- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Asehon'ny fiafaran'ny Ramadan ao Taipei ny anjara toeran'ny Islamo ao amin'ny diplaomasian'i Taiwan

Sokajy: Azia Atsinanana, Taiwan (ROC), Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Taipei Grand Mosque. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Fiaraha-monina Bodista sy Taoista [1] amin'ny ankapobeny i Taiwan ahitana antokom-pivavahana vitsy an'isa maromaro, anisan'izany ny miozolomana. Araka ny tombatombana isan-karazany dia ahitana miozolomana 250.000 [2] eo ho eo ao amin'ilay nosy, izany hoe manodidina ny iray isanjaton'ny mponina.

Mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina shinoa miozolomana Hui. Saripokan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Sonita [3] ny ankamaroan'ny miozolomana ao Taiwan, ary avy amin'ny onjan'ny fifindra-monina samihafa. Amin'ireo tombanana ho 250.000 ireo, dia 60.000 eo ho eo no avy amin'ny vondrom-piarahamonina Shinoa miozolomana, fantatra ihany koa amin'ny hoe Hui [4] (回) amin'ny teny shinoa na amin'ny hoe Dungan [5] any Azia Afovoany. Ny Hui dia Shinoa niova ho finoana silamo tany am-piandohan'ny taonjato fahafito [6] ary indraindray nifanambady tamin'ny arabo sy persianina mpivarotra. Ny sasany tamin'izy ireo dia nifindra avy tany amin'ny tanibe Shina nankany Taiwan rehefa nanomboka ny fanjanahan-tany Shinoa tamin'ny taonjato faha-17. Nisy onja iray hafa nihetsika taorian’ny 1949, rehefa resin’ny Komonista tamin’ny ady an-trano [7] ny Kuomintang ka nandositra nankany amin’ilay nosy, ka nametraka ny fitondrany an’i Taiwan. Miaramila Hui 20.000 [8] eo ho eo no nanao servisy tao amin'ny tafika Kuomintang ary nanorim-ponenana tany Taiwan niaraka tamin'ny fianakaviany tamin'ny farany. Farany, nifindra avy any Thailandy sy Myanmar ny onja fahatelo amin'ny Shinoa miozolomana izay nifandray tamin'i Taiwan sy/na ny Kuomintang tamin'ny taompolo 1980 ary nanangana ivotoerana miozolomana [8] kely tao New Taipei City.

Mpiasa mpifindra monina [9] avy any Azia Atsimoatsinanana, avy any Indonezia sy Malezia ny ankamaroan'ny Miozolomanan'i Taiwan. Tsy manana zom-pirenena Taiwaney izy ireo ary mazàna no tonga tao anatin'ny taona vitsivitsy monja, ka ny ankamaroan'ny vehivavy dia miasa ho mpiasa an-trano, fahasalamana, na mpandray vahiny ary ny lehilahy kosa mitady asa any amin'ny orinasa na amin'ny sambo mpanjono. Tsy misy amin'ireo firenena ireo mankatoa amin'ny fomba ofisialy ho fanjakana mahaleotena an'i Taiwan, fa mitazona ny fifandraisana ara-toekarena, fizahan-tany ary asa ary manana birao solontena ao amin'ilay nosy.

Tafaorina tsara

Tarehin-tsoratra ao amin'ny Taipei Grand Mosque. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Hita manerana an'i Taiwan ny Islamo fa mety ho hita kokoa any Taipei, izay misy ny Grand Mosque [10] ary miorina eo amin'ny sisin'ny Zaridaina Da'an Park (大安森林公園) — toerana malaza manan-tantara ao afovoan-tanàna. Naorina tamin'ny taona 1960 izy io ary nitazona fifandraisana manokana tamin'i Arabia Saodita [11]. Ny mpanao mari-trano, Yang Cho-cheng [12] (楊卓成), ihany koa no namolavola ny sasany amin'ireo tranobe malaza indrindra ao Taipei, toy ny Taipei Grand Hotel [13], Efitrano Fahatsiarovana Chiang Kai-shek [14], Teatra Nasionaly sy Efitrano fanaovana rindrankira [15].

Mitana anjara toerana lehibe ho an'ny miozolomana eo an-toerana amin'ny maha-fikambanana Islamika lehibe indrindra azyao amin'ny fiarahamonina ny Fikambanan'ny  Shinoa Miozolomana [16] (中國回教協會), izay mitazona ny fanondroana azy amin'i Shina amin'ny anarany araka ny niorenany tamin'ny taona 1938 tany amin'ny tanibe Shina. Mitana andraikitra ara-diplaomatika ankolaka ihany koa izy satria mitazona fifandraisana sy fifanakalozana amin'ireo firenena miozolomana izay tsy manaiky amin'ny fomba ofisialy ho firenena mahaleo tena an'i Taiwan, nefa mifandray amin'ny nosy ara-toekarena sy ara-pivavahana.

Mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina miozolomana shinoa Hui Chinese ao amin'ny tranohevan'ny vehivavy miozolomana ao Da'an Park, Taipei. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Eid al-Fitr: Fankalazana iray ho an'ny miozolomana sy ny tsy-miozolomana

Eid al-Fitr sign ao Da'an Park tamin'ny 23 Aprily. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Tamin'ny Alahady 23 Mey, nisy fankalazana ampahibemaso hanamarihana ny faran'ny Ramadany, fantatra amin'ny teny Arabo amin'ny anarana hoe Eid al-Fitr (Fetin'ny fanapahana fifadian-kanina [17]), natao tao amin'ny Da'an Park. Efa fanao isan-taona niaraka tamin'ny fanohanan'ny fiadidiana ny tanànan'i Taipei sy ny sampan-draharaham-panjakana hafa ny hetsika nanomboka tamin'ny taona 2016. Hita tamin'ny fankalazana ny tranoheva kely mampiroborobo ny sakafo, zava-pisotro, akanjo ary fahatsiarovana avy amin'ny tontolo miozolomana. Atolony ihany koa ny torohay momba ny finoana islamo amin'ny ankapobeny sy ny anjara asany ao Taiwan, sy ireo trakta sy torohevitra ho an'ireo mpiasa mpifindra monina — izay avy any Indonezia ny ankamaroany.

Nahasarika olo-malaza malaza ihany koa ny lanonana ofisialy, anisan'izany ny ben'ny tanànan'i Taipei Chiang Wan-an [18] (antoko Kuomintang), sy ireo lehiben'ny biraon'ny misolotena ireo firenena miozolomana, anisan'izany i Arabia Saodita sy Indonezia. Antitranterin'ny ben'ny tanàna ny filana fampivoarana ny fizahan-tany sakaizan'ny miozolomana, satria mirona mandeha miaraka maro kokoa ary manana filana manokana izay mety hampiroborobo ny indostria izay voa mafy noho ny valan'aretina COVID-19 ireo mpizaha tany avy amin'ny firenena toy izany.  Araka ity lahatsoratra The New Lens [8] ity:

In recent years, Taiwan has consistently been named one of the top non-Muslim country destinations in the MasterCard-CrescentRating Global Muslim Travel Index (GMTI), and right at the top for travel safety.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nametraka hatrany ny anarany ho iray amin'ireo firenena tsy-miozolomana an-tampon'ny tondro MasterCard-Volantsinana amin'ny dia miozolomana manerantany (GMTI) i Taiwan, ary eo an-tampony indrindra amin'ny dia voaaro.

Nanaraka izany fampisehoana an-kira, mampiseho ny fomba fandraisan'ny Taiwaney tsy miozolomana anjara amin'ny fampiroboroboana ny kolontsaina Arabo, Tiorka, ary Iraniana. Tarika iray ao an-toerana, antsoina hoe TabRaqs [19], no nanao hira Ejipsiana sy Tiorka nolalaovina tamin'ny zavamaneno Afovoany Atsinanana, araka ny hita ao amin'ny kaontiny Instagram:

View this post on Instagram

A post shared by TabRaqs中東鼓舞樂團 TabRaqs Middle Eastern Drum Dance Music Ensemble (@tabraqs_music_ensemble) [20]

Whether it's the first time you listened to us,  or already know us, and to all the friends who came to support us, TabRaqs Middle East Drum Orchestra thanks you for coming to enjoy the show.

Hope to see you at the next one!  Sincerely, Captain Ethan 🤗

Na sambany ianao no nihaino anay, na efa nahafantatra anay, ary ireo namana rehetra tonga nanohana anay, TabRaqs Middle East Drum Orchestra dia misaotra anareo tonga hankafy ny seho.

Manantena ny hahita anareo amin'ny manaraka indray! Misaotra, Kapiteny Ethan 🤗

Ho an'ilay firenena iray izay zara raha manana fifandraisana ara-diplaomatika feno amin'ny firenena 13 monja [21] — tsy misy amin'ireo mba firenena be miozolomana ao aminy — ny Islamo no mbola maneho indray mpanjotra hafa amin'ny firobohana sy hirika mampiseho an'i Taiwan ho firenena mahalefitra sy demaokratika.