Jamaikàna mpandalin-kevitra ara-kolontsaina, mampiasa Twitter, hisarihana ny saina ho amin'ireo zavabita miavaka ao Karaiba

Sary nasongadina noforonina tamin'ny alalan'ireo kasinga Canva Pro

Iza no nahalala fa ny 24 Martsa dia andro iray manan-danja ho an'ireo ao Karaiba ? Ny mpampiasa Twitter Jamaikana sy mpaneho hevitra ara-kolontsaina Wayne Chen no nanao izany, na farafaharatsiny amin'ny maha-andro nahaterahan'ireo Antillais marobe mpitari-kevitra azy fotsiny aza. Ireto ny vitsivitsy amin'izy ireo sy ny zava-bitany.

Trevor Rhone

Trevor Rhone (24 Mar 1940 – 15 Sep 2009) #Jamaikana, mpanoratra tantara tsangana sady mpamokatra horonantsary, teraka 83 taona lasa izay. Mpiara-nanoratra tamin'i Perry Henzell, ‘The Harder They Come’. (1972). ‘Smile Orange’, ‘Old Story Time’, ‘Two Can Play’ dia anisan'ireo sasany amin'ny tantarany tsara indrindra tsaroana.

— Wayne Chen (@wcchen) 24 Martsa 2023

Angamba ny sarimihetsika fanta-daza indrindra nivoaka avy any Karaiba dia ny “The Harder They Come,” tamin'ny taona 1972, izay manjohy ilay “tambanivohi-dahy” Ivanhoe Martin, nolalaovin'i Jimmy Cliff, rehefa niezaka nanorina ny fiainana ho an'ny tenany izy tao Kingston renivohitra.   Bonaika izy, na izany aza, ary i Kingston henjana ; im-betsaka tsy namokatra ireo fikasàny miavaka hametraka ny anarana, indraindray noho ireo zava-mitranga, ary amin'ny fotoana hafa dia noho ireo mpananararaotra tsy mataho-tody izay miezaka manararaotra mitady tombony amin'ny talentany ara-mozika. Teo ambany fitarihan'i Perry Henzell ary niara-nosoratana tamin'i Trevor Rhone, ny feonkiran'ilay sarimihetsika, izay nanasongadina ny fampisehoana nataon'i Cliff sy ireo mpanatalenta toy ny The Melodians, Desmond Dekker, ny Toots ary ny the Maytals no fantatra ho nitondra ny mozika reggae ho an'izao tontolo izao.

Tamin'izay mety ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-83 taonan'i Rhone dia nanome voninahitra ny fandraisana anjaran'ilay mpanoratra tantara an-tsehatra i Chen, tsy tamin'ny fanaovana sarimihetsika klasika fotsiny, fa ihany koa tamin'ireo sanganasany hafa sasany, ny tantara an-tsehatra toy ny “Smile Orange” (efa navadika ho sarimihetsika ihany koa), izay maka fomba fijery maneso ny indostrian'ny fizahantany, ary naseho an-tsehatra nanerana ny faritra manontolo ka nahazoany kina feno fiderana sy nandafosany ireo tapakila rehetra. Nandritra izany fotoana izany, ilay klasikany “Old Story Time”, izay natao ho an'ny daholobe teo an-toerana sy tany Amerika Avaratra, dia nandalina ireo fifandonana sy fifanoherana izay niainan'ny fiarahamonina taorian'ny fanjanahantany toa an'i Karaiba.  Maty noho ny fijanonan'ny fitempon'ny fo i Rhone tamin'ny 2009, teo amin'ny faha-69 taonany, saingy hotsaroana hatrany izy amin'ny maha-mpanabe azy, mpandinika sy mpanoratra tsy manan-tsahala azy ho an'ny tantara an-tsehatra sy ny sarimihetsika.

Wilson Harris

Wilson Harris (24 Mar 1921 – 8 Mar 2018), #Goianey, mpanoratra, teraka 102 taona lasa izay tany New Amsterdam, safiotra Britanika-Goiàna. “Iray tamin'ireo feo tena ôrizinaly sy nisy famoronana indrindra tamin'ny literatiora amin'ny teny anglisy taorian'ny ady .” #Caribbean https://t.co/U1yccSNJxS pic.twitter.com/hcD420PEP3

— Wayne Chen (@wcchen) 24 Martsa 2023

Ny 24 Martsa 1921 no teraka ilay Goiàney mpanoratra, Wilson Harris, fony mbola Goiàna Britanika no nahafantarana ny fireneny. Mpahay tsara ny asany izy, tsy dia inona loatra i Harris ankoatra ny hoe izy nitondra fanavaozana, namaritra ny fiangàliny asa soratra ho toy ny “quantum fiction.” Mpandrefy tany mpiza-draharaha no niantombohany, asa iray nahafahany nahita ireo harena sarobidy marobe tao anatin'ny faritra midadasika anivon'ny fireneny. Hainy ny nitaiza fifandraisana tsara tamin'ireo vahoaka vazimba teratany nonina tany, ary ny nampiasa ireo fahalalàna nifampizaràn-dry zareo taminy ho toy ny votoaty tany anatin'ireo tantara marobe nosoratany, tamin'ny filazàna hoe: ” Miezaka aho ny hanangana karazana fiarahamonina iray manana ny fahaizany mamaky ny ao an-tsainy, izay afaka mamaha ny fisiana tendro mifandrirotra sy ny fanarahan-drenirano mamosavy antsika”

