- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Reel: Ny sisa tavela amin'ny Brechin Castle ao Trinidad, efa nisy fotoana ‘orinasa mpamokatra siramamy lehibe indrindra […] tao amin'ny ampira britanika’

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Toekarena sy Fandraharahàna

[1]

Pikantsarin'ny Mandalapan’ Brechin nalaina avy amin'ny YouTube video [1] ‘Brechin Castle sugar factory [f]rom the sky’ nataon'i Lyndon Baptiste.

Eo amin'ny ilany andrefan'i Trinidad afovoany no iorenan'ny tanànan'i Couva [2] izay, tany am-piandohana, dia tanàna iray nipongatra avy amin'ny fary. Namaritra azy io ho “iray amin'ireo foibe mavitrika indrindra ao amin'ny faritra feno fary” izay “niroborobo noho ny fary” ilay mpanoratra Trinidadiana Michael Anthony, tao amin'ny bokiny hoe “Towns and Villages [3]“.

Nanjary faritra nandalovan'ny lalamby izy tao Trinidad, tamin'ny taona 1880, izay nanampy azy betsaka tamin'ny fisandratany, hoy ny nosoratan'i Anthony, saingy tamin'ny fotoana “tsy dia mihoatra noho ny mangadihady anaty tanim-pary” izany:

The population, chiefly on indentured East Indian cane workers, with a small percentage of Africans, could not have numbered more than a few hundred. Yet, even then […] it was bustling, vibrant village.

Tsy tokony ho mihoatra ny zato ny mponina, izay Karana mpiasa amin'ny fary ny ankamaroany miampy Afrikana vitsivitsy . Na izany aza, kanefa […] dia maresaka sy mavitrika ny tanàna.

Tamin'ny taona 1886, ny Turnbull Stewart sy Co. no tompon'ny Brechin Castle [4], izay nahitana an'i Sevilla House tamin'izany fotoana izany (azo taorian'ny fandravana ny fanandevozana fampivangongoana ireo foibem-pamokarana siramamy), sady nanana lalamby sy sambo ihany koa ka nanandanja ny tombo azon'ny orinasa amin'ny resaka fitateram-bokatra avy amin'ny orinasa mankany amin'ny seranana, ary avy eo manondrana ny siramamy any ivelany.

Nandritra ny taona maro, dia nampiasaina tamin'ny zavatra maro ilay faritra. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ohatra, natsangana [2] ny Toby An'habakabaka Fanampiny (Saha) Camden hampiasaina ho toeram-piantsonana rehefa misy hamehana. Raha nivoatra ho toekarena mifototra tamin'ny angovo i Trinidad sy Tobago, betsaka kokoa ny olona, na avy ao anatiny na ivelan'ny faritra, nitady asa tao amin'ny orinasa fanadiovana solika [5] teo Pointe-à-Pierre akaikiny izay nakatona tamin'ny 30 Novambra 2018 (rehefa niasa) am-polony taona maro.

Na izany aza, nijanona ho vondrom-piarahamonina nihaodihaody manodidina ny indostrian'ny siramamy hatramin'ny farany i Couva, izay ny velaran-tany midadasika sy orinasa mpamokatra siramamy Usine Ste. Madeleine [6] , ary ny miliny mpanodina siramamy miaraka aminy ao amin'ny Brechin Castle [7] no mariky ny reharehany. Nanamarika ny maha zava-baovao sy maha manan-danja azy tamin'izany fotoana izany ny National Trust of Trinidad and Tobago:

The Company introduced Vacuum Pan Process which at the point in time was only used by the Brechin Castle Estate. […] This was also the first central sugar factory in Trinidad and Tobago, which meant that cane from surrounding estates were sent there for processing. It was the largest sugar factory at the point in time in the British Empire.

Nampiditra ny Vacuum Pan Process ny orinasa, izay fotoana ny Brechin Castle Estate ihany no nampiasa azy. […] Ity ihany koa no orinasa mpamokatra siramamy voalohany tao Trinite sy Tobago, izay midika fa nalefa tao mba hahodina ireo fary avy amin'ny tany famokarana midadasika manodidina. Ity no orinasa mpamokatra siramamy lehibe indrindra tamin'izany fotoana izany tao amin'ny Ampira Britanika.

Na izany aza, nahitana fihenana hatrany ny siramamy. Tamin'ny 1 Aogositra 2003 no nahafatesany, tamin'ny fikatonan'ny Caroni (1975) Ltd. ka nampitsahatra tanteraka ny famokarana siramamy lehibe indrindra tao amin'ny firenena. Tamin'ny taona 2009, nanapa-kevitra ny governemanta fa handrava ireo orinasa roa ao amin'ny Usine Ste. Madeleine sy Brechin Castle, izay samy tsy niodina.

