
Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ilay mpanakanto Smarty, mijoro eo anilan'ny sarivongan'i Thomas Sankara
Ao Burkina Faso, azo itarafana ny dindo panafrikàna, ny avy amin'ireo zanaka am-pielezana ary ny iraisampirenena ny fivoaran'ny tontolon'ny mozika, ary manome toerana ho an'ny fahamaroan-karazana sy fiangaly izay nitondra ho amin'ny fahombiazany.
Iray amin'ireo goavana manamarika ny mozika burkinabe ilay mpihira Amadou Balaké (1944 -2014), noheverina hatry ny ela ho ny iray amin'ireo goavana mpihira tao amin'ny fireneny, ary avy amin'ny dingana nolalovany, dia maneho tsara mihitsy ireo fiovàn'ny tontolon'ny mozika. Tao anatin'ny karazany nentindrazana izy no nanomboka ny asany, tamin'ny fiteny mandé sy mossi, avy eo naka ny salsa afrô-kiobàna avy amin'ilay tarika senegaly Africando. Io karazana fifangaroana mozika nentindrazana sy maoderina io no mitohy mitantana ny mozika borkinabe hatramin'izao andro iainantsika izao.
Tsy dia malaza loatra eo amin'ny sehatra iraisampirenena toy ilay an'i Mali, kanefa ny mozika borkinabe dia feno karazana mozika ôrizinaly naka ny aingam-panahiny avy amin'ireo fombandrazana sy fitenin'ny vahoakany. Ny mooré izay fiteny ampiasain'ny vahoaka mossi (52% amin'ireo olona ao afovoan'ny firenena) no tena miasa be indrindra any anatin'ny mozika borkinabe. Ireo fiteny hafa toy ny Gur dia ampiasain-dry zareo Gurunsi, Gurma, Dagaaba sy Lobi ao atsimon'ny firenena; ny peul dia any avaratra no ampiasàna azy, ary ny mandé dia fiteny any amin'ireo Samo, Bissa, Bobo, Sénoufo sy Marka; samy mandray anjara daholo izy rehetra ireo mandrafitra ny lova ara-mozikan'ny firenena.
Yonko, beatmaker sady mpakasary, manipika ny anjara toerana lehibe tànan'ireo fiteny ao an-toerana ao anatin'io mozika io:
A votre avis est-ce qu’aujourd’hui on a une chance un temps soit peu de se faire remarquer dans la musique burkinabé (plus précisément le rap) sans forcément passer par les langues locales? A mon humble avis non, en tout cas…
— Yonkō (@AAsHbeats) July 18, 2021
Raha ny hevitrao dia mety hisy vintana ve amin'izao fotoana izao, na dia kely monja aza, mba hisongadinana ao anatin'ny mozika borkinabe (resahana manokana amin'izany ny Rap) ary tsy voatery handalo amin'ireo fiteny avy ao an-toerana? Raha ny hevitro dia tsia, mazava loatra..
— Yonkō (@AAsHbeats) 18 Jolay 2021
Io fahamaroana ara-poko sy io fifangaroan'ny fiteny io no nahafahan'ilay firenen'i Thomas Sankara, filohan'i Burkina Faso hatramin'ny.
Ireo mpisava làlana
Marobe ireo mpanakanto sy tarika mpanakanto mirotsaka amin'ny fampivoarana sy fampahafantarana ny mozika Vôltaika ( ilazàna an'i Haute Volta, anarana fahiny nentin'i Burkina Faso fony vanimpotoana fanjanahantany). Ireny tarika sy mpanakanto ireny no nanoratra ireo pejy tsara indrindra tamin'ny tantaran'ny mozikan'ilay firenena : Amadou Balaké, Georges Ouédraogo, Joseph Moussa Salambéré, Mangue Konde & le Super Mandé, ny Orkesitra Volta Jazz, ny Orkesitra Harmonie Voltaïque, ny Orkesitra C.V.D., Tidiani Coulibaly & Les Dafra Stars, Sandwidi Pierre ary Simporé Maurice.
Ity rakitsarin'i Georges Ouédraogo ity no vavolombelon'io lova io:
Andian-taranaka vaovao mitodika mankany amin'ny vaninandro maoderina
Eo anelanelan'ireo mpisava làlan'ny mozika borkinabe sy ireo mpanakanto ao anatin'ny andian-taranaka vaovao, hita misy fivakisana ihany. Nipetraka ireo fironana mankany amin'ny vaninandro maoderina, na izany teo amin'ny sehatra afrikàna, na amin'ny erantany, ary nitondra angovo vaovao tany amin'ny andian-taona 1980s sy 1990s tany, tamin'ny nampidirana ireo feon-gadona vaovao. Ny afro-zouk, ny reggae sy ny gadona maro hafa dia tonga naka toerana teo ambany fitarihan'ireo anarana toy ny an'i Amity Meria, Bil Aka Kora, Solo Dja Kabako, Idak Bassave sns…
Nanampy an'ireo ny fironana hip-hop, rap, R&B niaraka tamin'ireo tarika toy ny Sofaa, Kouma Kan, Clepto-Gang, Yeleen ary ireo mpankanto toa an'i Smarty, mpikambana fahiny tao anatin'ny tarika Yeleen.
