- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandrakitra zava-bita tsara indrindra maneran-tany roa tamin'ny fampisehoana goavana tany India ny dihy Bihu Assam

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Teratany, Zavakanto & Kolontsaina
Screenshot from YouTube - Official Demo Performance for Mega Bihu Event / Entry Into Guinness World Records. Source: Department of Cultural Affairs, Assam/Karabi Baruah Duarah. Fair Use. [1]

Pikantsary avy amin'ny YouTube [1]. Fampisehoana Demo Ofisialy ho an'ny Hetsika Mega Bihu / Fidirana ao amin'ny Zava-bita tsara indrindra Manerantany Guinness. Loharano: Departemantan'ny Raharahan-Kolontsaina, Assam/Karabi Baruah Duarah. Fampiasana ara-drariny.

Lohatenim-baovaon-gazety maro tamin'ny nahazoany ny zava-bita roa vaovao manerantany [2] ny dihy nentin-drazana mavitrika ao Assam, India, fantatra amin'ny anarana hoe Bihu [3]. Tamin'ny 13 Aprily, niara-nivory tao amin'ny Kianja Atletika Indira Gandhi ao Guwahati, renivohitry ny Fanjakana Indiana ao Assam, ireo mpandihy Bihu miisa 11.304 sy mpively amponga miisa 2.548, fantatra amin'ny anarana hoe Dhulias, mba hampiseho ny dihy Bihu sy hilalao ny dhol [4], amponga nentim-paharazana Assam. Manamarika ny fivoriana lehibe indrindra an'ireo mpanakanto Bihu teo amin'ny tantara ity zava-bita mahavariana ity.

Ny tantaran'ny Bihu

Manondro fetibe telo miavaka ihany koa ny voambolana hoe Bihu [5] any amin'ny fanjakana Indiana ao Assam avaratra atsinanan'India sy ny faritra hafa any avaratra atsinanan'India, dia ny Rongali na Bohag Bihu, Kongali na Kati Bihu, ary Magh Bihu. Amin'ireo, heverina ho fetibe manan-danja indrindra ny Rongali Bihu [6] izay ankalazan'ny olona amin'ny sokajin-taona rehetra amin'ny alalan'ny fampisehoana sy dihy amin'ireo hira Bihu. Natao tamin'ny volana Aprily, heverina ho fetiben'ny famafazana ihany koa izy io mba hanamarihana ny fanombohan'ny taom-pambolena. Ny Kati Bihu dia marihana amin'ny tapaky ny volana Oktobra ary ampiasaina hanamarihana ny fotoam-pijinjana vaovao. Farany, ny “Magh Bihu [7],” marihina amin’ny volana Janoary, dia manamarika ny fiafaran’ny taom-pambolena rehefa mivory any an-tanàna ny olona mba hankalaza ny fijinjana nahavokatra.

Manana lanja miavaka ho an'ny vondrona vazimba terantany isan-karazany ny fetibe, mitondra anjara biriky amin'ny maha Assamezy lehibe [8], izay ahitana vondrom-poko sy vondrom-piarahamonina ara-poko isankarazany.

Bihu dance performance in Guwahati Assam. Image by Subhrajit via Wikimedia Commons. CC BY-SA 3.0 [9]

Fampisehoana dihy Bihu ao Guwahati Assam. Sary avy amin'i Subhrajit [9] avy amin'ny Wikimedia Commons. CC BY-SA 3.0 [10]

Mampiditra izany ao amin'ny “Guinness Book of World Records”

Tamin'ny volana Febroary 2023, nanapa-kevitra [11] ny kabinetran'i Assam fa handrindra fankalazana Bihu goavana, mikendry ny hampiseho lovan-kolontsaina Assam. Naharitra andro maromaro ny hetsika natao hanehoana sy hankalazana ny kolontsaina Assam ahitana ireo mpitsidika sy mpandray anjara malaza isan-karazany.

Nokarakaraina tao an-tanànan'i Guwahati, Assam, ny fanomanana sy ny fanazaran-tena tamin'ny volana martsa, nandraisan'ny Lohan'ny Minisitra Himanta Biswa Sarma anjara ihany koa mba hampakarana ny maoralin'ireo mpandray anjara.

Amin'ny [14 aprily], handrakitra zava-bita manerantany vaovao ny Bihu-n'i Assam ary hiditra ao amin'ny Bokin'ny Zavabita tsara indrindra Guinness. Mitohy hatrany ny fanazaran-tena. Androany ny Lohan'ny Minisitra Himanta Biswa Sarma miaraka amin'ny Bihu Nasoni. Izy no mandray an-tsoratra feno ny fanomanana.

