- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

20% amin'ireo mpanjifan'ny fifandraisan-davitra no notsikilovin'ny manampahefana tao Venezoelà

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fanarahamaso, Fiainana Manokana, Mediam-bahoaka, Solovava, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

categorie tech-tools

Sary natolotr'i Ameya Nagarajan tam-pitiavana

Efa taona maro no niahiahin’ireo Venezoeliana mpiaro ny zo nomerika ny fomba fitsikilovana sy ny fanarahamaso tsy ara-drariny ny fifandraisana tsy miankina ao Venezoelà, saingy mbola kely ihany ny porofo nananany hatramin’ny Jona 2022. Tamin'io volana io, Telefónica, orinasa foiben’ny Movistar Venezuela, dia namoaka tatitra mangarahara [1]. Naborany ny angondrakitra (data) manondro ny fisian'ny fandaharanasa fanarahamaso faobe, izay mampiasa fipaingorana voarindra sy tsy ara-dalàna atao amin'ny fifandraisana manokan'ny mpanjifany, araky ny baikon'ny sampan-draharaham-panjakana Venezoeliàna.

Araka ilay tatitra, noho ny baikon'ny fitantanan'i Maduro [1] – Telefónica dia nipaingotra ny fifandraisan'ireo mpanjifa efa mihoatra ny 1,58 tapitrisa ao amin'ny Movistar tamin'ny 2021. Izany dia manome 20,5 % amin'ireo laharan'antso sy kaonty aterineto ao amin'ny Movistar. Ilay orinasa dia nipaingotra, na nametraka ireo antso ho “ambany fihainoana”, nanara-maso ireo SMS, nizara ny toerana nisy ireo mpanjifa sy nanara-maso ny fitsidihany ny aterineto. Avo fito heny ny isan'ireo laharana voakasik'izany nanomboka tamin'ny 2016, taona nahitàna fanaovana amboletra niisa 234.932 tamin'ny fidirana.

Tamin'izany fotoana izany, niteraka adihevitra goavana be momba ny tsy refesimandidy nomerika sy ny fiainana manokana ao Venezoelà ilay tatitry ny Telefónica, fa indrindra indrindra, nabaribariny ny fidadasiky ny fanarahamaso ataon'ny fanjakana sy ny filam-baniny atao amin'ireo feo mpanohitra. Ny fandrahonana, ny filam-baniny, ny fitànana tsy ara-drariny, ny fanaovana fitondra tsy mendrika, ary ny fampijaliana an'ireo mpikatroka, ireo mpiasa ho an'ny mahaolona, ireo mpanao gazety sy ireo olom-pirenena dia voaresaka be tao anatin'ny tatitra tamin'ny Septambra 2022 navoakan’ny Iraka Mpanadihady avy amin'ny Firenena Mikambana. Efa tany amin'ny 2013 no nisy ny governemanta tsy refesimandidy teo ambany fitondran'i Nicolas Maduro tao Venezoelà, rehefa voafidy i  Nicolás Maduro taorian'ny nahafatesan'i Hugo Chávez. Nisy fiantraikany goavana teo amin'ny rafipiainan'ny media nomerika tao amin'ny firenena io.

Nampian'ny tatitry ny Telefónica fa ny Movistar Venezuela dia tsy naharay fangatahana fipaingorana na fanangonana “metadonnéees” niainga avy amina didim-pitsaràna, araka izay tondroin'ny lalàna ao Venezoelà, fa avy amin'ny pôlisy, ny tafika ary ireo andrim-panjakana hafa toy ny biraon'ny lehiben'ny fampanoavana (Ministerio Público), ny masoivoho fanadihadiana siantifika ny heloka bevava (Cuerpo de Investigaciones Científicas Penales y Criminalísticas na CICPC), ary hatramin'ny anjerimanontolo nasiônaly fanaovana andrana ara-piarovana aza (Universidad Nacional Experimental de la Seguridad)

Ny “metadata” momba ny fifandraisana dia mahakasika ireo torohay momba ilay fifandraisana, mihoatra lavitra noho ny votoatiny. Ohatra, iza no nantsoin'ilay mpanjifa, ny toerana sy ny faharetan'ny antso, ny torohay momba ny “routing” (fampitàna antso) na ny angondrakitra manokana momba ilay mpanjifa. Laharana niisa 997.679 (13 isanjaton'ireo laharana ao aminy) no hita ao anatin'ilay tatitry ny Telefónica, voakasika tamin'ireo fangatahana “metadata”.

Matetika ny governemanta no milaza fa mety ho fitaovana ilaina amin'ny fanaovana fanadihadiana ireo heloka bevava henjana be ny fipaingorana fifandraisana. Kanefa, ireo mpikatroka mpiaro ny zo nomerika dia manohana ny hoe tokony ho ampiasaina mifanaraka amin'ny lalàna velona eo amin'ny firenena sy iraisampirenena ireny fahefana ireny, manaraka ny fenitry ny zo maha-olona sy zotra iray mifanaraka amin'ny lalàna mba hiarovana ny zon'ireo olompirenena. Tsy nahenoana setriny momba ilay tatitry ny Telefónica ny fanjakana.

