Ho vahaolana amin'ny tsy fananan'ny tanora asa, navoakan'i Shina ny “Hetsika fidinana Ambanivohitra 2.0″

Afisy mikasika ny “Hetsika Fidinana eny Ambanivohitra” avy amin'ny Revolisiona Ara-kolontsaina. Sary avy amin'ny mpampiasa Twitter @Modernmarxist05.

Nanomboka tamin'ny 2019, Xi Jinping, Filoham-pirenen'i Shina dia niasa mba hamahàna ny tsy fitoviana nisy teo amin'ny fampiroboroboana ny an-tanàndehibe sy ambanivohitra amin'ny alalan'ny fandefasana ireo tanora “hanavao” ny eny ambanivohitra. Telo taona taty aorian'ny fampiatoana noho ny fameperana nateraky ny valan'aretina dia namerina indray ny fanentanana ny ambanivohitra i Shina miaraka amin'ny drafitrasa mivaingana nambaran'ny governemantam-paritra ao Guangdong.

Na izany aza, marobe no misalasala momba ny antony ara-politika sy ny tombontsoa ara-toekarena amin'ilay “Hetsika vaovao Fidinana eny Ambanivohitra” .

Araka ny voalazan'ny drafitrasan'i Guangdong, hatramin'ny 2025 ny faritany dia handefa mpianatra 300.000 avy amin'ny Anjerimanontolo mba ho eny ambanivohitra. Tanjon'ilay drafitrasa  ny hikotrika orinasa farafahakeliny 10.000 any ambanivohitra ary handrisika ireo tanora hanohy ny asany any ambanivohitra.

Araka ny drafitra fanao isan-taona, isan-taona dia olona miisa 10 000  nahazo diplôma avy amin'ny Anjerimanontolo no nalefa tany amin'ireo faritra Ambanivohitra hitàna toeran'olona ambony ao amin'ny Ligin'ny Tanora Kaominista hikarakara sy hampiroborobo ny asa an-tsitrapo ahitana andiana mpianatra 1.000 manaraka fiofànana arak'asa ary koa mizatra asa ho an'ireo 30.000 nahazo diplôman'ny Anjerimanontolo sy fianarana ambony. Hanomana hetsika ara-barotra ihany koa ireo nahazo diplaoma ireo mba hisarihana famatsiambola ho an'ireo mpandraharaha any amin'ireo faritra andalam-pandrosoana.

Ilay drafitrasa dia natao hiatrehana ny olan'ireo tanora amin'ny tsy fananana asa, satria ny tahan'ny tsy an'asa ho an'ny salantaona 16-24 dia niainga tamin'ny 13,1% tamin'ny Febroary 2021 ary lasa 18,1% ny febroary 2023. Mbola hitombo hatrany ny isa satria amin'ity fahavaratra ity dia an-tapitrisa ireo mpianatra mbola hahazo ny diplôma avy amin'ireo Anjerimanontolo, sekoly ambony ary ireo sekoly fianarana asa.

Na izany aza, misy ihany koa ireo mpanara-baovao sasany milaza fa fomba iray ilay fanentanana hisakanana ireo tanora tsy an'asa tsy hanakorontana any amin'ireo tanàndehibe na hanakorontana ny fiarahamonina. Ireo tanora nahita fianarana izay sorena tamin'ny faneriterena ny fahalalahan-dry zareo noho ny fifehezana ny valan'aretina no tena mpandray anjara fototra tamin'ireo hetsipanoherana nanohitra ny Zero-COVID, nomena anarana hoe White Paper Protests (Hetsiky ny Taratasy Fotsy).

Ny sasany nanondro fa tao Guangdong no nitarihana ilay fampielezan-kevitra, iray amin'ireo faritany liberaly sady miroborobo indrindra ao Shina. Nanome hevitra vitsivitsy ilay mpampiasa Weibo malaza, Liang Xiang hoe :

广东前三月规模以上工业的恢复程度不容乐观… 外向型经济被锁住后,城市短期内就业压力顿生,乡村这块超级海绵缓冲带估计又会扮演起他的历史使命了。毕竟城市内出现无法就业的年轻人集聚,本来就是一种风险。

Tamin'ny Martsa, tsy mahavelom-bolo raha ny fanarenana ny Indostria… voasakana ny toekarena miompana amin'ny fanondranana ary niteraka olana tsy fananana asa. Tsy maintsy handray ny andraikitra ara-tantara amin'ny maha-‘mpanelanelana goavana’ azy ireo faritra ambanivohitra. Hitranga ny loza raha toa ka mivondrona ireo tanora marobe tsy an'asa any amin'ireo tanàndehibe.

Ny toetra ara-politikan'ny fanentanana ankehitriny dia nampahatsiahy ny maro tao amin'ny Weibo sy Twitter mikasika ny “hetsika fidinana ambanivohitra” nandritra ny Great Leap Forward (Fitsambikinana goavana mankany aloha) fony an'aliny ireo mpianatra amin'ny Anjerimanontolo sy amin'ny ambaratonga ambony nalefa tany amin'ny faritra andalam-pandrosoana mba hanampy amin'ny fananganana vondron'olona eny ambanivohitra, ary tanora an-tapitrisa maro avy any an-tanàndehibe, nandritra ny Revôlisôna ara-Kolontsaina, no voatery nampiana-tena tany anivon'ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra.

