- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fatiantoka ara-toekarena nozakain'i Kenya noho ny fijoroana manohitra ny LGBTQ+

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge
Illustra

Fanaingoana natolotr'i Sydney Allen tam-pitiavana

Nosoratan'i Linda Ngari

Very vola be i Kenya noho ny fanarahamaso diso tafahoatra nataony an'ireo olona milaza ny tenany ho vehivavy mitia vehivavy, lahy mitia lahy, manana taovam-pananahana roa, nanova fananahana, pelaka na tsy manaraka ny fenitra fiarahana olon-droa tsy mitovy (LGBTQ+).  Ny fitsipika voalohany manandanja indrindra manameloka ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+ ao amin'ny firenena dia miainga avy amin'ny lalàna famaizana [1] efa talohan'ny fanjanahantany, izay manao izany mifototra amin'ny fotokevitra manjavozavo hoe “fanitsakitsahana mifanohitra amin'ny natiora”. Ny fijoroana tahaka izany dia manohintohina ireo fampiasambola ataon'ny mpandraharaha liberaly izay mihevitra ilay firenena ho feno fankahalàna.

Fony lany ho filoha i William Ruto [2] tamin'ny 2022, dia, toy ilay nodimbiasany ihany Uhuru Kenyatta [3], nandà ny filàna miantoka ny fitovian-jo ho an'ireo mpikambana ao anatin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+. Tao anaty antsafa iray tamin'ny Septambra 2022, nilaza i [4] Ruto fa rehefa lasa olana goavana ao amin'ny firenena ny olana momba ireo olona LGBTQ+, izay vao handray fanapahankevitra ny Keniàna. Nitovitovy tamin'ilay nijoroan'ny filoha fahiny Uhuru Kenyatta tamin'ny 2018, fony izy nilaza [5] fa tsy laharam-pahamehana ho an'ny Keniàna ny fiarovana ny zon'ireo olona LGBTQ+.

Rehefa ataon'ireo mpitarika ho toy ny tsy olana ny fanaovana herisetra tsy mitsahatra amin'ireo olona LGBTQ+, dia ho fomba fitondra tahaka izany no hitondran'ny fiarahamonina ireo niharam-panafihana noho ny fironany ara-pananahana na ny nisafidianany ny maripamantarana azy, ary mbola ratsy lavitra aza ny avy amin'ny pôlisy. Araka ny voalazan'ny Gay and Lesbian Coalition of Kenya (GALCK), 53 isanjaton'ireo [6] olona ao anatin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ao Kenya no efa niharan'ny herisetra ara-batana.

Vokatr'izay, manilika ireo hafa mety ho mpampiasa vola goavana ny toekarena keniàna izay saika eo ambany fitantanan'ireo tena mifikitra mafy amin'ny fenitra fiarahan'olon-droa tsy mitovy fananahana. Ny fitsipika anatin'ny didy famaizana ary ny fanamafisana azy ataon'ireo mpitarika ara-pôlitika sy milaza ho mpiaro ny soatoavina kristianina no manosika ireo olona LGBTQ+ ho anaty olana ara-pahasalamana sy rarintsaina, tafakatra amina taha avo kokoa raha mitaha amin'ny vahoaka amin'ny ankapobeny.

Araka ny [6] GALCK, 29 isanjato monja amin'ireo olona LGBTQ+ no mitoroka ny fanafihana nahazo azy any amin'ny pôlisy satria mazàna no mbola izy ireo indray no mahazo loza. Noho ny fahitàna fa ataon'ireo olona eo amin'ny fitondràna ho tsinontsinona ny zon'izy ireny, dia tsy raharahian'ny pôlisy ny zony ary amaivanin'ny pôlisy ireo fitoriana fanafihana rehefa milaza sy misora-tena ho pelaka ilay niharany. Koa satria i Kenya miomana ny hankalaza amin'ity taona ity ny faha-60 taonan'ny fahaleovantenany, dia fotoana mihitsy izao hamalonana ireo lalàna efa tamin'ny vaninandro fanjanahana fantatra fa natao hiarovana ny fanandevozana sy ny fanavakavahana, ankoatra ireo hafa fanitsakitsahana tafahoatra atao amin'ny zon'olombelona. Ohatra iray amin'ny lalàna taorian'ny fanjanahantany ny  Fanambaràna Erantany momba ny Zon'Olombelona (UNDHR [7]) izay nolaniana taorian'ny Ady Lehibe Faharoa. Ny UNDHR, izay mpanao sonia ao anatiny i Kenya, dia mamaritra ireo zo sy fahalalahan'ny rehetra ho tsy misy adihevitra, midika izany fa tsy azo esorina izy ireny na hoe ny mpampiasa no manome azy.

Tranga roa vao haingana ny famonoana an'i Edwin Chiloba [8] tamin'ny Janoary tamin'ity taona ity, sy ny an'i Sheila Lumumba [9] tamin'ny Aprily 2022. Chiloba, 25 taona, mpikatroka ho an'ny zon'ny pelaka, dia hita faty tamin'ny 3 Janoary; voalaza fa nokendaina izy ary nohidiana tanaty vata vy. Lumumba, 25 taona ihany koa, dia vehivavy mitia vehivavy nisy nanolana sy namono tao amin'ny faripiadidian'i Nyeri ao Kenya. Taorian'ny nahafaty an'i Chiloba, nirohotana be tao amin'ny Twitter ny tenifototra toy ny hoe #NotOurCulture [10], nilazàna fa tsy “fanao afrikàna” ny fifanambadian'ny mitovy taovam-pananahana. Ireo Keniàna ireo ihany no manadino fa marobe ny olona nilaza hoe “tsy fanao afrikàna” ny kristianisma, nefa dia arahana be manerana ilay firenena. Indrisy, ny maripamantarana maha-pelaka an'i Chiloba no nifantohan'ilay tenifototra, fa namaivaniny ny tsy rariny mibaribary mahakasika ny famonoana azy an-kitsirano.

