- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Ingrid Patetta, mpandika teny Lingua frantsay

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Momban ny mpandika teny, lingua
This is a picture of Ingrid.

Sary nampindramin'i Ingrid Patetta [1]. Nahazoana alalana. Saripikan'i Georges Heilmann

Global Voices: Lazalazao anay ny momba anao—Iza marina moa i Ingrid Patetta?

Mpandika teny mahaleo tena aho, mandika avy amin'ny teny anglisy sy espaniola ho amin'ny teny frantsay.

Rehefa nanao ny asa ho mpandrafitra aoriam-pamokarana horonantsary sy mpampiofana ahy nandritra ny 20 taona dia nanapa-kevitra aho hianatra bebe kokoa amin'ny fandikan-teny amin'ny haino aman-jery sy ny dika an-dahatsoratra. Sehatra hafa nahaliana ahy ny fandikan-dahatsoratra an-gazety, ny fifandraisana, fampandrosoana iraisampirenena ary ny tontolo iainana. Miofana amin’ny fandikan-teny ara-pitsaboana koa aho

Nofinofiko ny hiasa ho mpandika teny literera (tsara vintana aho nandika toko vitsivitsy tamin'ny tantaram-piainan'ny namana iray ary nianatra zavatra maro tamin'io zava-niainana io).

GV : Oviana ianao no niditra GV ary inona no nandrisika anao hanao izany?

Niditra tao amin'ny Global Voices aho tamin'ny Janoary 2023, rehefa nahavita fiofanana momba ny fandikan-teny. Nandrisika ahy hanao izany ny hanamafy ny fahaizako sy hampihatra izany, sady manampy vondron'olona iray miezaka manely hafatra izay matetika tsy rentsika amin'ny haino aman-jery mahazatra.

GV : Lazao anay bebe kokoa izay niainanao amin'ny maha-mpandika teny anao tao amin'ny GV, inona no tena nanamarika anao?

Nampitombo traikefa tokoa ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices, noho ireo karazan-dahatsoratra natolotra. Tena mahafinaritra tokoa ny fitantanana ny tetikasa: malalaka ny volantera misafidy ny lohahevitra mahaliana azy, manohina azy na izay tiany.

Ankoatra izany, hita eo an-tampon'ny lahatsoratra ny anaran'ny mpandika teny, izay mahafa-po sy ilaina rehefa manangana portfolio!

GV : Amin'ny maha-mpandika teny anao amin'ity volana ity, misy holazaina ve hampaherezanao ireo mpandray anjara ato amintsika?

Mbola mpandika teny “vaovao” ihany aho fa afaka mampita ny torohevitra nomena ahy sy ampihariko amin'izao fotoana izao: mahareta, ampiharo, ary mianara hatrany!