- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hita ao amin'ny revion'i Harvard momba an'i Amerika Latina ny Rising Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV
The map shows the current distribution of the Quechuan languages in South America. The areas highlighted can be found in the countries of Bolivia, Colombia, Chile and Argentina, Ecuador and Peru.

Saritanin'ny fitsinjaran'ireo fiteny Quachuan amin'izao fotoana. Loharano: Noahedits [1] ao amin'ny Wikipedia [2]. Copyright: CC BY-SA 4.0 [3].

Nivoaka tao amin'ny lahatsoratry ny ReVista (the Harvard Review of Latin America), gazetiboky anjotra mifantoka amin'ny “lohahevitra samihafa mifandraika amin'i Amerika Latina” [4] ny fisantaran'andraikitra Activismo Lenguas [5] an'ny Rising Voices. Apetraky ny lahatsoratra ho lohahevitra ny fikatrohana amin'ny teny Quechua ho sehatra fanamafisana ny feon'ireo mpikatroka ankihin'ny fiteny Quechua.

Tafiditra anaty lisitra miaraka amin'ny hafa, tahaka izao manaraka izao ny Rising Voices:

The non-profit Rising Voices, a pioneer in amplifying Indigenous language communities on digital platforms, runs the rotating Twitter account “Activismo Lenguas,” featuring diverse Indigenous-language activists.

Mamelona ny kaonty Twitter ifandimbiasam-pitantanana “Activismo Lenguas” manasongadina ireo mpikatroka samihafa amin'ny teny indizeny ny Rising Voices tsy mitady tombombarotra, mpisava lalana amin'ny fanamafisam-peon'ny vondrom-piarahamonin'ny teny indizeny amin'ny sehatra ankihy.

Ny lahatsoratra ReVista feno dia vonona [6] amin'ny teny anglisy sy espaniola ato [6].