Ireo toekarena liberaly kokoa, izay manaiky, miantoka ary miaro ny fahalalahan'ny rehetra, dia misarika andiana mpampiasa vola betsaka kokoa. Vokany, lasa singa tena tokony hatsofoka anaty pôlitikan'ny orinasa tsirairay ny pôlitikan'ny fahamaroana, ny fitoviana ary ny fampiatiana (Diversity, Equality, and Inclusivity – DEI) ireo olona avy amin'ny LGBTQ+. Ny pôlitika DEI dia mitaky amin'ireo fandraharahàna mba hanao dingana mavitrika hampiatiana ho ao anatin'ny paikadin-dry zareo amin'ny fandraisana mpiasa ireo vondrona natao an-jorom-bàla, no sady miezaka ihany koa miantoka ny fitoviana sy ny hitsiny iraisan'ny rehetra. Araka ny lazain'ny Open For Business [11], tamin'ny 2010 ireo mpampiasa niditra tamin'ny fampiatiana ny LGBTQ+ dia nahazo tombony  9,1% amboniny noho ny salanisan'ny tsena hatramin'ny 2010. Nahasarika ny fahatokisan'ny mpanjifa sy ireo mpiasa LGBTQ+ ireny mpampiasa ireny. Tatitra iray avy amin'ny kabinetra Deloitte [12], mpitsirika erantany, no manamarika ihany koa fa mihoatra ny 70 %  amin'ireo mpiasa LGBTQ+ no mihevitra ny tsy hiala amin'ireo efa mpampiasa azy amin'izao fotoana izao.

Ny tsy fahavitàna miaro am-pahibemaso ny zo fototr'ireo LGBTQ+ vitsy an'isa dia mety ho sandain'i Kenya hatramin'ny 1,7%  amin'ny harinkarena faobeny. Tao anatin'ny fanadihadiana nataon'ny Open For Business [11], vondrona iray iraisampirenena manokan-tena ho an'ny fikarohana sy ireo hetsika ho amin'ny fampiatiana ny LGBTQ+, dia 1,7 % amin'ny harinkarena faobe no mitovy amin'ny fatiantoka isantaona amin'ny vola miditra, mety hahatratra 1,3 lavitrisa dôlaraizany hoe 130 lavitrisa KSH eo ho eo. Nozaraina telo ilay 1,3 lavitrisa dôlara amerikàna: very tao amin'ny indostrian'ny fizahantany ny manodidina ny 140 tapitrisa dôlara amerikàna (14,3 lavitrisa KSH) satria firenena feno fankahalàna no fijerin'ny mpitsidika sasany azy; 105 lavitrisa dôlara (10,7 lavitrisa KSH) very teo amin'ny sehatry ny tsenan'ny herim-pamokarana tamin'ny alàlan'ny tsy fisiana asa sy ny zara fa miasa, ary 1 lavitrsa dôlara (105 lavitrisa KSF) no very tao anatin'ny sehatry ny fahasalamàna tsizarizary vokatry ny fitsaratsaram-poana, ny herisetra, ny rarintsaina, ary ireo aretin-tsaina sy aretim-batana hafa.

Tsara anefa ny hanamarihana fa nahavita dingana vitsivitsy i Kenya nankany amin'ny fampiatiana ireo olona avy amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+, ary i Nairobi niakatra tao anaty filaharana nomen'ny Open For Business City tamin'ny 2022. Io dia noho ireo tombony azo avy amin'ny hetsika [13] iray matanjaky ny LGBTQ+ izay tsy mitsahatra miasa mba hanova ny fenitra [14], hanafoana ireo fehezan-dalàna famaizana tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana, hifantohana amin'ny fananganana fanavaozana matanjaka sy sampanan-dàlana ho an'ireo tsirin'orinasa ao an-tanàna. Nahavita dingana niavaka ihany koa i Kenya tamin'ny fanisàna vahoaka 2019 [15], ka naha-firenena voalohany azy erantany nampiditra ny maripamantarana ny olona “intersex” ho vondrona iray miavaka.  Mbola hetsika iray niavaka ihany koa ilay didim-pitsarana vao haingana navoakan'ny Fitsarana Avo ao Kenya izay nandidy [16] ny fanomezana ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ny zo hanana fikambanana mifanaraka amin'ny fenitry ny Birao Mpandrindra ireo Fikambanana Tsy Miankina amin'ny Fanjakana.

Raha toa isantaona mety hahazo 140 tapitrisa dôlara amerikàna (14,3 lavitrisa KSH) i Kenya amin'ny fampiatiana bebe kokoa ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+, araka ny voalazan'ny Open For Business, rehefa atambatra, ny fampiatiana dia handrisika betsaka ireo tanora mba hijoro amin'ny maha-izy azy, tsy amin-tahotra.

Linda Ngari dia mpiandraikitra ny fanoratana ho an'ny African Liberty [17].