- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tantaran'ny Okraniana iray tompon'andraikitra tao amin'ny faritra tsy azo aleha ao Chornobyl, teo ambany fibodoana Rosiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina, Ny Tetezana - The Bridge, Russia invades Ukraine, Russia invades Ukraine: One year later
Pripyat_Chernobyl_NPP

Ny tanàna haolon'i Pripyat sy ny fihibohana vaovao azo antoka ao amin'ny ‘reacteur’ faha-4 amin'ilay toeram-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny nokleary ao Chornobyl. Sary an'ny mpampiasa Konung yaropolk [1] (CC BY-SA 4.0 [2]).

Nadikan'i Svitlana Bregman avy amin'ny teny Okraniana 

Ity tantara ity dia anisan'ireo andiana andrana sy lahatsoratra, nosoratan'ireo okrainiàna artista nanapaka hevitra ny hijanona ao Okraina taorian'ny fananihambohitra nataon'i Rosia tamin'ny 24 Febroary 2022. Io andiany io dia iarahana mamokatra amin'ny Folkowisko Association/ [3]Rozstaje.art [4], noho ny famatsiambola iarahan'ny governemantan'ny Repoblika Tseky, Hôngroà, Pôlôney ary Slôvaky, amin'ny alàlan'ny fanohanana ara-bola iray ataon'ny International Visegrad Fund [5]. Ny asa tontosain'ity orina ity dia ny hanosika ireo hevitra hisian'ny fiarahana miasa maharitra isam-paritra ao Eorôpa Afovoany.

Ny 23 Febroary 2022, nandeha [nandao ny fonenany] i Vasyl Antonenko, 50 taona, mba hiasa mandritra ny 12 ora. Teny an-dalana avy any Slavutych ho any Pripyat izy — tanàna Okraniana mbola vao namboarina haingana tamin'ny vanim-potoana Sovietika mba hamaliana ny filàna nilain'ny toby famokarana herinaratra azo amin'ny nokleary tao Chornobyl [6]. Mandra-pitrangan'ny loza tamin'ny taona 1986 [7], fony nitsonika ka nipoaka ny ‘reacteur’ nokleary tao amin'ilay toby dia i Pripyat no tanànan'ireo injenieran'ny angovo, ary nosoloin'i Slavutych io tanàna io taty aoriana.

Toy ny mahazatra, nandeha tamin'ny fiarandalamby ao an-toerana i Vasyl, nanavatsava ny sisintany Belarosiana (ao anatin'ny ampahany amin'i Polissie, i Belarosiana no mamefy ny faritany Okraniana [8]) ary nody tao Okraina indray. Ny làlana fohy indrindra raha avy any Slavutych mankany Tchernobyl dia mandalo an'i Bielorosia. Adiny iray latsaka no anaovana izany. Raha mihodina ianao dia adiny enina raha haingana indrindra.

Miasa any Pripyat ao amin'ny ozinina mpamokatra rano i Vasyl, izay mamatsy rano an'ilay tanàna vaovao. Amin'izao fotoana izao, mamatsy rano fotsiny an'i Tchernobyl izy io mba hampangatsiahana ny solika nokleary. “Inona no hitranga raha toa atsahatrao ny famatsiana  rano? Ataonay izay azo atao mba tsy ho hahitàna izany”, hoy i Vasily sady nihomehy.

Nilaza ny tati-baovao [9] fa misy miaramila Rosiana napetraka tao Belarosiana. Nisy koa ny tsoa-kevitra hoe hiroso ho ao Kiev ireo Rosiana ary handalo amin'ilay faritra ty azo aleha ao Chornobyl [10], izay any amin'ny zato kilometatra eo ho eo. Ohatran'ny hadalana izany, saingy ny 24 Febroary dia nameno an'i Tchernobyl [11] i Rosia, na teo aza ny tahan'ny taratra avo izay mbola tena mampidi-doza, ary tena avo be lavitra noho ny fatra fiarovana azo antoka ny any amin'ny faritra sasantsasany. Nizotra hankany Kiev ny andia-miaramila sasany, raha ireo hafa kosa niroso nankany amin'ilay toby nokleary ao Tchernobyl, nanitsakitsakika indray koa ny lalàna iraisam-pirenena. Mpiasa mihoatra ny zato tao amin'ny toby, ary koa ireo manampahefana avy amin'ny Garde nasionaly izay niandraikitra ny fiarovana no nalainy ho takalon'aina.

