- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana solontenan'ny Nanao Fifanarahana Arakasa ho ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: ny kandidà Mariam Abu Adas

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV
[1]

Mariam Abu Adas. Sary avy amin'i Georgia Popplewell.

Mpitantana tetikasa ary mpamorona votoaty ankihy i Mariam Abu Adas [2]. Tonian-dahatsoratry ny GV ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra (A4) izy nanomboka Septambra 2022, ary miara-miasa amin'ny Rising Voices sy Lingua amin'ny teny Arabo ihany koa. Za-draharaha 15 taona mahery eo amin'izany sehatra izany i Mariam, miasa momba ireo lohahevitra mahakasika ny zo ankihy sy amin'ny fitarihana fandaharan'asan'ny vondrom-piarahamonina sy ny maha lahy sy vavy any Eoropa, Afrika Avaratra ary Afovoany Atsinanana izy. Manana mari-pahaizana maîtrise momba ny Antropolojia ampiharina sy ny Asan'ny Tanora izy ary liana manokana amin'ny fiteny vitsy an'isa sy ny zo ankihy ao amin'ny faritra A4.
Nasaina hamaly ireo fanontaniana hita etsy ambany avokoa ireo kandidà rehetra amin'ny fifidianana ho biraon'ny filankevi-pitantanana 2023. Aza misalasala manontany zavatra fanampiny amin'i Mariam ao amin'ny faritra fanehoan-kevitra eo ambanin'ny lahatsoratra teny anglisy!
Inona no mahasarika anao indrindra amin'ny fiheverana hanao raharaha ao amin'ny biraon'ny filankevi-pitantanana (FiPi) GV?

Serving on the board of Global Voices provides a unique opportunity to collaborate with talented, creative, and conscientious individuals who share the goal of fostering a more informed and connected global citizenry. By amplifying marginalized voices, we can make a positive impact in a world where oppression uses many tactics. As someone from the MENA region, I have a personal understanding of the damaging effects of these tactics and the importance of countering them through the work of organizations like Global Voices.

Manome hirika tsy manam-paharoa hiarahana miasa amin'ireo olona manan-talenta, tia mamorona, sy manana feon'ny fieritreretana izay manana tanjona fampivelarana ny olom-pirenena maneran-tany mahara-baovao sy mifandray kokoa ny miasa ao amin'ny birao filankevi-pitantanan'ny Global Voices. Amin'ny alàlan'ny fanamafisana ireo feo natao anjorom-bala, afaka mitondra fiantraikany tsara eo amin'ny tontolo iray isika izay ampiasan'ny famoretana tetikady maro. Amin'ny maha-olona avy amin'ny faritra A4 ahy, manana fahatakarana manokana momba ny voka-dratsin'ireo tetikady ireo sy ny maha-zava-dehibe ny fanoherana azy ireo amin'ny alalan'ny asan'ny fikambanana tahaka ny Global Voices aho.

Inona avy ireo talenta, hakingàna, fifandraisana aman'olona ary fahaiza-manao manokana azonao omena ny Global Voices amin'ny andraikitrao amin'ny maha-solontena anao ao amin'ny birao filankevi-pitantanana (FiPi)?

I’ve had the privilege of being part of the Global Voices community since 2007, contributing in various capacities such as a translator, project manager, event coordinator, and recently as a regional editor.

I also have over 15 years of experience in leading community programs, particularly focused on youth and gender, in both physical and digital spaces. My work has centered around the intersection of language, freedom of expression, and digital rights.

My professional experience includes managing operations, providing administrative support, and facilitating communication between multiple stakeholders, in addition to editing and translation.

With a diverse range of experiences, I possess a strong ability to navigate complex cultural, social, and political contexts, enabling me to contribute effectively towards achieving the board’s goals.

Nanana tombontsoa aho anisan'ny vondrom-piarahamonina Global Voices nanomboka tamin'ny taona 2007, nandray anjara tamin'ireo fahaiza-manao isan-karazany toy ny mpandika teny, mpitantana ny tetikasa, mpandrindra hetsika, ary vao haingana amin'ny maha-tonian-dahatsoratry ny faritra ahy.

Manana traikefa mihoatra ny 15 taona aho amin'ny fitarihana fandaharan'asan'ny vondrom-piarahamonina, indrindra ireo mifantoka amin'ny tanora sy ny lahy/vavy, eo amin'ny sehatra hita vatana sy nomerika. Nifantoka tamin'ny fihaonan'ny fiteny, ny fahalalahana maneho hevitra ary ny zo nomerika ny asako.

Hita ao amin'ny traikefa maha-matihanina ahy ny fitantanana ny famitàna asa, ny fanomezana fanohanana ara-pitantanana, ary ny fanamorana ny fifandraisana eo amin'ny mpandray anjara maro, ankoatra ny fanitsiana sy ny fandikana.

Noho ireo zava-niainana maro, matanjaka ny fahaiza-manaoko hivezivezena amin'ny tontolon'ny kolontsaina, sosialy ary politika saro-pady, ka mamela ahy handray anjara amin'ny fomba mahomby amin'ny fanatrarana ny tanjon'ny biraon'ny FiPi.

