- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antenain'ilay mpanao firavaka hampisy fiantraikany hatrany ny Lalan'ny Hazofijaliana nomeny ho an'ny fiangonana iray ao Trinidad

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Iray amin'ireo Lalan'ny Hazofijaliana ( Stations of the Cross) ao amin'ny Fiangonana Anglikanin'ny Olona Masina Rehetra any Port of Spain, Trinidad, noravahan'ilay mpanao firavaka Gillian Bishop. Sary [1] nalaina tao amin'ny ranty Facebook an'ny Bishop hitam-bahoaka, ary nahazoana alalana taminy.

Raha samy ahitana foko maro sy fivavahana maro i Trinidad sy Tobago, fara fahakeliny ny 63 isanjaton'ny mponina ao aminy — izay tombanana eo amin'ny 1,5 tapitrisa eo ho eo — no manaraka [2] karazan'endri-pivavahana kristiana.

Araka izany, fotoana ankalazaina feno ny Paska, feno fomban-drazana [3] manintona izay ahitana fikarakarana sakafo manokana [4]. Tamin'ity taona ity anefa, Gillian Bishop, mpanao firavaka malaza [5]nizara lahatsoratra tao amin'ny Facebook izay nanasongadina ny fifandimbiasana eo amin'ny zavakantony sy ny singa fototra amin'ny fankalazana ara-pivavahana ny Paska: ny Stations of the Cros [6]s (Ny Lalan'ny Hazofijaliana) [6].

Ny fiangonana mihitsy no mahatonga ny tantara ho miavaka kokoa. Fiangonana Anglikana izay mipetraka eo amin'ny vakim-paritra andrefan'ny Zaridainan'ny Mpanjakavavy ao Savannah [7] any Port of Spain ny All Saints (Olona Masina Rehetra) [8]. Vita tamin'ny taona 1844 izy io, toerana lova ara-kolontsaina voaaron'ny Lalàm-Pitokisam-Pirenena ao Trinidad sy Tobago [9] noho ny zavamahaliana ara-maritrano, hatsaram-bika ary ara-tantara.

Taona maro lasa izay, nihaona tamin'ny mpikambana tao amin'ny Sanctuary Guild (Fikambanan'ny Toerana Masina)-n'ny fiangonana i Bishop (efa mpikambana tao amin'ny Guild Sanctuary Junior izy tamin'ny mbola kely) mba hanoro hevitra azy ireo momba ny fanadiovana polipitra varahina. Rehefa teo izy, dia nahatsikaritra fa ny sarin'ny Lalan'ny Hazofijaliana (Stations of the Cross) 14, izay hita amin'ny ankamaroan'ny fiangonana Kristianina, dia natao printy tamin'ny taratasy habe fanao dika mitovy ary naraikitra tamin'ny rindrin'ny fiangonana. Lasa mifangarika izany, tsy mifanentana mihitsy.

Teny an-dalana hivoaka, dia niresaka tamin'ny tompon'andraikitry ny Kanona (fitaovam-piangonana) amin'ny paroasy izy, izay nanazava fa ” natao hanasongadinana ny filàna hahazoana andian-Toby sahaza ny Olona Masina rehetra ny fisian'ireo taratasy hita miharihary fa tsy mety ireo hahatonga setriny avy amin'ny mpikambana ao amin'ny fiangonana sy ny mpitsidika”.

Nandaitra ilay drafitra. Nanolo-tena hamolavola hevitra i Bishop, saingy nandeha lavidavitra kokoa ary namokatra maodely, satria tsapany fa “mety ho sadaikatra amin'ny fijerena ilay vokatra vita amin'ny kisarisary fotsiny ireo o sarotra amin'ny mpikamban'ny sakristia sy ny vehivavy manankaja ao am-piangonana.”

Sary an-tsolosaina ahitana ny lalana voalohany amin'ny hazofijaliana, nampindramin'i Gillian Bishop, nahazoana alalana.

Tamin'ny farany, nomena ny fankatoavana nahitana “fanovàna kely” tamin'ny tefibika aorizinaly izy, ary nanazava [1] ny fomba fiasany tsimanampaharoa:

I was not confident of my ability to draw my own rendition of the crucifixion scenes and so I took some classic artwork in the public domain and manipulated it in the following way. I imprinted the pictures on a specially treated brass and isolated the figures of Jesus Christ and the Virgin Mary in copper and brass respectively, cut them out by hand using the ancient technique known as piercing, and then superimposed them upon the printed images. We deliberately left out the features so as to create rather more ethereal figures.

 Tsy natoky tena aho tamin'ny fahafahako nanao ny sarin'ireo lalan'ny hazofijaliana ka naka sanganasa fahita mahazatra ao amin'ny sary azon'ny rehetra ampiasaina ka nikirakira izany toy izao manaraka izao. Nataoko printy tamin’ny varahi-maitso nokarakaraina manokana ny sary ary navahako tamin’ny varahina ny sarin’i Jesoa Kristy sy Maria Virjiny, ary notapatapahiko tamin’ny tanana izany tamin’ny alalan’ny teknika tranainy antsoina hoe fandavahana, ary avy eo dia napetrako teo ambonin’ireo sary vita printy. Ninianay navela ireo soritsoritra mba hamorona endrika madio kokoa.

Notohizany [1] hoe:

Each picture was mounted upon a square of hand finished teak wood, which was in turn mounted upon a larger square of brass-clad teak, then on a square of bronze glass. This was then mounted on a cross of teak whose finials were embellished with hand pierced brass and copper. The finial design consisted of a floral motif into which was incorporated the dove of peace.

Napetaka teo amin'ny hazo teak efa-joro vita tanana ny sary tsirairay, ary io indray no napetaka tamin'ny efamira lehibe kokoa vita amin'ny hazo teak sy varahina, izay avy napetaka amin'ny efamira vita amin'ny fitaratra varahina. Avy eo ity farany ity napetaka teo amin'ny lakroa vita amin'ny hazo teak izay noravahana varahimaitso sy varahina nolavahana tamin'ny tanana. Ahitana haingom-boninkazo izay nampidirana ny voromailalan'ny fiadanana ny endrika farany .

Mbola tsapa tena miorim-paka ao amin'ny fomban-drazana varahina Ken Morris [10], endrika zavakanto ankafizin'ny an-toerana, ny Lalan'ny Hazofijaliana saingy maneho ny marika mampiavaka an'i Bishop ihany koa. Napetraka tao amin'ny fiangonana nialoha ny vanim-potoanan'ny Karemy taona 2005  indrindra izy ireny ary mijanona ho tsy voafetran'ny fotoana sy mifanaraka tsara amin'ny toerana.

Hoy [11] i Bishop mikasika ny traikefa:

I shall always be grateful for the opportunity to do this important work and it is my prayer that the practice of the Way of the Cross with these new Stations helps to propagate the lessons of the of the crucifixion story.

 Ho feno fankasitrahana mandrakariva aho noho ny fahafahako manao izany asa lehibe izany ary mivavaka aho mba hanampy amin'ny fampielezana ny lesona momba ny tantaran'ny fanombohana tamin'ny hazo fijaliana ny fampiharana ny Lalan'ny Hazofijaliana miaraka amin'ireo Toby vaovao ireo.