Nomen'ireo mpibodo baiko ny Mpanaramaso ny fifandimbiasan-toerana ao Tchernobyl mba hampiantso ireo mpiasa amin'ny famatsiana rano. Na izany aza, nasaina nijanona i Vasyl satria mbola mila famatsiana rano tsy tapaka ilay toby mpamokatra herinaratra. Ny tena mahamaika azy ireo dia ny hisorohana ny fitsonehan'ny foto-drafitrasa mampiantrano ilay reacteur, izay hiteraka fivoahan'ny taratra mahafaty (radioactif).

Izay koa no nahatonga an'i Vasyl ho irery tao amin'ilay tanàna haolo. Mandre fipoahana avy any lavitra any izy, ary mampitahotra sy mahakivy ny tsy fahazoana antoka ny zava-miseho.  Mpivavaka i Vasyl sady nazoto tao amin'ny fiangonan'ny vondrom-piarahamonina ara-pinoana misy azy, araka izany nanapa-kevitra izy fa mila fotsiny mahatoky an'Andriamanitra amin'ny fanaovana ny asany toy ny mahazatra. Feo mitaintaina iray tamin'ny telefona no nampita ireo torolàlana avy amin'ny toby famokarana herinaratra mba hampitomboana na hampihenana ny famatsian-drano, ary nanao izay ho afany i Vasyl mba hisakanana ny loza nokleary iray hafa tsy hitranga.

Tsy ela dia tonga tao amin'ilay fotodrafitrasan'ny rano ireo Rosiana satria niteraka fahatapahan'ny herinaratra tao amin'ilay toby ireo daroka baomba nandritra ny herinandro voalohany. Tsy ny paompy ihany no tsy afaka nampakarana rano ; nitsahatra tsy nandeha intsony ihany koa ireo fitaovana hafa rehetra. Nanomboka niady saina i Vasyl satria tokony hitohy ny famatsiana rano. Tsy misy afatsy andro vitsivitsy sisa mialohan'ny hitrangan'ny loza. “Manana tahirin-drano ny toby, saingy tsy maharitra afatsy fotoana voafetra. Aorian'izay dia manomboka mafana be ny solika ary hampitsonika ireo fotodrafitrasan'ilay trano fialofana.

Nanazava tamin'ny Rosiana ilay lehiben'ny fifandimbiasan-toerana fa hiteraka loza goavana ny fahatapahan'ny herinaratra. Manana vondrom-pihary herinaratra (groupe electrogène) ny toby, saingy tsy misy solika ho amin'izany. Soa ihany, naharesy lahatra azy ireo ilay mpanaramaso. Nanomboka notrohan'ireo miaramila Rosiana ny solika tao anatin'ny milin-dry zareo izay nandroso ho ao Kiev. Isanandro, nandritra ny dimy andro, efa ho ny antsasaky ny solik'ireo Rosiana no nomeny mba hikarakarana ireo milina mpiteraka angovon'aratra, izay nahatonga ny sasany tamin'ireo fiara mifono vy ho tafahitsoka. Azo antoka fa hitan'ny mpitantana ny Tchernobyl tao anatin'izany ny fandraisany anjara amin'ny fiarovana ny renivohitra.

Nandritra ny fotoana vitsy, nisy mpamily iray antsoina hoe Volodia nanatitra ny sakafon'i Vasyl tany amin'ny toby famokarana herinaratra. Olona iray izay nahafahan'i Vasyl niresahana fohy sy nahazoana ireo vaovao mikasika ny zava-misy tao amin'ny toby, saingy tsy afaka nijanona ela loatra izy noho ny tahotra ny hanorisory ireo Rosiana. Taty aoriana kely dia nanome baiko ny jeneraly tao ny hitondràna an'i Vassyl hankany amin'ny toeram-pisakafoanana ao amin'ilay toby mpamatsy herinaratra rehefa hisakafo antoandro.