Raha mitsinjo ny telo taona manaraka ianao, inona, araka ny hevitrao, no tokony ho laharam-pahamehan'ny GV amin'ny maha-fikambanana azy?

Post-pandemic, Global Voices needs to prioritize creating more opportunities for community members to meet, learn, and collaborate.

At the newsroom, priorities include exploring paid opportunities for contributors, advocating for fair pay and rights for contractors, and supporting editors, researchers, and admins while maintaining community-building and flexibility.

Expanding Rising Voices projects into new regions is essential for empowering marginalized communities and combating oppression and discrimination in a world with shifting power dynamics.

Providing more skill-building opportunities and acknowledgment for Lingua volunteers.

Promoting Advox to take a more prominent global role, which includes vocalizing support for individuals and causes that align with Advox’s mission.

Taorian'ny areti-mifindra, dia mila ataon'ny Global Voices laharam-pahamehana kokoa ny famoronana hirika bebe kokoa ho an'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina hihaonana, hianarana ary hiara-miasa.

Ao amin'ny efitrano famoaham-baovao, atao laharam-pahamehana ny hikarohana ireo hirika handraisam-bola nikaramana ho an'ny mpandray anjara, ny fisoloana vava hahazoana karama ara-drariny sy zo ho an'ny mpifanaraka arakasa, ary ny fanohanana ny tonian-dahatsoratra, ny mpikaroka ary ny mpandrindra sady mitazona ny fananganana fiarahamonina sy fahafaha-manao.

Tena ilaina ny fanitarana ny tetikasa Rising Voices ho lasa faritra vaovao hanomezan-kery ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika sy hiadiana amin'ny famoretana sy ny fanavakavahana ao amin'ny tontolo mora miovaova.

Manome hirika hampitomboan-talenta bebe kokoa sy fankasitrahana ho an'ireo volanteran'ny Lingua.

Mampiroborobo ny Advox mba handray anjara lehibe kokoa maneran-tany, izay ahitana ny fanohanana feo ho an'ny tsirairay sy ny antony mifanaraka amin'ny iraka ataon'ny Advox.

Lafiny inona amin'ny asan'ny GV no mahaliana anao indrindra?

It is hard to pick a favorite, as someone who likes being involved in different aspects of GVs. However, I have a weak spot for language minorities around the word generally, and in the MENA region especially. In the future, I hope to dedicate more time to this important cause.

Sarotra ny mifidy izay tiana indrindra, amin'ny maha olona tia mandray anjara amin'ny lafiny samihafa amin'ny GV. Na izany aza, malemy aho ho an'ireo vitsy an'isan'ny fiteny amin'ny ankapobeny, ary indrindra ao amin'ny faritra A4. Manantena aho rahatrizay ny hanokana fotoana bebe kokoa amin'ity tanjona lehibe ity.

Inona no tianao ho azo avy amin'ny fandalovana hanao servisy ao amin'ny biraon'ny FiPi ity, na amin'ny lafiny matihanina na ho anao manokana?

I believe that serving on the board would be a fulfilling experience both personally and professionally. It would provide me with the opportunity to engage more with the GV community and collaborate with talented individuals, which will help me on both improving my skills and developing new ones, such as problem-solving, strategic planning, and leadership.

Mino aho fahameno traikefa na ho an'ny tena manokana na arakasa ny fanompoana eo amin'ny biraon'ny FiPi. Hanome ahy hirika bebe kokoa hifaneraserana amin'ny vondrom-piarahamonina GV sy hiara-miasa amin'ireo olona manan-talenta izany, izay hanampy ahy amin'ny fanatsarana ny hakingako ananako sy ho fampivelarana ireo hakingako vaovao, toy ny famahana olana, ny drafi-tetipanorona ary ny fitarihana.

Ahoana no handrindranao ny servisy ataonao ao amin'ny biraon'ny FiPi amin'ireo adidy aman'andraikitrao manokana sy amin'ny asanao matihanina  any an-kafa?

I have successfully balanced multiple commitments in the past and I am confident that I can do the same with board service though communication, organization and prioritization.

Efa nahombiazana tamin'ny fandanjalanjana andraikitra maro aho taloha ary matoky aho fa afaka manao toy izany koa rehefa manao servisin'ny biraon'ny FiPi (amin'ny alalan'ny) fifandraisana, ny fandaminana ary ny fametrahana laharam-pahamehana.

Inona no fomba fiasa hampiasainao hirobohana sy hihainoana ny vondrom-piarahamonina mba hisoloana tena azy ireo amim-pahombiazana eo amin'ny sehatry ny biraon'ny FiPi?

I consider myself a people person. I plan to use all the tools at my disposal to engage with and support the community, whether it's through social media, email, or good old-fashioned carrier pigeon. I'll be there to lend an ear, offer advice, or do whatever I can to help.

Mihevitra ny tenako ho olom-bahoaka aho. Mikasa ny hampiasa ny fitaovana rehetra eo am-pelatanako aho mba hifaneraserana sy hanohanana ny vondrom-piarahamonina, na amin'ny alàlan'ny media sosialy izany, na mailaka, na amin'ny alalan'ny voromailala mpitondra hafatra fahiny. Ho eo aho hihaino, hanome torohevitra, na hanao izay azoko atao hanampiana.