Ny sasany aza niantso ilay fampielezankevitra amin'izao fotoana izao ho “Fidinana Ambanivohitra 2.0″ sady naneho ny tsy fankasitrahany. Ohatra, iray mpampiasa Weibo nilaza hoe :

当年是2000多万人被“上山下乡”,由此也产生了“知青”这个特殊群体,和“知青”题材的“伤痕文学”。苦难属于他们,返城知青和他们的孩子又经历了什么,只有当事人知道。今天还用这种方式缓解城市就业的压力,实在不敢恭维!

Tamin'izany fotoana izany, olona maherin'ny 20 tapitrisa no nalefa tany ambanivohitra. Ireo “tanora nahita fianarana ireo” taty aoriana no nanoratra “Literatiora maro mikasika ny Holatra ” [momba ny ratram-po sy ny fampahoriana nandritra ny fampianarana azy ireo tany ambanivohitra]. Izy ireo no isan'ny nisedra ny mafy. Tsy afaka ny hidera tena aho hoe  mbola ampiasaintsika foana io fomba io mba hamahàna ny olan'ny asa an-tanandehibe ankehitriny.

Mpampiasa Weibo iray hafa nitsikera fa :

和几十年前的路数一点都没变。下了乡,饭在哪儿吃,衣在哪儿穿,小孩在哪儿念书,病了在哪儿医治……说不清道不明。现在是什么时代,年轻人动动手指就能获取所有的信息,可不容易忽悠了。

Mbola tsy niova ny tetika taorian'ireo taompolo maro. Hidina any ambanivohitra, dia ahoana no hahafahan'izy ireo hiantoka ny fivelomany? Mety afaka hanovo fanabeazana tsara ve ny taranak'izy ireo ? Ahoana ny momba ny fikarakaràna ara-pahasalamana ? Mijanona ho manjavozavo daholo izany rehetra izany. Saingy amin'izao fotoana izao, afaka mahazo vaovao ireo tanora mba handraisan'izy ireo ny fanapahankeviny manokana ; tsy mora ny hamitaka azy ireo.

Notsipihan‘ny mpanao blaogy iray ny firafitry hery mpamokatra ao amin'ny firenena sady nametrahany fanontaniana ny maha-mety ny “fameranana ny hatanoran'ny eny ambanivohitra”

这边有2.93亿人从农村出来打工,那边安排30万人“下乡返乡兴乡”,是我眼花了,还是有人心瞎了。

Etsy ankilany dia manana tantsaha mihoatra ny 293 tapitrisa isika miasa any an-tanandehibe; etsy andaniny, mikarakara fandefasana mpianatra sy be diplaoma miisa 300.000 isika ho alefa any ambanivohitra ho “famerenana ny hatanoran'ny ambanivohitra”. Izaho irery ve no mahita io tarehimarika io?

Nanamafy ihany koa ilay blaogera fa mba hahombiazan'ny famelomana aina indray ny eny ambanivohitra dia tsy maintsy manome fitaovana sy famatsiambola maro ny governemanta, izay azo omena mivantana ireo mponina nahita fianarana eny ambanivohitra fa tsy ireo tanora nahita fianarana tany an-drenivohitra izay ahetsika ho any ambanivohitra.

Maro ihany koa no nanontany raha toa ilay fanentanana ka ho afaka hamaha amim-pahombiazana ny olan'ny tsy fananana asa an-tanàndehibe. Nilaza ny olona iray mpaneho hevitra momba ny ara-toekarena ao amin'ny Weibo hoe :

这种思路不可取。计划经济时期,城市化水平低,城市容纳不了那么多年轻人就业,农村庞大,所以上山下乡。现在城乡关系已经发生根本性的变化。如果在广东的大城市,年轻人都找不到工作?指望去乡村和县城去找!岂不是很荒唐。鼓励年轻人去乡村创业,风险更大。创业本身就是高风险的商业行为 […]在乡村和县域更没有创业的土壤。[…]而且年轻人创业的前期资金哪里来?政府给出吗?

Tsy hety izany. Nandritra ilay toekarena narindra, nihisatra ny fanitàrana ny tanàna, ary tsy afaka nanome asa ampy ho an'ireo tanora ireo tanandehibe. Nidadasika ny faritra ambanivohitra, araka izany, afaka nalefa tany ambanivohitra ry zareo. Ankehitriny,  niova hatrany ifotony ny rafitra an-tanandehibe sy ambanivohitra. Raha tsy afaka hanolotra asa ampy ho an'ireo tanora ny tanàndehibe toa an'i Guangdong, ahoana no hanantenantsika azy ireo hahita asa any amin'ny faritany sy vohitra ? Tena tsy mitombina izany. Mbola lehibe kokoa ny loza raha toa isika mamporisika ireo tanora hamorona ny orinasan'izy ireo any ambanivohitra, satria ny taninketsan'orinasa dia mananan endrika feno risika izay ihany… tsy ho ampy ny fanohanana ho an'ireo taninketsan'orinasa any amin'ireo faritra ambanivohitra. […] Ahoana no hahazoan'ireo tanora mpandraharaha vola hiaingana ? Hamatsy ara-bola azy ireo ve ny fanjakana ?

Taorian'i Guangdong, tanàna hafa maro toa an'i Jinan ao amin'ny faritanin'i Shangdong no nanatevin-daharana ilay fanentanana sy nikasa ny handefa mpianatra 10.000 hanampy amin'ny fanatsaràna ny fitantanana miainga eo am-bohitra. Araka ny maridrefy ankehitriny, azo vinaniana fa tanora an-tapitrisany no hanatevin-daharana ny “fanentanana fidinana any ambanivohitra” manerana ny firenena ato anatin'ireo taona ho avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.