Am-polony taona aty aoriana, mijanona ho baolina ara-politika [8] ny olana, tsy noho ny fisaratsarahana ara-politika [9]ao amin'ny firenena ihany, fa noho ireo mpiasa sasany tao amin'ny orinasa taloha, izay nanasonia fifanekena fisarahana an-tsitrapo amin'ny asa (VSEP), izay manizingizina [10] fa tsy nomena azy ireo ny trano fonenana sy ny tany fambolena izay fepetra tamin'ny fialan’izy ireo. Tamin'ny taona 2021 anefa, nanoro hevitra [11] ireo mpisitraka mba “hamboly eo amin'ny tany na hamoy izany” i Clarence Rambharat minisitry ny Fambolena, ny Fananan-tany sy ny jono tamin'izany fotoana izany izay nilaza [10] fa “efa tapitra tanteraka” ny fizotry ny fitsinjarana ny tany (navotana ho an'ny olona 1.130 izay tsy hain'ny ministerany ny manondro ny toerana).

Nanoro-hevitra [11] ny tonian-dahatsoratry ny gazety Trinidad sy Tobago, efa ho roa taona izay hoe:

Little has been done to pursue the results of a 2003 UWI study of the potential of its 78,780 acres of arable land. There has been no establishment of a skills bank profiling the former workers. Irrigation systems have been implemented spottily and with no strategy to deliver a value-driven outcome. […]

At a lease distribution ceremony in December 2017, Mr. Rambharat noted that the VSEP package given to the former workers cost $18 billion, including land assets valued at $10 billion.

Of course this asset should not be allowed to continue to go to waste.

Tsy dia nisy ezaka firy natao hanohizana ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny UWI tamin'ny taona 2003 momba ny mety hisian'ny tany azo volena 78.780 hektara. Tsy mbola nisy ny fananganana tahiry fahaiza-manao milaza momba ireo mpiasa taloha. Napetraka ny rafi-pitarihan-drano nampiharina araka ny hita sady tsy misy paikady hahazoana vokatra mifototra amin'ny sandany. […]

Tamin’ny lanonam-pitsinjarana tany ahofa tamin’ny volana desambra 2017, nanamarika Atoa Rambharat fa mitentina 18 miliara dolara ny fonosana VSEP nomena ireo mpiasa teo aloha, anisan’izany ny fananan-tany mitentina 10 miliara dolara.

Mazava ho azy fa tsy tokony havela holanilaniana foana io fananana io.

Na dia mbola mitohy aza anefa izany tolona izany, dia rava tanteraka ny Mandalapan'i Brechin. Toa mbola tsy manam-pijoroana ny tolo-kevitra [12] hanovana ny faritra ho sahan-takela-pandraisana tara-masoandro. Nanazava [13] ny minisitra Rambharat tamin'izany fotoana izany fa nikasa ny hitazona ny Sevilla House [14], fa tsy ny Mandalapan'i Brechin, ho tranombakoky ny siramamy ny governemanta , ary nampiany fa “raharaha roa samy hafa ny orinasa mpamokatra siramamy sy ny fitehirizana ny tantaran'ny siramamy”, fijery iray izay tsy iombonan'ny  [15] mpampiasa media sosialy sasany hevitra.

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy [16] tamin'ny 5 aogositra 2015 ny Foibe Arsivan'ny Siramamy sy ny Mozean'ny Siramamy Sevilla fa mbola mitoetra ho fampahatsiahivana ny zavatra nampiasana azy taloha hatrany ny mandalapan'i Brechin, izay miroso ho amin'ny faharavàna [17] tanteraka ankehitriny:

@lemniscate_tt [18] Have you ever seen it in operation? #trinidad [19] #abandonedplaces [20] #drone [21] #trinidadandtobago [22] #islandlife [23] #mysterious [24] #trini_tiktoks [25] #trinidad🇹🇹 [26] #fyp [27] #dji [28] ♬ Fly – Ludovico Einaudi [29]

Efa nahita ity niasa ve ianareo?

Miteny lalina momba ny maha-zava-dehibe ny tranobe sy ny fiainana narantirantiny ny tambatamba-tsarin'ny toerana nalain'ny tantelimby (drôna), eny fa na hatramin'ny fiandohan'i Couva ho “tsy dia mihoatra noho ny mangadihady anaty tanim-pary” aza.