Ao anatin'ity lahatsary ity, ny mpanakanto Smarty dia manao antso ho fahatongavantsaina iraisan'ireo Borkinabe:
Ny zouk sy ny coupé-décalé ivoariàna dia tafiditra ihany koa ao anatin'ireo karazana mozika nisy fiantraikany tamin'ny andian-taranaka vaovaon'ireo mpanakanto borkinabe. Hoy ny Wikipedia:
Ny coupé-décalé dia karazana mozika iray teraka tany amin'ny fiandohan'ny andian-taona 2000 teny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ireo Ivoariàna tao Parisy, ary lasa nalaza tao Côte d'Ivoire sy tany amin'ny firenena marobe tao Afrika atsimon'i Sahara nandritra ny folo taona taorian'izay. Miainga avy any amin'ny fanakianana ny materialisma ambaran'ny zouglou (karazany iray hafa amin'ny mozika ), ny coupé-décalé dia manamafy ny firaiketampony amin'ireo fanànana hita maso, sy amin'ny fomba fijeriny maneso ny fiarahamonina, apetraky ny coupé-décalé ho eny anoloana ny fialamboly sy ny fanehoana an-tsehatra. Araka izany, « samy lalovana ny mozika misy fironana sy ny mampisaintsaina momba ny fiarahamonina misy ny tena, mankany amin'ny mozika mampientanentana ahafahana milanona
Gadona malaza sy maoderina, ny coupé-décalé dia nambabo fo ireo borkinabe maro mpanakanto, toa an'i Floby, Dez Altino, Dicko Fils, Imilo Lechanceux, Kayawoto, Huguo Boss, Razben, Barsa 1er, Agozo, Bebeto Bongo, Greg Burkimbila, David Le Combattant ary Sofiano.
Indro ny lahatsary iray an'ilay mpanakanto Floby maneho ny dindon'ny Coupé-décalé:
Ity lahatsary iray hafa an'i Moise Ouattara, aingam-panahy nalainy avy amin'ny zouk:
Ny Slam no karazana mozika iray hafa niditra ho ao anatin'ny kianja filalaovan'ny mozika borkinabe. Izy dia anisan'ireo fitaovana ampiasain'ireo mpankafy azy, indrindra fa ny tanora, mba hanentanana sy hanairana ny olona momba ireo olana sôsialy. Io karazana mozika io dia nentin'ilay tanora mpanakanto Malika la Slameuse, Rama la slameuse sy ilay mpiventy Donsharp de Batoro.
Ao anatin'ity lahatsary ity, Malika la Slameuse dia manentana momba ny sakafon-jazakely:
Ao amin'ny twitter, ny sasany dia mankatelina tsara ny ataon'ireo mpanakanto ho an'ny mozika borkinabe.
Justement, eux ce sont des burkinabés mais ils ne font pas de LA MUSIQUE BURKINABÉ . Quand tu écoutes par exemple Awa Boussim , Nabaloum ,Alif , Floby… il y’a ce truc en commun qui fait de ça la vraie musique Burkinabé
— Burkiñd Bilã🇧🇫 (@sweetybananaa) July 20, 2019
Izay indrindra, izy ireo dia Borkinabe saingy tsy manao MOZIKA BORKINABE. Raha henoinao, ohatra, i Awa Boussin, Nabaloum, Alif , Floby… dia misy an'ilay zavatra iraisany manome ny tena mozika borkinabe
— Burkiñd Bilã🇧🇫 (@sweetybananaa) 20 Jolay 2019
Tsy adino ny fombandrazana
Azon'i Burkina Faso atao ihany koa ny miantehitra amin'ireo olo-malazany toa an'i Bil Aka Kora, Nabalum, Miss Tanya , Alif Naaba sy ireo mpanatalenta maro hafa. Ny mozikan'izy ireny dia fifangaroana feo fahiny sy vaovao. Amin'ny alàlan'ny hiran-dry zareo, ny sasany amin'ireny mpanakanto ireny dia manome voninahitra ny tantaran'ny fireneny, raha ny hafa kosa miampanga olana sasantsasany no sady manentana.
Araka izany, sary fanehoana tsara an'izay i Alif Naaba miaraka amin'ilay senegaly mpanakanto Ismaël Lô izay mandà ny fanavakavahana :
Araka ny lazain'ny tranonkala www.musiques-afrique.net. mbola velona tsara ny fombandrazana raha resaka mozika:
Marobe ireo mpankanto mendri-kaja milalao zavamaneno fively ho mozikany (Adama Dramé) , hatramin'ny balafon (Saramaya, Les Freres Coulibaly) sy hatramina fitambarana mozika sy dihy nentindrazana toy ny Farafina, Djiguiya na ny Troupe Saaba. Misy ihany koa ny mozika lazaina hoe world an'i Gabin Dabiré, izay, monina any Italia efa hatramin'ny taona maro, maka ny aingam-panahiny amin'ireo fombandrazana.
Misy lisitra filalao feno an'ireo mozika borkinabe azo raisina ato. Misy ihany koa lisitra filalao avy amin'ny lafivalon'ny tany azo raisina sy idirana amin'ny alàlan'ny kaonty Spotify Global Voices.