- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ampy ho an'ny hetsika soca roa lehibe ve ny ‘Zoma mahafinaritra rehefa ‘ Fetiben'i Trinidad & Tobago ?

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Mozika, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Machel Montano, kintan'ny Soca tao amin'ny OVO Fest tao Toronto, tamin'ny 30 Jolay 2016. Sary an'i Charito Yap ho an'ny The Come Up Show, avy amin'ny Flickr, CC BY-ND 2.0 [2].

Miaraka amin'ny tokony nakalazàna voalohany indrindra ny Karnavaly [3] hatramin'ny taona 2020 [4] tao Trinité-&-Tobago ny faha-20 sy faha-21 Febroary, ireo mpankafy Karnavaly dia efa nandray anjara avokoa tamin'ireo fety marobe, rindran-kira [5] sy hetsika hafa [6] mifandraika amin'izany mankany amin'ny filatroana andalam-be maharitra andro roa.

Fisarihana goavana hatrany ilay kintan'ny mozika Soca, Machel Montano, [7]ary tamin'ity taona ity, taorian'ny nanambaràny fa ny rotsa-bolany fanaony isan-taona amin'ny hetsika ataony (fantatra amin'ny anarana hoe “Machel Monday” satria ny Alatsinainy mialoha ny Karnavaly no fanaovany azy) no ho  farany, dia nanambara, tsy ela akory izay, [8] fa hanao hetsika antsoina hoe “Machel 40″, izay hankalazany ny efapolo taona maha-mpanakanto Soca azy.

Noraisina tamim-pientanam-po lehibe ilay fanambaràna, indrindra fa  mampientanentana sy makotroka hatrany ireo fampisehoana mivantana ataon'i Montano, mametraka ny mpanatrika anatin'ny fanahin'ny Karnavaly. Na izany aza, somary voatsikera kely ilay olomalazan'ny soca tamin'ny fotoanan'ny fampisehoany, izay tokony natao tamin'ny Zoman'ny Karnavaly 17 Febroary, daty iray izay mifandona [9] amin'ny Hetsika Iraisam-pirenena Soca Monarch [10] (ISM) :

MACHEL 40
SEHO 🌍 TOKANA
Zoman'ny Karnavaly

TONGASOA ETO AN-TANINDRAZANA🪘

TAPAKILA AMIDY 1 JAN #MM40 [11] #MONK#sehoTOKANA
#TongasoaEtoAnTaniindrazana#ZonaNyKarnavaly#Karnavaly2023 @monkmusicgroup [17]

Tamin'ny 1993 no natao ny fifaninana voalohany tamin'ny International Soca Monarch [20], ka tanjona ny famoronana “tontolo iray hahafahan'ny mozika soca ho hita eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no sady ankafizan'ireo mpankafy an'io karazana io”. Mifaninana hahazo [21] ilay anaram-boninahitra sy ny loka miaraka aminy izay nanana haavo  1 tapitrisa TTD tamin'ny 2009 (latsaky kely ny 150.000 dôlara amerikàna). Ny Zoma mialohan'ny karnavaly foana no nanaovana ny fampisehoana, nomena anarana hoe “Zoma Mahafinaritra”.

Tamin'ny 2021, nomarihan'ilay [22] mpanao gazety, Laura Dowrich-Phillips, fa : “Na efa anaty vanim-potoana tetezamita na efa ho faty aza ilay fifaninanana, dia mbola nisitraka hatrany ny toeram-pireharehana tao anatin'ireo  taompolo vitsy farany, amin'ny maha-iray azy amin'ireo fampisehoana voalohany mandritra ilay fetibe.”

Na izany aza, nanoro hevitra [23] ny sasany tamin'ireo mpankafy Karnavaly fa ny ISM no ho voa mafy raha toa tsy maintsy hifaninana amin'i Montano, lanja mavesatra, ao anatina kianja feno mpanjifa mitovy ihany :

Others seemed confused that both events were happening on the same day:   ….      Ireo hafa dia toa sahiran-tsaina fa andro iray no hanaovana ireo hetsika roa :

Hitako Machel milalao ny Zoma Mahafinaritra. Tsy misy Soca Monarch 2023 ve sa any an-toeran-kafa no hanaovana azy ?