Izay no nahatonga an'i Vasyl ho tonga tany Tchernobyl indray mandeha isanandro. “Naloto ilay izy, miaraka amin'ireo fakon-dry zareo miparitaka, ny akanjony maloto. Ny olona nalahelo sady reraka. Hitako ireo manamboninahitra avy amin'ny fiarovam-pirenena, ireo tovovavy sy lehilahy niambina ny toby famokarana herinaratra. Nobaboin'ny Rosiana avokoa izy ireo, ary nihevitra izy ireo fa tsy ho avotsotra mora foana. Nanakaiky ny sasany tamin'izy ireny aho ary niteny taminy moramora hoe :”Henoy fa hivavaka ho anareo aho. Handeha ho azy ny rehetra.”

Tsy ampoizina izay ho fihetsik'ireo Rosiana nisambotra azy, ka nanafina sakafo i Vasyl, sao sanatria. Raha toa manapa-kevitra ny hanakorontana ireo Rosiana dia antenainy ny ho afaka handositra tsy hisy mpahita. Raha ny marina fantany tsara ny ala teo amin'io faritra io. Teraka tao an-tanànan'i Stechanka izy ary nonina tao izy sy ny fianakaviany, efa ela be talohan'ny fananganana ny toby ao Tchernobyl tamin'ny 1970. Rehefa lehibe izy, tazan’i Vasyl avy teo an-jaridainany ireo fantsona lavabe fampidiran-drivotra ho an'ilay toby. Napetraka ny làlana vaovao, ary nomena herinaratra ny trano, izay mbola tsy nananany teo aloha. Tonga tao amin'ilay toby avokoa ireo tanora avy amin'ny faritra rehetra tao amin'ny Repoblika Sovietika Okraniana, ary  nipetraka tao Pripyat, ilay tanànan'ny ampitso, naorina teo imason'ny rehetra, niaraka tamin'ny zaridaina vaovao, ny làlana, ny sekoly ary ireo tranobe goavana vaovao. Tondraka ny zavatra rehetra teto, ary sambatra ny rehetra, noho ny fisian'ilay “atoma tia  milamina”.

Valo ambin'ny folo taona i Vasyl fony nitranga ny loza tamin'ny 1986. Tamin'izany fotoana izany, nanampy tamin'ny famonjena ireo soavaly sy omby tao amin'ny toeram-piompiana iombonana izy. “Nikaroka azy ireo izahay, navondronay ho andiany izy ireo ary nentinay tamin'ny fiarabe”. Toy izao no tsaroan'i Vasyl tamin'izay andro izay : nihiakiaka sy nitomany ireo soavaly, ny mason'ireo zokiolona malain-kisaraka amin'ireo biby fiompiny ary tsy te-handao ny tranony.

Taorian'izay, nanao raharaha miaramila i Vasyl, ary tamin'ny fiverenany dia tsy azo nonenana intsony ny tanàna nahaterahany noho ireo ala sy ny taratra, noho izany dia nipetraka tany ivelan'ilay “faritra” izy. Efa andalam-panamboarana tanàna iray vaovao, Slavutych, ireo mpiasan'ny Tchernobyl nafindra avy tao Pripyat. Tena madio izany, namirapiratra sady nahafinaritra. Nisy ny asa ary tsara karama. Tamin'ny voalohany, niasa tao amin'ny toby famokarana herinaratra i Vasyl tao amin'ny rantsana fampitaovana ny ‘turbine’. Izy no nisahana ny fanamboarana ny simba, saingy rehefa nakatona ny toby famokarana herinaratra tamin'ny taona 2000 dia nafindra tany Pripyat izy mba hiasa tao amin'ny orinasa mpamokatra rano, izay nitohy namatsy ilay reacteur matory tao Tchernobyl.

