- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-baovaon'ny RV : “Whose Voices” Feon'iza? Andiana podcast momba ny rariny amin'ny fiteny

Sokajy: Mediam-bahoaka, Taratasim-baovao, Rising Voices

Sary an'ny “Whose Knowledge?” Fampiasàna nahazoana alalana

Fanamarihan'ny Rising Voices : Ny taratasim-baovao avoakanay isam-bolana dia manolotra famintinana ireo  lahatsoratray am-bilaogy nivoaka vao haingana mikasika ny lafiny rehetra amin'ny fampiatiana nomerika, anisan'izany ny fidirana feno sy ny fanekena ireo fitaovana nomerika, ary koa ny fomba sy fahafahana samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina mba handray anjara feno aty anaty tambajotra. Vakio eto [1] ny mikasika ireo famoahana tany aloha amin'ity taratasim-baovao ity.

Ry mpamaky malala, manao ahoana ianao ?

Dia volana Aprily isika izao ary tianay ny hampahafantatra anareo ny andiana podcast iray tsara indrindra mitondra ny lohateny hoe Whose Voices [2] ? avy amin'ny Whose Knowledge? vondron'olona iray manao fanentanana mba “hamondronana ireo fahalalan'ny vondrom-piarahamonina voahilikilika (ny ankabeazan'izao tontolo izao) ato amin'ny aterineto”. Ao anatin'ity andiana podcast ity dia ho henonareo ny tafatafa niarahana tamin'ireo mpikatroka maneran-tany ho an'ny fiteny, izay anehoan'izy ireo hevitra mikasika ny rariny amin'ny fitenenana ao anatin'ny tontolon'ny nomerika.

Mamporisika anareo izahay hiezaka hanakatra, raha toa ka hiala sasatra ny tarika ambadiky ny Whosse Voices ? aorian'ireo fizaràna 15 amin'ireo fifanakalozan-kevitra mahaliana. Hita eto [3] avokoa ireo fizaràna rehetra. Mihainoa finaritra àry !

BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BLAOGIN'NY RISING VOICES

Liana amin'ny fianarana mivantana mikasika ny anjara asan'ny Aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana aina vao indray ireo fiteny zanatany, vitsy an'isa, tandindonin-doza na tsy ampy fitaovana ve ianareo ? Ny Rising Voices sy ny mpiara-miasa aminy ankehitriny dia mitondra fihodinana vaovao ho anareo amin'ilay fifandimbiasam-panentanana Twitter ho an'ny taona 2023, ahitana isan-kerinandro ireo mpikatroka nomerika maneran-tany ho an'ny fiteny. Andao hiaraka anay ary henoy izay ho zarain'izy ireo !

@ActLenguas [4] (Amerika Latina)

Efa nanontany tena ve ianao hoe : Inona no tsy maintsy atao hanomezana aina vao indray ny fiteny iray efa miala aina? Ao anatin’ity lahatsoratra ity [7], manasa anao izahay hiara-hipetraka amin'i Uday Raj Aaley — mpikaroka sady mpanoratra – ary hihaino ny tantaran'i Kusunda lazainy mikasika ny dikan'ny fitazonana ny fiteny iray tsy ho fongana, inona no tafiditra amin'izany, ary izay tokony mbola hatao.

FAMATSIAMBOLA

Miasa ho amin'ny/miara-miasa amina fikambanana na anjerimanontolo iray miorina ao amin'ny faritra Azia-Pasifika ve ianao, izay miezaka mba hahamora kokoa ny  fahazoana aterineto amin'ny resaka fampiatiana, fotodrafitrasa sy fahalalana ? Ankehitriny, mandray fangatahana ho an'ireo fanampiany marolafy Internet Access Grants – taona 2023  ny ISIF Azia ; Azo jerena ato [8] ny fanampim-panazavàna bebe kokoa. Daty farany fangatahana : 30 Aprily 2023 amin'ny 11h59 (UTC + 10)

Ho an'ireo mpanatontosa sarimihetsika maniry ny hitondra ny feon'ireo vondrom-piarahamonina tsy heno/nahilikilika manerana izao tontolo izao ho any amin'ireo mpihaino midadasika kokoa : ny CrossCurrents International Doc Fund dia manana vina tahàka izany ary maniry ny hanohana anao amin'ny tetikasanao. Azo jerena ato [9] ireo fepetra firotsahana sy ireo antsipirihan'ny fangatahana. Daty farany fangatahana : 2 Jona 2023 amin'ny 23h59 (EDT)

Neken'ny Vondron'ireo Mpampiasa Yoruba Wikimedians fa tsy mora foana akory ny fidirana amin'ny Aterineto ho an'ireo mpandray anjara ao aminy ka monina ao Afrika, ary lasa sakana lehibe ho azy ireo amin'ny fandraisana anjara amin'ny Wikipédia Yoruba sy koa amin'ireo tetikasa mifandraika amin'izany. Amin'izao fotoana izao, ny fandaharanasa famatsiambola madinika Internet Support no valiny nomen'ilay Vondrona Mpampiasa amin'ity fanamby manokana atrehana ity (eto [10] ny antsipirihany). Fanokafana ny fangatahana : ny 1 Aprily 2023 hatramin'ny 30 Aprily 2024.

HIRIKA| VATSIM-PIANARANA & TOHANA ARA-BOLA

Vazimba teratany monina any Etazonia sy Kanada ve ianao ary mihevitra fa manana vahaolana izay hitondra soa ho an'ny vondrom-piarahamoninao eo amin'ny sehatry ny angovo maharitra, ny fandraharahana, ny fanabeazana na ny fahasalamana sy ny fiadànana ? Ny MIT Solve dia maniry ny hanohana anao amin'ny programanao amin'ny alalan'ny Famatsiambolany 2023 ho an'ireo Fikambanana Vazimba teratany. Azo jerena eto [11] amin'ny tranonkalany ofisialy ny antsipirihany fanampiny. Daty farany fangatahana : 9 May 2023.

VALISOA

Misokatra izao [12] ny firotsahana ho kandidà hahazo ny  Loka Kurt Schork amin'ny asa fanaovana gazety iraisam-pirenena. Io loka io dia mikendry ny hanome voninahitra ireo izay nanokan-tena amin'ny fanaovana tatitra feno herim-po avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, ao anatin'ny andraikitry ny mpanao gazety miasa tena, ny mpanangom-baovao avy eo an-toerana sy ireo mpanelanelana mitady vaovao (fixers) — azo alaina ao amin'ny pejin'izy ireo manokana ireo antsipirihany ho an'ny sokajy tsirairay. Daty farany fangatahana : 31 May 2023 misasakalina (GMT)

HETSIKA & KAONFERANSA HO AVY

Eto ny Global Digital Development Forum 2023 ! Liana ve ianao ny hahalala izay mety ho anjara asan'ny teknolojia vao misondrotra (toy ny IA sy ny 5G) any anatin'ireo sehatra mifandraika amin'ny fiovàna toetrandro sy firoboroboana nomerika ? Vintana ho anao ity hiarahana amin'ireo olona mitovy hevitra aminao manerana izao tontolo izao mba hahalalanao sy hizaranao ny hevitrao manokana. Daty : 26 – 27 Aprily 2023 / RSVP [13] hatramin'ny 15 Aprily 2023

HAMAKY BEBE KOKOA, HIJERY sy HIHAINO

Misorata anarana hahazo ny taratasim-baovaon'ny Rising Voices [17]

 

Isaorana i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisana anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.