho an'ny Revolisionin'ny Fahamendrehana (National Museum of the Revolution of Dignity) ho toy ny fomba hamerenana ny toerana amin'ny laoniny rahatrizay ny hetsika:

The surrounding area, the ruins, and the wall were documented by DroneUA, using a drone to create a 3D model. They took photos and videos and recorded the location of each detail. In the future, it will allow reproduction of the location and environment with maximum accuracy.

Noraketin'ny DroneUA, tamin'ny alalan'ny fampiasana drôna ny faritra manodidina, ny rava ary ny rindrina mba hamoronana maodely 3D. Naka sary sy horonan-tsary izy ireo ary nandrakitra ny toerana misy ny antsipiriany tsirairay. Hahafahana hamokatra indray ny toerana sy ny tontolo iainana amin'ny fahamarinana faratampony indrindra rahatrizay.

Tafiditra amin'ny “hetsika manokana”, nandinika ny rihana ambony amin'ny tranobe iray izay saika nianjera tanteraka nandritra ny fanafihana an'habakabaka ny mpiasan'ny sampana vonjy taitra Okrainiana. Niezaka nanavotra ny fanaka an-dakozia tao anatin’ilay trano nihantona teo amin’ny rindrina sisa tavela izy ireo. Mahagaga fa ilay fanaka, ny ao anatiny ary ilay akoho lahy haingon-trano vita amin'ny seramika izay nipetraka teo amboniny dia tsy nisy nianjera. “Tsy nisy voakitika izany, amin'ny toerana heverina ho tsy azo  anaovana izany,” hoy ny Mozea, sady nanamarika fa tafiditra ao anatin'ny fampirantiana ataony ilay fanaka.

Nanamboatra sy nizara ny sarin'ilay fanaka i Yelyzaveta Servatynska, mpaka sary avy any Kyiv, ka niparitaka avy hatrany izany. Maro no namerina ny sary tao amin'ny media sosialy miampy lahatsoratra hoe: “‘Manao ahoana ianao, ry fanaka kely?’ ‘Mihantona aho.'”

Shafka_How are you

“Manao ahoana ianao?” – “Mihantona aho.” Sary avy amin'i Dima Kovalenko [4].

Nanomboka tamin'ny taona 2022, nanome aingam-panahy sary-sy-soratra maromaro mitovy amin'izany sy ohatra amin'ny famoriam-bahoaka tia tanindrazana ny ady tao Okraina, nanomboka tamin'ny “loza an-tsambo mpiady Rosiana [5]” izay nilazan'ireo mpiambina sisintany Okrainiana miasa ao amin'ny nosy Zmeiniy hoe “Sambo mpiady Rosiana, mbay**** any”, taorian'ny nampitandremana fa ho voadaroka baomba izy ireo raha tsy mitolo-batana. Naseho tamin'ny hajia paositra [6] Okrainiana avy eo ilay zava-nitranga. Nilahatra teo anoloan’ny paositra nanerana ny firenena ny olona tamin’ny herintaona, niandry ora maro mba hividy ireo hajia ireo. Nisy ihany koa ny fehin-tànana [7] vita amin'ny “ampaham-by farany” avy amin'ny orinasa momba ny vy Azovstal, toerana farany nijoroan'ny Okrainiana hiarovana ny tanàna atsimo atsinanan'i Mariupol. [8]

Nilaza i Vadym Vasiutynskyi, mpampianatra psikolojia, fa tsy zava-baovao io trangan-javatra io ary tsy tamin'ny fotoanan'ny ady irery ihany. Nohazavainy fa mitovitovy amin’ny tantaram-bahoaka tsotra izay nozaraina nandritra ny taonjato maro ny “meme” sy ny fironana amin’ny aterineto ankehitriny. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny GV, nilaza izy hoe:

Today, nothing could last so long because of a constant flow of new and competing images and symbols. But people always need certain consistency. This is why in this flow, they are trying to catch any symbols, signs, and meanings which seem to reflect the essence of what is going on around them. And when aspirations, opinions, and values of a number of people correspond, they create a meme. Often, it is something nice, likable, cozy, childhood-reminiscent which could comfort, at least for a while.

