- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana solontenan'ireo manana fifamatorana arakasa ho ao anivon'ny Filankevi-pitantanana GV 2023: ny kandidà Giovana Fleck

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV
Giovana Fleck (L) with GV's managing editor Filip Noubel. [1]

Giovana Fleck (havia) miaraka amin'i toniandahatsoratry ny GV, Filip Noubel. Sary avy amin'i Georgia Popplewell.

Vehivavy breziliàna mpanao gazety i Giovana Fleck [2] ary mpikaroka momba ny haino amanjery. Mpilatsaka an-tsitrapo nanatevin-daharana ny GV izy nanomboka ny Jolay 2019 ary mitarika ny tetikasa Civic Media Observatory (CMO) ato amin'ny Global Voices ankehitriny sady miasa amin'ireo tetikasa GV maro hafa mifandraika amin'ny angondrakitra sy ny politika.

Nasaina avokoa ireo kandidà amin'ny fifidianana ho filankevim-pitantanana an'ny taona 2023 mba hamaly ireo andiam-panontaniana rehetra napetraka etsy ambany. Aza misalasala mametra-panontaniana fanampiny amin'i Giovana ao anatin'ny faritra fanehoankevitra eo ambanin'ity lahatsoratra ity !

Inona no mahasarika anao indrindra hihevitra handray raharaha ao anivon'ny filankevi-pitantanan'ny GV ?

Ny fahafahana misolo tena vondrom-piarahamonina lehibe misy an'ireo mpandraharaha niara-niasa tamiko nandritra ny telo taona lasa. Nanjary nanan-danja teo amin'ny fiainako ny Global Voices noho ireo olona mandray anjara ao anatin'ny fikambanana, voninahitra ho ahy ny hiditra ao amin'ny filankevi-pitantanana sy manosika ny tombontsoan'izy ireny hiroso lavidavitra kokoa.

Talenta, fahaiza-manao, fifandraisana ary traikefa toy ny ahoana no azonao atolotra ho an'ny Global Voices ao anatin'ny andraikitrao amin'ny maha-solontenana anao ao amin'ny Filankevi-pitantanana anao ?

Mampieritreritra be ahy ity fanontaniana ity ! Ny valinteniko matotra dia izao : tsy tena azoko antoka, saingy heveriko fa mety hahaliana, ary mety ho mahafinaritra mihitsy aza ny mamantatra azy eny am-pandehanana eny! Niditra an-tsitrapo tao amin'ny GV aho ary fotoana vitsy taorian'izay dia nandray anjara tao amin'ny Civic Media Observatory. Saingy, hatreo dia nanana fahafahana hanao zavatra betsaka aho tamin'ny fanontàna, fananganana, fitantanana ny vondrom-piarahamonina sy tetikasa, famoronana tarika, famakafakana angon-drakitra, sy ny sisa. Tena mahay aho, noho izany dia lazaiko fa izany no fahaiza-manao manan-danja indrindra azoko atolotra amin'ny maha-solontenan'ny filankevi-pitantanana ahy.

Raha miandrandra ny telo taona ho avy ianao, inona, araka ny hevitrao, no tokony ho laharam-pahamehan'ny GV amin'ny maha-fikambanana azy ?

Ny andraikitro ankehitriny ao amin'ny efitrano famoaham-baovao sy ny sampana fikarohana ao amin'ny GV dia mampifandray ahy bebe kokoa hatrany amin'ireo fanontaniana mikasika ny fiantraikany. Ahoana no ahafahantsika mampiroborobo ny fifandraisana an- tambajotra ? Ahoana no fomba hanapariahantsika ny maha zava-dehibe ny toedraharaha iray amina mpihaino midadasika kokoa ? Iza avy ireo olona tokony hiarahantsika miasa mba hiteraka ireo fiovàna ireo ? Te-hiasa aho mba hamaliana ireny fanontaniana ireny eo anilan'ireo  mpiara-miasa amiko ato amin'ny GV ary, manantena izany isika, handrafetana izay laharam-pahamehana ho an'ireo  taona ho avy.