Ao Venezoelà, tokony ho avy amin'ny tribonaly ireo didy hipaingorana fifandraisana. Misy ihany anefa ny miavaka raha sendra misy ny hamehana sy ny heloka tratra ambodi-omby izay ahafahan'ny CICPC mangataka avy hatrany amin'ireo orinasam-pifandraisana mba hirotsaka an-tsehatra. Kanefa, na misy aza izany tranga izany dia tsy maintsy ampandrenesina ny mpampanoa lalàna ary tsy maintsy hita ao anatin'ny antontan-taratasy fanadihadiana ny fanekena avy aminy. Ny lalàna ao Venezoelà dia milaza ihany koa ny fangatahana amin'ny mpampanoa lalàna mba hitazona ny hisian'ny mangarahara sy ny ara-drariny mandritra ireo dingana rehetran'ny fanadihadiana. Ny fenitry ny lalàna mba hirotsahana an-tsehatra any anatin'ireo fifandraisana manokan'ny olona dia ny Lalàna Ôrganika ao amin'ny fitsarana mpanenjika heloka, andininy faha 205 sy 206 no mametra azy. Ho an'ireo fanapaingorana “metadonnées”, ny fangatahana rehetra dia tsy maintsy atao mifanaraka amin'ny didim-pitondrana n° 171 sy ny andininy faha-29 amin'ny lalàna manenjika ny fakàna an-keriny sy ny fitakiana vola.

Ny isa betsaka tamin'ireo laharana nopaingorina nasongadina tao amin'ny tatitry ny Telefónica dia manondro trangan-javatra maika tsy araka izay mahazatra; ho an'ny maro dia manondro ny fanitsakitsahana tsotra izao ny zo sivily sy nomerika io. Na vao izao aza no sambany misy fanasongadinana porofo manan-danja momba ny fidadasik'ilay olana, ny VE sin Filtro, ONG iray mifantoka amin'ny zo nomerika sy ny faneriterena ny aterineto ao amin'ny firenena, dia naharakitra fipaingorana mitovitovy amin'izany tao anatin'ny tatitra isantaona fataony momba ny zo nomerika ho an'ny 2021 [2].

Ny tatitry ny VE sin Filtro dia misarika ny saina ho amina tranga iray miavaka : voajirika ny kaonty WhatsApp an'ny ONG  venezoeliàna iray, izay natao hifandraisana amin'ireo niharan'ny herisetram-panjakàna. «Mifanohitra amin'ireo tranga fahitantsika mahazatra, na iray aza tsy nisy mpampiasa voafitaka na niharan'ny fanjonoana. Io tranga io dia angamba notanterahana / na niarahana nanao tamin'ireo olon'ny fanjakana; tsy toy izany amin'ny ankapobeny ny tranga raha ho an'ireo mpanao hosoka sy ireo karazana mpanafika hafa. Ilay tranga dia niseho indrindra tao anatin'ny fotoana mbola nanaovan'ny Fitsarana Heloka Iraisampirenena ny fanadihadiana momba an'i Venezoelà sy mbola nikarakaran'ny Filankevitra misahana ny Zon'Olombeona ao amin'ny Firenena Mikambana ny Kaomisiôna mpanadihadiny», hoy ilay tatitra.

Notaterin'ny Telefónica ihany koa fa nangatahan'ireo manampahefana ao Venezoelà ny hibahanana 20,5 % amin'ireo tranonkala. Manodidina izay ihany, Alemaina nanao fangatahana  0,11 isanjato, Espaina 0,05 , ary Brezila 0,28 isanjato. Firenena hafa marobe ao Amerika Latina no tsy nametraka fangatahana mihitsy.

Ho an'ireo mpikatroka mpiaro zo, ny angondrakitry ny Telefónica no mampiseho masoandro ireo fanitsakitsahana hafa ny zo maha-olona ao Venezoelà ataon'ny governemantan'i Maduro. Marta Valiñas, filohan'ny Iraky ny Firenena Mikambana Mpikaroka ny Tena Zavanisy, milaza hoe: “Asehon'ny fanadihadiana sy ny fandalinana nataonay fa ampiasain'ny fanjakana venezoeliàna ny sampam-pitsikilovany  mba hamongorana ny mpanohitra ao amin'ny firenena. Io dia mitarika ho amin'ny fanaovana fanahy iniana ireo heloka bevava sy fanitsakitsahana zon'olombelona, tafiditra amin'izany ireo hetsika fampijaliana sy ny herisetra ara-nofo. Tsy maintsy atsahatra avy hatrany ireny fomba fanao ireny ary tsy maintsy hanaovana fanadihadiana ireo tompon'antoka, dia henjehina araka ny lalàna.”

Azafady, tsidiho ny pejin'ny tetikasa hahitanao tantara mismisy kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor [3].