Loza tsy hita maso : Mamely ny vehivavy Yemenita ny vanja milevina

Ny “MASAM”,  tetikasa fanadiovana ny vanja milevina ao Yemen. sary an'ny MASAM. Avy amin'ny tetikasa MASAM,  CC BY-SA 4.0.

Mbola vao sivy taona monja i Lamis Omar dia namoy ny tongony roa noho ny fipoahana vanja milevina, rehefa iny izy nilalao niaraka tamin'ny namany iny, tao Aden, renivohitra vonjimaika ao Yemen. Na teo aza izany loza nahatsiravina izany dia noporofoiny ny fahavononany miavaka tamin'ny fananganana ny Rantsana Aden amin'ny Fikambanan'ireo sisa velona noho ny vanja tao Yemen mba hiadiana amin'ilay nanala ny fahafahany mihetsiketsika. Amin'izao fotoana izao, i Lamis no lehiben'ny fikambanana.

Raha toa fizakàna aretin-tsaina sy fanimbàna ny fiainany no noheverina ho hita amin'izany hoe vehivavy iray ao Yemen mihiboka ao anaty seza misy kodiarana izany, dia ny mifanohitra amin'izany no nitranga ho an'i Lamis. Mandany andro amin'ny fanohanana ireo sisa velona tamin'ny vanja milevina izy ankehitriny, manokana amin'izany ireo vehivavy, amin'ny alalan'ny fanomezana fiofanana mikasika ny fivelomana mba ho velontenan'izy ireny ara-toekarena sy ho fanampiana azy ireny amin'ny famoahana ny tetikasany manokana.

Androany, noho ny Andro Iraisam-pirenena ho Fanairana ny Saina amin'ireo vanja milevina sy Fanohanana ny ady atao hanoherana ny vanja milevina, dia zava-dehibe ny misarika ny saina ho amin'ny fanamby maika atao amin'ny vanja milevina ao Yemen. Ankoatra ny ady mitam-piadiana mamely ny firenena hatramin'ny taona 2014 ary nahatonga azy io ho krizy noho ny maha-olona ratsy indrindra ho an'ny taonjato dia misy karazana fifandonana hafa ihany koa ilàna fiheverana.

Nandritra ny  Janoary tamin'ity taona ity, tranga 41 mifandraika amin'ny vanja milevina tsy nipoaka no nitranga tamin'ireo governorà Yemenita sivy, ka nitarika fahafatesana nahatsiravina ho an'olona 32, izay vehivavy sy ankizy ny 14, ary naratra ny 42 hafa, nahitàna vehivavy sy ankizy 15. Niteraka fahasembanana mandra-maty ho an'ireo sisam-paty ireny trangan-javatra ireny.

Nanomboka tamin'ny 2014 dia nandevina vanja mihoatra ny iray tapitrisa nanerana ny firenena ireo Houthi mpihoko hoy ny tetikasa MASAM, tetikasa noho ny maha-olona ifandrimbonana ankolafy maro, natombok'i Arabia Saodita, izay mikendry ny hanadiovana ireo vanja milevina ao Yemen. Efa ho faritany 18 amin'ireo 23 ao amin'ny firenena no tandindonin-doza noho ny vanja milevina an-tanety. Hatramin'ny tapaky ny 2018, nahavita nanàla vanja milevina eo ho eo amin'ny 400.000 eo nanerana an'i Yemen ilay tetikasa.

Fiantraika mandravaravan'ny vanja milevina amin'ireo vehivavy sy tovovavy Yemenita.

Misy fiantraikany goavana be tsy mitovy velively any amin'ireo vehivavy sy tovovavy raha miohatra amin'ny lehilahy ny fametrahana tafahoatra ireo vanja milevina ao Yemen. Izany dia manondro ny filàna maika ny handraisana fepetra mba hitandroana ny fiarovana sy izay maha-tsara ireo vehivavy Yemenita.

Raha jerena ireo lehilahy ao Yemen dia matetika na lohalaharana na eo ampitadiavana asa, matetika ireo vehivavy dia avela ho amin'ny fandraisana ny andraikitra voalohany amin'ny fikarakarana ny fianakaviany. Tena sarotra izany ho an'ireo izay monina any amin'ny faritra ambanivohitra mahantra tsy manana loatra fahafahana hahazo fanabeazana sy fikarakarana ara-pahasalamana, izay atahorana ihany koa hifanehatra amin'ireo vanja milevina an-tanety sy ireo vanja tsy mbola nipoaka.

Vao maika mampitombo hatrany ny ambana mety hifanenan-dry zareo amin'ireo vanja milevina ny fivezivezen'izy ireo tsy tapaka mandeha mantsaka rano, maka kitay sy miandry ny biby fiompy, ary koa rehefa tsy maintsy miala ny faritra azo antoka izy ireo mba hivelona, tahaka ny fanangonana ireo akora azo averina ahodina indray.

Ao anatin'ny kolontsaina Yemenita,  matetika no heverina ho toy ny enta-mavesatra ny vehivavy sembana ary matetika atao tsinontsinona amin'ny maha-vady azy, vao mainka mampitombo ny fahasahiran'izy ireo. Noho izany, ho an'ireny vehivavy ireny, ny fahasembanana dia mety hiteraka, tsy ratra ara-batana fotsiny, fa ihany koa ratram-po mandram-pahafaty.

