- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

MIVANTANA (t)amin'ny 2 Mey: Ahoana no hanaovan’ny mpanao didy jadona lasibatra ny vehivavy amin'ny aterineto

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, GV Insights, Unfreedom Monitor

Mifantoka amin'ny fandrahonana atao amin’ny vehivavy mpanao gazety manerana izao tontolo izao ny tatitry ny Global Voices momba ny fitondrana jadona sy ny teknolojia.

Miaraha aminay ao amin'ny YouTube Live [1] ny 2 Mey 2023, amin'ny 12 ora atoandro ora GMT ho an'ny fifanakalozan-kevitra momba ireo fahavitrihana ireo amin'ny aterineto sy ny paikady mety hahatonga ny aterineto ho toerana azo antoka kokoa ho an'ny vehivavy mpanao gazety.

Ny dinika dia hiainga amin'ny fikarohana nataon'ny Unfreedom Monitor [2] an'ny Global Voices Advox, tetikasam-pikarohana mitsongo dia ireo trangam-pitondrana jadona nomerika manerana izao tontolo izao sy ny fomba fitenin'ny fampitam-baovao manodidina azy ireo.

Maimaim-poana ny fivoriana ary misokatra ho an'ny daholobe. Misorata anarana eto ambany mba hahazoana fampahatsiahivana momba ny hetsika:

Register for free on Eventbrite [3]

Misorata anarana maimaim-poana ao amin'ny Eventbrite [3]

Ny tonian-dahatsoratra mpiara-miasa ato amin'ny Global Voices sady tonian-dahatsoratry ny Advox, Ameya Nagarajan [4], no handrindra ny hetsika ary ahitana ireto mpamelabelan-kevitra manaraka ireto:

Manantena izahay fa ho namanay ianao [8] amin'ny Talata 2 Mey amin'ny 12 ora atoandro ora GMT (tsindrio eto [9] raha hanova ny ora ho an'ny faritra misy anao).

[2]

The Unfreedom Monitor
Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor [10] fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox [11] Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).
Trohy PDF ny dosie fampahafantarana. [2]
Midira ao amin'ny tobin-drakitra azon'ny rehetra idirana. [12]