Amin'izao fotoana izao, tsy misy na inona na inona afaka maharitra ela noho ny fikorianan'ny sary sy marika vaovao sy mifaninana hatrany hatrany. Saingy mila tsy miovaova foana ny olona. Izany no mahatonga azy ireo, ao anatin'ity fikoriana ity, miezaka maka izay marika, famantarana sy dika izay toa maneho ny tena fototry ny zava-mitranga manodidina azy ireo. Ary rehefa mifanandrify ny hetahetam-po, ny hevitra sy ny soatoavin'ny olona maromaro, dia mamorona sary-sy-soratra izy ireo. Matetika zavatra mahafinaritra, mahatehotia, mampahazo aina, mampahatsiahy ny fahazazana izay mety hampionona, farafaharatsiny mandritra ny fotoana fohy izany.

Ho fanampin'ireo tantara manainga fanahy momba ny fiaretana sy ny fanoherana, maro ireo Okrainiana mahita firaisankina amin'ny hatsikana. Ohatra iray ny dokambarotra momba ny kilalaon'alika miendrika kastôro somary ratsy tarehy, mikiakiaka izay nipoitra nanerana ny resadresaka Facebook Okrainiana tamin'ny herintaona. Na dia tsy niraharaha ny dokambarotra aza ny ankamaroan'ny mpiserasera, dia nisy mpisera iray nitsidika ny tranokala momba izany tamin'ny faran'ny volana Desambra 2022, ary nizara ny hevitra sasany [9] avy amin'ireo nividy azy.

Rozetka_beaver

Sary avy amin'ny tsena anjotra Rozetka miaraka amin'ilay kastôro malaza sy ny lahatsoratra Facebook izay nahatonga azy ho meme.

“Toa hita fa tafavoaka velona tamin'ny daroka nokleary ilay kastôro, ary manampy ny fanantenantsika izany,” hoy ny mpanjifa iray nanoratra. “Toy ny fahaterahan'ny zavaboary mihoa-boajanahary ny namoahany azy tao anaty fonosana. Tsy mahita fifanarahana amin'ny zanako lahy  momba ny feon'ilay biby izahay. Heverin'ilay zazalahy fa mifofofofo izy, saingy ho ahy kosa mangetotra tsy misy henatra izy. Taitra ilay saka ary nandray azy tamim-panajana.”

“Kastôro  mahafatifaty tsy mampino izany,” hoy ny mpisera iray hafa nizara. “Toy ny hoe nifety tao amin'ny fierem-biby dia misy rongony nandritra ny tapa-taona izy, avy eo nandady nivoaka, ka voadonan’ny kamiao, avy eo taorian’ny loza, nihemotra ilay kamiao ka nandona indray ilay biby mahantra. Novidiako ho fanomezana ho an'ilay vehivavy tiako izy. Samy mandray tsara an'ilay kastôro izahay.

Mpisera 2.700 eo ho eo no nizara ilay lahatsoratra. Tao amin'ny fizarana fanehoan-kevitra, maro no nandefa ny sarin'ilay kilalao milaza fa nividy izany na naneho ny fahasorenana fa efa lafo daholo. Tamin'ny 1 aprily 2023, nanambara [10] ny tsena izay nanao dokam-barotra ilay kilalao fa hanao fifaninanana hatsikana izy ireo, ary nampanantena fa hahazo ny “Kastôro” izay mpandresy.

Tahaka ilay armoaran-dakozia sy akoholahy seramika avy any Borodyanka, nanjary mariky ny fiaretana ilay kilalao kastôro ratsy tarehy, hoy i Iryna Eihelson, psikôlôgy sosialy. “Olona an-tapitrisa no misedra olana mitovy amin'izany. Izany no nahatonga ireo zavatra ireo niparitaka be. Toy izany no fomba nananganan'ny olona fifandraisana ara-pihetseham-po: ‘Mihantona aho, mihantona ianao,’ ‘Na inona na inona ataon'ny fahavalo amintsika,’ matanjaka isika.'”

Nilaza tamin'ny GV i Natalya Shaposhnik, mpitsabo aretin-tsaina, fa ho an'ny Okrainiana sasany, nanjary lohahevitra “fanesoan-tena” ilay kilalao. “Ny fanesoana dia rafitra matanjaky ny fiaretana, indrindra rehefa zaraina amin'ny olona maromaro izany,” hoy izy. “Fiteny vaovao anehoana zavatra izay tsy ananana ireo teny mety aminy.”

“Manana ny kastôro koa aho,” hoy izy nanampy sady nitsiky. “Natolotra ahy tamin'ny fanehoan-kevitra fa mariky ny tsy mety resena.”