Ny “Guyana Quartet,” ny voalohany tamin'izany, “Palace of the Peacock,” nivoaka tamin'ny 1960, ary ny farany, “The Secret Ladder,” namarana ny andiany tamin'ny 1963 no boky fantadaza indrindra sy angamba koa nankafizina indrindra tamin'ny nosoratan'i Harris. Natosik'ireo boky efatra ireo ny fetran'ny anganongano, ny fotoana sy ny habaka, ary tena revôlisiônera mihitsy izy ireny ka nahavita niaina am-polontaona maro  taorian'ny namoahana azy voalohany. Tsy ela akory izay, ny fotokevitra “Palace of the Peacock’ an'i Wilson dia nahazo aina vao tamin'ny endrika tarika moko jumbie izay tena namirapiratra tokoa tamin'ny Fetibe 2019 tao Trinidad&Tobago

Atilla the Hun

Nandray anjara tamin'ny fifaninanana voalohany Calypso King tamin'ny 1939 i Atilla the Hun ; nahazo ny anaram-boninahitra tamin'ny 1946 sy 1947. Kalipsôniàna voalohany nitazona ny toeran'olom-boafidy ; Mpanolotsaina Monisipaly tao amin'ny Seranan'i Espaina (1946) sady Filankevitra mpanao lalàna (1950) nisolo tena ny Faripiadidiana St. George Atsinanana.

— Wayne Chen (@wcchen) 24 Martsa 2023

Aza afangaro amin'ilay mpanjakan'ny Ampira Hunnic, fa i Raymond Quevedo, teraka tamin'ny 24 Martsa 1892, dia Trinidaiàna mpiangaly Calypso fantadaza tamin'ilay anaram-bositrany hoe Atilla the Hun. Tonga tamin'ny famirapiratany teo anelanelan'ny taona 1930s sy 1940s, izy dia nekena, niaraka tamin'i Rafael de Leon (Roaring Lion), ho toy ny iray amin'ireo mpisava làlana nanampy tamin'ny fanelezana ny karazana mozika Calypso hivoaka lavitra an'i Trinidad&Tobago. Sambany tamin'ny 1934, noho ny ezak'ireo roa goavan'ny Calypso, no nandre sy nandihy tamin'ny gadona Calypso ny vahoaka amerikàna tao New York. Nandray anjara tamin'ilay fifaninanana voalohany indrindra “calypso king” tamin'ny 1939 izy, ary nahazo io anaram-boninahitra be mpitsiriritra io tamin'ny 1946 sy 1947.

Atilla ihany koa no mpiangaly Calypso voalohany indrindra nitàna toeran'olom-boafidy, toerana nampahalaza azy ho mpiaro ny mahantra sy ny fahalalahana maneho hevitra. Mbola ankatoavina foana ny fandraisany anjara amin'ny maha-zokiolon'ny endrika zavakanto azy, indraindray avy amin'ireo hafa mpiangaly Calypso, araka ny andalan-tononkalon'i David Rudder, “Calypso Music“: “Ambarako fa izaho no voa (masomboly), izaho no voa avy amin'i Atilla ankehitriny izao … Toy ny Hun iray aho.” Nodimandry ny 22 Febroary 1962 i Atilla, teo amin'ny faha-69 taonany.

Erskine Sandiford

“Ny politikan'ny hetra nataon'i Sandiford no niteraka ny fihenan'ny fanohanan'ny vahoaka… Ho amin'io fanolorantena io sy ny fahamarinan-toeran'ny toekarena tao #Barbade… dia niantso ny hanaovana fifidianana solombavambahoaka izy tamin'ny taona 1994, roa taona talohan'ny fepotoam-piasàna voafaritry ny lalàm-panorenana” ary resin'i Owen Arthur, mpitarika ny BLP.

— Wayne Chen (@wcchen) 24 Martsa 2023

Teraka tamin'ny 1937, Sir Lloyd Erskine Sandiford dia mpisehatra tamin'ny pôlitika, niditra tao amin'ny antoko  Democratic Labour Party (DLP) fony izy mbola tanora avy nahazo diplaoma “Maitrise” momba ny toekarena sy ny fandalinana sôsialy avy teny amin'ny anjerimanontolo. Nandia ny zanatohatra rehetra tao anatin'ny antoko izy, ary farany lasa ho ny praiminisitra fahefatra tao Barbady ny 1987 hatramin'ny 1994, saingy nananosarotra ihany ny fialàny tamin'ny toerana naha-mpitarika azy.

Taorian'ny nankasitrahan'ny maro avy amin'ny antokony ny tolokevitry ny mpanohitra mba hanaovana fifidianana fitsipaham-pitokisana azy, niantso ny hanaovana fifidianana manerana ny firenena i Sandiford, taona roa mialoha ny fepotoam-piasàna noferan'ny lalàm-panorenana — ary resy, satria nanomboka nanova ny fomba fijerin'ny vahoaka hanohitra azy ilay politika ara-bola napetrany. Nijanona tao anivon'nyantenimiera izy ho toy ny mpanohitra nandritra ny dimy taona fanampiny, ary taorian'izay dia nanokana ny fotoanany ho an'ny fampianarana ny toekarena sy ny pôlitika tao Karaiba. Taty aoriana dia izy no voalohany lasa masoivoho nonina naharitra tao Beijing, Shina.

Raha mahaliana anao ny hahafantatra misimisy kokoa momba ireo mpitarika, ireo mpanakanto ary ireo mpisehatra ho an'ny fiovàna tao Karaiba, araho i Wayne Chen ao amin'ny Twitter.

Mikatona ny famoahana hevitra