Amin'ny fanao azo ampiharina kokoa, tiako ihany koa ny handray anjara amin'ireo adihevitra manao ho laharam-pahamehana (mihoatra kokoa aza) ny fampiatiana any anaty votoaty izay avoakan'ny GV. Ohatra, tsy dia miresaka matetika ireo olona manana fahasembanana amin'ny fahitàna isika (izay fara-fahakeliny mponina 2,2 lavitrisa [3] no isany eran-tany) izay mampiasa IA (intelligence artificielle) tarihan'ny feo mba hamakiana teny.

Amiko manokana, sady amin'ny fieritreretana ny mety hisoloana tena an'ireo mpiara-miasa mpandraharaha hafa, dia maniry ihany koa aho ny hanolotra ireo fifanakalozan-kevitra mikasika ny endriky ny asa sy ny fahamarinan-toerana. Heveriko fa fanamby goavana izany, ary ankasitrahako ny GV amin'ny maha-fikambanana mangaraharaha azy. Na izany aza anefa, azontsika heverina ny handroso. Tena ho liana aho ny handray anjara amin'ireny fifanakalozan-kevitra ireny.

Endrika inona amin'ny asan'ny GV no tena mahaliana anao indrindra ?

Tena tsara fandray ny GV – ho an'ireo izay miasa, mamaky na anisan'ny ao anatin'ny vondrom-piarahamonina. Lokman Tsui, ao anatin'ny famakafakana [4] Ph.D. nomaniny mikasika ny Global Voices dia nanoritsoritra ny efitrano famoaham-baovao ho “mahay mandray vahiny” noho ny “adidiny etika tsy maintsy hihaino”. Tsy afaka manaiky bebe kokoa aho. Nandritra an'ireo roa taonako voalohany, tsy mbola nahita maso mivantana ny mpiara-miasa tato amin'ny GV aho. Kanefa, tsy mbola nahatsiaro fandraisana tsara kokoa toa izany tao anatina fikambanana izay niasàko.                        Nahagaga fa tamin'ny tambajotra no nananganantsika fifandraisana izay tsy niankina tamin'ny fifanatrehana mivantana tao amin'ny toerana iray mitovy (tamin'ny fotoana iray mitovy). Zavatra somary mahazatra tamin'ny vanim-potoanan'ny COVID-19 hitako hatrany ho tsy mampino.             Mahaliana ahy ny GV satria toa tsy miankina amin'ny fifaneraseran'olombelona ara-batana ity asa tena an'olombelona ity – ary hitako fa mahavariana.

Inona no tianao hotovozina amin'ity traikefa amin'ny asan'ny Filankevi-pitantanana ity, na eo amin'ny lafiny arak'asa izany na ho anao manokana ?

Ny tena tiako avoitra amin'ity traikefa ity dia ny fahafahana manontany amin'ireo mpiara-miasa amiko ny fangatahan'izy ireo ary mampandroso ireny lohahevitra ireny avy ao anatin'ny filankevim-pitantanana.

Ahoana no ataonao mba hampifanarahana ny asa amin'ny birao amin'ireo andraikitrao manokana sy ireo andraikitra hafa arak'asa ?

Tsy ho sarotra loatra izany ! Manam-potoana atokana amin'izany aho:)

Fomba toy ny ahoana no ho ampiasainao mba handraisana anjara sy hihainoana ny vondrom-piarahamonina ka hisoloana tena azy amim-pahombiazana ao amin'ny sehaty ny filankevitra ?

Ny fananganana vondrom-piarahamonina GV dia nanome hevitra tsara ho ahy hahatakatra ny fomba fihainoana tsara kokoa ny tarika iray sy ny fanangonana ary fampiharana ny tamberina avy amin'izy ireo. Manana vondrona mavitrika sy tsy tena hoe manara-penitra manao ahoana isika ao amin'ny Signal, WhatsApp, ary ny Slack (miankina amin'ny fiarovana/sy ny tian'ireo mpandray anjara) ary mijanona mifandray tsy tapaka amin'ny alàlan'ny imailaka ho an'ireo filazana ankapobeny. Ankasitrahako ihany koa ny hampiasa ireo fantsona ireo amin'ity andraikitra ity, amin'ny fiezahana  hampifandray amiko araka izay azo atao amin'ireo mpiara-miasa amiko ary mampandeha ireo lohahevitra mahaliana azy ireo ao anatin'ny fifanakalozan-dresaka ataon'ny filankevi-pitantanana.