Ahoana no mahatonga ny vanja milevina sy ny fiovan'ny toetrandro vao mainka hanaratsy ny krizy maha-olona

Tsy mampidi-doza ho an'ny olona fotsiny ireo vanja milevina, fa ihany koa ho an'ireo biby sy ny tontolo iainana, satria mahatonga ny tany lonaka ho lasa tsy azo ampiasaina ary manapaka ny fidirana amin'ireo loharanon-karena any amin'ny faritra lavitra. Ny sahan'ireo vanja milevina dia matetika manakana ny fidirana mora indrindra mankany amin'ny tany, amin'ireo tanàna manodidina, ny morontsiraka na ny faritra hafa ao amin'ny vondrom-piarahamonina.

Ny loza ateraky ny vanja dia vao maika ampitomboin'ny tondradrano sy ny oram-batravatra vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro ao Yemen, satria ny rano tondraka tampoka dia mety hampipongatra ireo vanja milevina ary hitondra azy ireo any amin'ny faritra be mponina.

Ny fahavoazana ateraky ny vanja milevina eo amin'ny tontolo iainana sy amin'ireo renirano ary ny fambolena dia manambana ny hanafaingana ny mety hisian'ny loza voajanahary ao Yemen ho tratry ny tsy hanana rano fisotro intsony. Nilaza ny Human Rights Watch fa nampiasain'ireo Houthis ny vanja milevina mba hisakanana ny olona tsy hahazo rano sy sakafo.

Raha toa niharan'ny loza vokatr'izany ireo mpanala vanja milevina – ireo olona natokana hanala vanja milevina , ny ankabeazan'ireo niharan-doza kosa dia sivily avokoa. Araka ny fanadihadiana nataon'ny American Center for Justice, teo anelanelan'ny Jona 2014 sy Febroary 2022 dia niisa 2 526 ireo sivily maty vokatry ny vanja milevina tao Yemen.

Na izany aza, ireo fikambanana ao an-toerana ao Yemen dia manamafy fa ireo tarehimarika notaterina ireo dia zara fa miteny ary betsaka kokoa noho ireo no tena isan'ireo maty. Araka ny fikambanana Yemenita Landmine Records, ao Taiz, governorà tena be mponina indrindra ao Yemen, sivily 3 263 no maty hatramin'ny 2015, ka ny 47% tamin'ireo dia vehivavy sy ankizy avokoa.

Andrana saro-kenatra ho amin'ny fanovàna sy dingana mankany aloha

Mbola mitohy ny olan'ny vanja milevina ao Yemen na eo aza ireo ezaka ataon'ireo fikambanana iraisam-pirenena sy eo an-toerana, tahaka ny UN Mine Action Service, ny Yemeni Executive Mine Action Center, ary ny Landmine Survivors Network. Firosoana voasakan'ny tsy fanomezan'ireo Houthis ny sarintany hanaovana ny fanesorana ny vanja milevina.

Araka ny voalazan'i Hans Grundberg, Iraka nalefan'ny Sekretera Jeranalin'ny Firenena Mikambana ho any Yemen, na nitarika fihenan'ny isan'ny maty tamin'ny ady mitam-piadiana aza ny fampitsaharana ady, “ankehitriny, ny ankamaroan’ny fahafatesana sivily mifandraika amin'ny ady dia vokatry ny vanja milevina sy ireo vanja tsy mbola nipoaka avokoa.”

Tamin'ny Septambra 2022, fikambanana 30 misahana ny maha-olona no namoaka fanambaràna niombonana tao amin'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana, miantso hetsika iray haingana hamahàna ilay olana sy hanokànana vola bebe kokoa ho an'ny fanalàna vanja milevina ary fanarenana ho an'ireo niharam-boina.

Nanamarika ny “Carnegie Endowment for Internation Peace” tao anatin'ny lahatsoratra iray tamin'ny Septambra 2022 fa i Yemen, Fanjakana iray mpikambana ao anatin'ny Fifanarahana ho Fandraràna ny Vanja Milevina, dia tsy maintsy manakana ireo hetsika voarara mifandraika amin'ny fampiasana vanja milevina ary manome sarintany misy ireo vanja milevina.

Ny fifanarahana fandriampahalemana dia tsy maintsy ampandraisana anjara ireo vehivavy sy manohana ireo vehivavy niharam-boina. Ireo santatr'andraikitra avy eo an-toerana, tahaka ny Feminist Peace Roadmap, dia afaka manampy amin'ny fampidirana ny vehivavy ho anatin'ny dingana fikatsahana ny fandriampahalemana sy ny hanasongadinana ny vanja milevina ho toy ny fepetra manan-danja amin'ny fananganana fitokisana hanatràrana ny fandriampahalemana maharitra.

Ho fanampin'izany rehetra izany dia tokony hampiharina ihany koa ireo sazy homena izay mametraka vanja, mifanaraka amin'ny Fifanarahan'i Ottawa izay nosoniavin'i Yemen. Rehefa tsy misy ireo fepetra ireo dia mbola hitohy hozakain'ny mponina mandritra ny taompolo maro ho avy ny vokatry ny ady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.