Ny làlana lava be hodiana

Tamin'ny 2022, nandritra ny fibodoan'ny Rosiana dia zara raha nanana antony handaozana ny toeram-piasany i Vasyl. Raha tao amin'ny orinasa mpamatsy rano dia asan'ny “mpiasa mpampifandray” no niandraiketany. Nandritra ireo andro voalohany tamin'ny fibodoana, tapaka avokoa ny fifandraisana rehetra tany amin'ilay faritra tsy azo aleha, nampiasa telefona tsy fitondra mandehandeha i Vasyl mba hifandraisany amin'ireo olona ao amin'ny toby mpamokatra herinaratra, sy tmin'ny fianakaviany. Tena zava-mahagaga fa mbola nanana telefona analogy tranainy be ihany izy tao an-trano, izay efa marobe no tsy nampiasa izany intsony hatry ny ela. Vokatr'izay, afaka nampita vaovao isanandro momba ny toedraharaha ao an-toby famokarana herinaratra ny vadin'i Vasyl ho an'ireo olona izay tsy afaka nifandray intsony tamin'ny fianakaviany. Nandritra izany fotoana izany, nahazo fanavaozam-baovao mikasika ny faritra Tchernihiv i Vasyl, izay nodarohan'ny Rosiana baomba.

Tsy dia niseho matetika tao amin'ny tobin-drano ireo miaramila Rosiana. Tsy dia mahery setra loatra izy ireo, saingy miedinedina sy mampiasa lantom-peo fenoavona. Nilaza izy ireo fa hamerina ny  URSS. Teraka tao Okraina Sovietika i Vasyl, saingy ho azy, tena tsy misy ifandraisany ireo fihetseham-po ireo. “Niaina ny fiainany teto ireo ray aman-drenibeko. Avy eo tonga ny governemanta Sovietika ary nanaisotra ara-bakiteny ny zava-drehetra tamin'ny vahoaka. Tsy azoko ity embona ity”.

Hitany sy fantany fa nikisaka ao amin'ny faritra tsy azo aleha ireo Rosiana, ka tandindonin-doza. Azony notenenina azy ireo izany, saingy tsy nisy nanontany. “Milaza ny Baiboly fa, rehefa misy mamely ny takolakao, dia omeo azy koa ny takolakao ilany hafa. Saingy izany tsy milaza fa rehefa misy olona mamely ny havanao dia tsy maintsy omenao koa ny takolakao iray hafa na kapohanao ny havanao.”

Tamin'ny andro faha-efatra amby roapolon'ny tamin'ilay fifandimbiasan-toerana maharitra teo ambany fibodoana, dia nilazana ireo mpiasa madinika fa afaka mody any aminy ny mpiasa sasany ; hisy hisolo azy ireo. Naondrana tao anaty fiarabe mpitatitra ny olona ary naterina nody tany aminy, namakivaky an'i Belarosia.

Tao Belarosia, narahi-maso sy nosavaina avokoa ireo mpiasa avy ao amin'ilay toby mpamokatra herinaratra, tahaka ny milaza hoe ara-dalàna daholo izay rehetra nataon'ireo Rosiana. Niampita fitehirizan-drano ny làlana mody, saingy tsy dia niraharaha izay hitandrina loatra ireo tafika mpibodo raha nandeha niampita ny renirano. Soa ihany fa nisy mpanjono roa, Anatoliy sy Serhiy, avy tao amin'ny tanàna Okraniana Minov teo amin'ny sisintany, nanolo-tena mba hanampy hampita ireo mpiasan'ny Tchernobyl trotraka. Notaterin'izy ireo tamin'ny sambokely hazo  namboarina vonjimaika ireo olona, ary notakian'ireo Rosiana ny sambo tsy andrakofana ny ambo, tsy asiana lay ho fiarovana amin'ny orana ary tsy misy jiro, na dia mirotsaka aloha be aza ny haizina rehefa vanimpoatoana mangatsiaka tahaka izany. Niasa tao anatin'izany toe-javatra sarotra ireo mpanjono, fiampitàna 25 no nataon'ireo mpanjono tao anatin'ny iray andro. Mivoy milamina tsara izy ireo mba tsy hivadihan'ny sambo ao anaty rano mangatsiakan'ny volana Martsa, amina toerana izay hikorianan'ny renirano Dnipro izay iray kilometatra sy sasany ny sakany.

Nitsirika tao anaty haizina i Vasyl ary natahotra satria efa tena tsizarizary ilay sambo, ary raha tsy nisy an'ireo mpanjono mahay dia efa mety nivadika ilay sambo. Tamin'izany fotoana izany dia tena feno fankasitrahana tsy nisy farany an'Andriamanitra sy ireo hafa koa izy noho ny nahafahany nivoaka ny fonja, izay nanaovany ny fara-heriny mba hampatoriana ilay biby goavam-be nokleary.