— JoAnna E. 🇹🇹🇺🇸 (@joannaeblog) 22 Desambra 2022

Teo amin'ny Twitter, tsy resy lahatra i Dowrich-Phillips hoe hanana ny hery hiverenana amin-kery ny ISM, efa tsy niseho sehatra rahateo tato anatin'ireo taona vitsy farany :

Tena azo antoka ny fahafatesan'ny Soca Monarch raha ny hamerina azy no nodinihan-dry zareo. MM no mandray ny fanevan'ny Zoma Mahafinaritra 2023.

— Laura Dowrich (@ldowrich) 21 Desambra 2022

Hoy izy nanampy :

Nahoana ny olona no manao tahaka ny tsy misy hetsika Zoman'ny Karnavaly foana ary toa sahala amin'ny mihena be ny vahoakan'ny Soca Monarch taorian'ny nitsaharan'ny MM sy ireo baomba be tsy handray anjara intsony? Ekena Allyuh jokey.

— Laura Dowrich (@ldowrich) 7 Janoary 2023

Ny International Soca Monarch dia niantomboka [29] ho toy ny loharanom-bola, hevitra vaovao nentin'ilay mpanentana Karnavaly William Munroe. Tamin'ny taona 2011 tany ho any,  nanomboka nanintona ny fanohanan [29]‘ny Fitondrana ilay fampisehoana, angamba voasintona noho ny endrika ara-javakantony, saingy nifàka tao anatin'ny fifaninanana ny foto-keviny.

Nampahatsiahy ny mpanaraka azy ny mpampiasa Twitter, Tillahwillah, fa :

Mandritra izany fotoana izany, izay rehetra tsy ara-barotra dia voateny momba ny herin'ny tsena sy ny fifaninanana. Tsy manan-danja ny olan'ny fifaninanana afa-tsy ho an'ireo izay mendrika na nahazo ny zo hahazo vola amin'ny fomba nekenareo. Aza taitra, aza taitra.

— Tillahwillah (@tillahwillah) 7 Janoary 2023

Tamin'ny farany, nanolo-kevitra [31] ny mpampiasa Facebook, Andy A. Neils, hoe teraka avy amin'ny safidin'ny tena manokana izany :

Ny fientanentanana mahazatra amin'io andro io dia tokony ho avo roa heny satria hetsika goavana roa no voalahatra hitranga mandritra ny Zoma Mahafinaritra. Mazava ho azy fa misy toerana hahafahan'ireo hetsika roa ireo hatao amin'io andro io ihany, saingy tsy voatery tsy maintsy hisafidy ny mpijery fety.

Ny namany mpampiasa Facebook, Dane S G Wilson, dia nanantena [32] ihany koa fa samy hahazo ny anjarany ny rehetra :

Antenaiko fa tena hivoaka tsara ny Soca Monarch 2023.
Mirary an'i Machel hahomby aho amin'ireo fampisehoana Karnavaly rehetra ataony.

Niombon-kevitra tamin'ny fomba fijerin'i Simon Baptiste ihany koa izy, ilay tale taloha namorona ny ISM, izay nanambara [8] tao amin'ny Trinidad-&-Tobago Newsday fa ilay fifaninanana dia fomba iray hanosehana ireo mpanakanto vaovao amin'ny soca sy hanampiana azy ireo hahazo olona mpanaraka azy:

Manome hery an'ireo sasany izany no sady mandrisika ny hafa, amin'nyfanomezana zo an'ireo mpamorona mba hanambara am-pireharehana amin'ireo mpankafy manerana ny tontolon'ny Karnavaly.

Nandritra ny taona maro, mpanakanto goavana marobe amin'ny soca, na trinbagoniàna izy na avy amin'ireo faritany hafa ao Karaiba, no nandresy [33] tamin'ny fifaninanana ISM, anisan'izany i Montano izy tenany. Etsy andanin'izany, nanaiky [8] i Baptiste fa ireo endrika  fifaninanana sy raharaham-barotra ananan'ilay hetsika dia sady nanimba no nahasoa :

Ny fitantanana ratsy, fahaizana mivarotra sy tsy fisian'ny fandavantena avy amin'ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakàna, no tsy isalasalana fa nanimba ny fahafahany ho tafavoaka velona, saingy inoako fa miaraka amin'ireo manana fijery tsara eo amin'ny fitarihana – ireo izay tsy manana fandaharam-potoana na faniriana tombony goavambe – ny Soca Monarch dia afaka hamerina ny tenany hipetraka ho lohalaharana […]

Ho hita eo na mbola ho hisy na tsia izy io rehefa  Zoma Mahafinaritra 2023.