Tamin'ny 13 aprily, notontosaina tao Sarusujai ny hetsika fandraketana an-tsoratra ny zava-bita, ka nametraka firaketana zava-bita manerantany roa niaraka avy hatrany [14]. Ny firaketana voalohany napetraka dia ho an'ny fampisehoana Bihu lehibe indrindra, ahitana mpandray anjara 11.304, ahitana Bihuwas (lehilahy mpandihy) sy Bihuwotis (vehivavy mpandihy). Ny firaketana an-tsoratra faharoa dia ho an'ny fivoriamben'ny Dhulias (mpitendry amponga) lehibe indrindra, nahitana mpandray anjara 2.548, nihoatra ny firaketana teo aloha izay 1.356 dhols.

Nahazo laza be manerantany ny fampisehoana ary niteraka adihevitra nanerana ny sehatra media sosialy isan-karazany.

Asian News International (ANI) nisioka lahatsary momba ny fampisehoana:

#JEREO [15] | Mpindihy folk miisa 11.304 no nanolotra ny dihy Bihu teo anatrehan'ny LM Assam, Himanta Biswa Sarma, tao amin'ny kianja Sarusajai ao Guwahati tamin'ny tolo-kevitry ny Governemanta hametraka ny Guinness World Record ho an'ny dihy Bihu lehibe indrindra amin'ny toerana tokana.

Mpitendry amponga miisa 2548 ihany koa no nanao fampisehoana niaraka tamin’izy ireo teto.

Nanohana ny fampisehoana tamin'ny alàlan'ny kaonty Twitter ofisialin'izy ireo ny komity misahana ny firaketana zava-bita maneran-tany Guinness:

 Arahabaina ireo rehetra nandray anjara tamin'ny dihy Bihu lehibe indrindra! 

Notontosaina [20] tamin'ny 14 Aprily ny fampisehoana fanampiny rehefa tonga tao Assam ny Praiminisitra India Narendra Modi mba hankalaza ny Mega Bihu tamin'ity fotoana manan-tantara ity. Nizara horonantsary tao amin'ny Twitter ny praiminisitra ary nidera ny ezaka hanehoana ny kolontsaina Assam.

Ho tsaroako foana ny fitsidihana an'i Assam omaly. Nandray anjara tamin'ny fandaharana isan-karazany anisan'izany ny fankalazana Bihu lehibe . Ireto ny zava-nisongadina…

Nanintona ny sain'izao tontolo izao ihany koa ilay hetsika, satria nizara lahatsary [23] iray i Shamim Zakaria, mpanao gazety Assamezy monina ao Beijing, izay nilazany fa niely be tao Shina ihany koa ny hetsika Bihu.

Tsy hoe tsy nisy adihevitra mihitsy ny hetsika. Nandritra ny hetsika, mpanakanto iray antsoina hoe Ranjit Gogoi no nanao hira izay mirakitra vazivazy fanaratsiana ara-poko momba ny vondrom-piarahamonina indizeny Naga [24]. Nanafintohina ireo vahoaka Naga maro ny fampiasana ny voambolana toy ny “Okora” (midika hoe olona adala/manao fihetsika adaladala) sy “Nagini” (izay manondro ny vadin'ny olona Naga nefa matetika heverina ho manambany satria midika hoe bibilava). Mipetraka ao amin'ny fanjakana Nagaland ao ambadika ny vahoaka Nagas saingy manana mponina betsaka ao Assam ihany koa. Vokatr'izany, fikambanana Naga maro ao Assam no nanakiana ilay mpanakanto noho ny fanamarihany manavakavam-bolon-koditra ary nitaky fialan-tsiny.

Mpisera Twitter Satyanewshi (mpitady fahamarinana) nilaza hoe:

Nanameloka ny hira Bihu ‘Guinness World Record’ an'i Assam natrehin'ny PM Modi & LM HBS ny vondrom-piarahamonina Naga izay voalaza fa nampiasa fanaratsiana ‘fanavakavaham-bolon-koditra’ izay miantso ny Nagas hoe ‘okora’, midika hoe adala na moana.

Nohazavain’ity mpanakanto ity taty aoriana fa efa hatramin’ny taranaka fara mandimby io hira io ary naneho fialan-tsiny [27] tamin’izay fanafintohinana nataony.

Taorian'ny fahavitan'ny hetsika dihy Bihu tamim-pahombiazana ho amin'ny fanamotsanana zava-bita tsara indrindra manerantany, dia nametraka tanjona [28]ny hanao ny Dihy Bagurumba an'ny Vondrom-piarahamonina Bodo i Assam miaraka amin'ireo mpanakanto maherin'ny 20.000. Mbola tsy voafaritra ny datin’ny hetsika.