- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Kandidà Khojasta Sameeye

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV

 

Photo of Khojesta Same [1]

Khojesta Sameeye. Sary nomen'i Khojesta Sameeye.

Khojasta Sameyee [2]: mpanoratra, mpikaroka sady mpikatroka sivily avy any Afghanistan, izay niasany ho mpanao gazety niaraka tamin'ny fampahalalam-baovao isankarazany tao an-toerana. Manana mari-pahaizana injenieran’ny harena an-kibon'ny tany izy ary mpiara-manoratra ny boky “The Mountains Have Witnessed: The Story of a Girl who Dared for More” nivoaka tamin'ny taona 2021. Tamin'ny taona 2018 i Khojesta nomena fankasitrahana  noho ny tatitra nataony momba ny vehivavy, ny fandriampahalemana ary ny fiarovana tamin'ny loka UNDP/N-Peace. Nanangana gazety notarihin'ny vehivavy izy ary miasa amin'ny gazetiny manokana. Nanatevin-daharana ny Global Voices izy tamin'ny volana Aogositra 2018.

Nasaina hamaly ireo fanontaniana hita etsy ambany avokoa ireo kandidà rehetra amin'ny fifidianana ho biraon'ny filankevi-pitantanana 2023. Aza misalasala manontany zavatra fanampiny amin'i Khojesta ao amin'ny faritra fanehoan-kevitra eo ambanin'ny lahatsoratra teny anglisy!

Inona no mahasarika anao indrindra amin'ny fiheverana hanao raharaha ao amin'ny biraon'ny filankevi-pitantanana (FiPi) GV?

The are many reasons that appeals me to serve on GV board and one of them is to listen to different people's voices in the community of GV. As a journalist this is my responsibility to raise the voices of people from different parts of the world and serving to GV board will give me this chance.

Antony maro no manosika ahy hiasa ao amin'ny biraon'ny FiPi GV ary iray amin'izany ny hihaino ny feon'olona samihafa ao amin'ny vondrom-piarahamonina GV. Amin'ny maha-mpanao gazety ahy, andraikitro ny mampiakatra ny feon'ny olona avy amin'ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ary ny miasa ao amin'ny biraon'ny FiPi GV no hanome ahy ny  fahafahana manao izany.

Inona avy ireo talenta, hakingàna, fifandraisana aman'olona ary fahaiza-manao manokana azonao omena ny Global Voices amin'ny andraikitrao amin'ny maha-solontena anao ao amin'ny birao filankevi-pitantanana (FiPi)?

As a media activist for almost 7 years, I can offer my experience in journalism, media and communication to the GV community. My experience as a woman journalist amid a country that is now changed to a prison for its journalists and media activists will help GV community to learn more about the difficulties of being a journalist in countries like Afghanistan.

Amin'ny maha-mpikatroka media ahy efa ho 7 taona izao, afaka manolotra ho an’ny vondrom-piarahamonina GV ny traikefako amin'ny asa fanaovan-gazety, ny media ary ny serasera aho. Hanampy ny vondrom-piarahamonina GV hamantatra bebe kokoa momba ny fahasarotan'ny maha mpanao gazety any amin'ny firenena toa an'i Afghanistan ny traikefako amin'ny maha-vehivavy mpanao gazety ahy ao anatin'ny firenena iray izay niova ho fonja ho an'ireo mpanao gazety ao aminy sy ireo mpikatroka media.

Raha mitsinjo ny telo taona manaraka ianao, inona, araka ny hevitrao, no tokony ho laharam-pahamehan'ny GV amin'ny maha-fikambanana azy?

As an organization GV's overarching in next three years should be on independent journalism, publishing of impartial news and reports and raising the voices of vulnerable people living in remote areas.

Amin'ny maha-fikambanana azy, ny tokony ho tanjon’ny GV ao anatin'ny telo taona hoavy dia ny asa fanaovan-gazety mahaleo tena, ny famoahana vaovao sy tatitra tsy mitanila ary mampiakatra ny feon'ireo olona marefo monina any amin'ny faritra lavitra sy saro-dalana sy lavi-pitaovam-pifandraisana.

Lafiny inona amin'ny asan'ny GV no mahaliana anao indrindra?

Raising the voices of people from different parts of the world and publishing it in frame of articles and translating it to many other languages, in order to let the other people in the world know about it.

Manandratra ny feon'ny olona avy amin'ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ary mamoaka izany ao anaty rafi-dahatsoratra sy mandika izany amin'ny fiteny maro hafa, mba hamantaran’ny olon-kafa eto amin'izao tontolo izao izany.

Inona no tianao ho azo avy amin'ny fandalovana hanao servisy ao amin'ny biraon'ny FiPi ity, na amin'ny lafiny matihanina na ho anao manokana?

Through being in touch with the professional people in the board I want to increase my capacity and experience in the field of media and journalism. Besides, by launching of online meetings with the GV community members I will become familiar with different people, cultures and traditions.

Amin'ny alàlan'ny fifandraisana amin'ireo olona matihanina ao amin'ny birao, maniry ny hampitombo ny fahaizako sy ny traikefako amin'ny sehatry ny media sy ny asa fanaovan-gazety aho. Ankoatra izany, hamantatra tsara ireo olona, kolontsaina ary fomban-drazana samihafa aho amin'ny alàlan'ny fanaovana fivoriana anjotra miaraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina GV.

Ahoana no handrindranao ny servisy ataonao ao amin'ny biraon'ny FiPi amin'ireo adidy aman'andraikitrao manokana sy amin'ny asanao matihanina any an-kafa?

As it is volunteer work and I love volunteering, I would be fully committed to participate, work and go through the GV's timeline in order to deliver a quality work to the organization and to the community members.

Satria asa an-tsitrapo ilay izy ary tiako ny manao asa an-tsitrapo, dia manolo-tena tanteraka aho handray anjara, hiasa ary hanaraka ny fandaharam-potoanan'ny GV mba hamoahana asa matihanina ho an'ny fikambanana sy ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina.

Inona no fomba fiasa hampiasainao hirobohana sy hihainoana ny vondrom-piarahamonina mba hisoloana tena azy ireo amim-pahombiazana eo amin'ny sehatry ny biraon'ny FiPi?

I will use different methods in order that the community members can reach me easily and I can represent them at board level. I can hear the GV community through the online meetings, email and Whatsapp.

Hampiasa fomba samihafa aho mba ahafahan'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina mifandray amiko mora foana ary ahafahako misolo tena azy ireo ao amin'ny  birao. Afaka mihaino ny vondrom-piarahamonina GV aho amin'ny alàlan'ny fivoriana anjotra, mailaka ary Whatsapp.