- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana Birao FiPi GV 2023: Manolotra ireo solontenan'ny vondrom-piarahamonina GV vaovao!

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV
[1]

Ireo solontena vaovao voafidy ho ao amin'ny Birao Filankevi-pitantanan'ny Global Voices: (ankavia miankavanana) Gabriela García Calderón, Juke Carolina Bransiecq, Subhashish Panigrahi

Ravoravo izahay manambara ny voka-pifidianana Birao Filankevi-Pitantanan'ny (FiPi) GV 2023!

Nofidian'ny vondrom-piarahamonina GV i Juke Carolina Bransiecq sy Subhashish Panigrahi ho solontenantsika vaovao avy amin'ny volantera, ary i Gabriela García Calderón ho solontenantsika avy amin'ny manana fifanarahana arakasa.

Olona 303 no nandrotsa-bato tamin'ity taona ity, 11% amin'ireo mpifidy mahatratra 2.274.

[2]

Indreto ary ny isa:

Solontenan'ny Volantera
Juke Carolina Bransiecq 122
Subhashish Panigrahi 105
Isela Xospa 101
Kevin Rennie 90
Khojasta Sameyee 80
Alex Esenler 70
Reda Harbi 38

Solontenan'ny Mpiantoka asa
Gabriela García Calderón 108
Mariam Abu Adas 98
Giovana Fleck 97

Arahabaina ry Juke, Subha, ary Gabriela—fantatray fa hanao asa tsara dia tsara ry zareo hisolo tena ny vondrom-piarahamonina ary manantena fatratra azy ireo ao amin'ny biraon'ny FiPi GV.

Ary isaorana ianareo rehetra kandidà nandray anjara tamin'ny fifidianana, sy ianareo rehetra naka fotoana handrotsa-bato!