MIVANTANA (t)amin'ny 2 Mey: Ahoana no hanaovan’ny mpanao didy jadona lasibatra ny vehivavy amin'ny aterineto

Mifantoka amin'ny fandrahonana atao amin’ny vehivavy mpanao gazety manerana izao tontolo izao ny tatitry ny Global Voices momba ny fitondrana jadona sy ny teknolojia.

Miaraha aminay ao amin'ny YouTube Live ny 2 Mey 2023, amin'ny 12 ora atoandro ora GMT ho an'ny fifanakalozan-kevitra momba ireo fahavitrihana ireo amin'ny aterineto sy ny paikady mety hahatonga ny aterineto ho toerana azo antoka kokoa ho an'ny vehivavy mpanao gazety.

Ny dinika dia hiainga amin'ny fikarohana nataon'ny Unfreedom Monitor an'ny Global Voices Advox, tetikasam-pikarohana mitsongo dia ireo trangam-pitondrana jadona nomerika manerana izao tontolo izao sy ny fomba fitenin'ny fampitam-baovao manodidina azy ireo.

Maimaim-poana ny fivoriana ary misokatra ho an'ny daholobe. Misorata anarana eto ambany mba hahazoana fampahatsiahivana momba ny hetsika:

Register for free on Eventbrite

Misorata anarana maimaim-poana ao amin'ny Eventbrite

Ny tonian-dahatsoratra mpiara-miasa ato amin'ny Global Voices sady tonian-dahatsoratry ny Advox, Ameya Nagarajan, no handrindra ny hetsika ary ahitana ireto mpamelabelan-kevitra manaraka ireto:

  • Arzu Geibullayeva, toniam-paritra ato amin'ny Global Voices any Kaokazy Atsimo sy Torkia
  • Lais Martins, mpikaroka sady mpandalina lalàna manana fahaizana amin'ny zon'ny tontolo iainana sy nomerika
  • Melissa Vida, tonian-dahatsoratra ato amin'ny Global Voices any Amerika Latina

Manantena izahay fa ho namanay ianao amin'ny Talata 2 Mey amin'ny 12 ora atoandro ora GMT (tsindrio eto raha hanova ny ora ho an'ny faritra misy anao).

The Unfreedom Monitor
Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).
Trohy PDF ny dosie fampahafantarana.
Midira ao amin'ny tobin-drakitra azon'ny rehetra idirana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.