- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ilay vanobe sy mpanjono – angano tena misy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Vaovao Tsara

Pikantsary avy amin'ny seho ao amin'ny horonantsary fanadihadiana [1] “Yaren” manasongadina mpanjono sy vanobe.

Ny tantaran'ilay Tiorka mpanjono Adem Yilmaz [2], fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe “dadatoa Adem,” sy ny vanobe iray antsoina hoe Yaren [3] dia mety ho toy ny avy amin'ny anganon'i La Fontaine [4] — angano malaza ho an'ny ankizy any Eoropa Andrefana sy Atsinanana — saingy  tsy dia tena nisy ity fifandraisana ity (La Fontaine). Nifankahita isan-taona [5] tao anatin’ny roa ambin’ny folo taona tany amin’ny tanàn’i Eskikaraağaç, Torkia izy roa. Isan-taona, manodidina ny volana martsa i Yaren dia mitsidika an'i Adem amin'ny sambony fanjonoana mandritra ny fifindra-monina isan-taona ataon'ny vanobe any avaratra, ary naka sary ho lasa sary fanao isan-taona izy roa ireo. Mandray an'i Yaren miaraka amin'ny trondro vao azo tao amin'ny farihy i Adem. Lasa mariky ny fisakaizana tsy mahazatra izy roa ireo ka lasa malaza ao an-toerana ihany koa. Misy mihitsy aza ny horonantsary fanadihadiana [6] antsoina hoe “Yaren,” izay azo jerena ao amin'ny YouTube [1].

Tamin'ny taona faha-12, nitàna ny teniny i Yaren Stork. Niaritra orana sy tafio-drivotra izy, niampita firenena sy tanàna ary tendrombohitra, ary tonga tao amin’ny akaniny omaly sy androany teo amin’ny sambon’i Dadatoa Adem, ary naka sary. Enga anie mba ho ela velona tahaka ny volonao ianao. Sentom-panamaivanana ho antsika rehetra ny fahatongavany nony farany.

Tamin'ity taona ity, mariky ny fanantenana sy ny mahazatra ihany koa ny fahatongavan'i Yaren tao amin'ny firenena izay niharan'ny horohorontany nandravarava tamin'ny 6 Febroary [10], ary namoizana ain'olona maherin'ny 45.000 [11] sy namela faharavana marobe [12]. Tonga taty aoriana tsy araka ny nampoizina ny vanobe, ary maro tamin'ireo olona izay nanaraka ny tantaran'i Yaren sy Adem nandritra ny taona maro no niahiahy fatratra, anisan'izany ilay mpaka sary bibidia Alper Tuydes [13] izay nanaraka an'i Adem sy Yaren nandritra ny fotoana ela. Saingy nanainga ny fanahin'ny firenena sy ny mponina ao aminy ny fahatongavan'i Yaren, na dia tara aza. “Ity sary ity, avy amin'i Alper Tuydes, ilay mpaka sary momba ny natiora sy ny bibidia dia nanome anay fanantenana ny amin'ny andro tsara kokoa ho avy. Toa fanafody ny tantaran'izy ireo momba ny tsy fivadihana sy ny finamanana mafàna,” araka ny nosoratan'ny [14] The Magger, sehatra nomerika any Torkia izay matetika manoratra momba ny dia, ny kolontsaina, ny zavakanto, ny sinema ary ny mozika.

Mandritra izany fotoana izany, nanangana akany tao amin'ny tanànan'i Eskikaraağaç, toerana misy an'i Torkia [15] ao amin'ny tambajotra “European Stork Village Network (Tambajotran'ny Tanànan'ny Vanobe Eoropeana [16]” i Yaren sy i Nazli, mpiara-mipetraka aminy. Ireo tanàna anatin'ny tambajotra dia “voatondro noho ny fanoloran-tenan'izy ireo ho amin'ny fiarovana ny Vanobe Fotsy”. Hijanona ao Eskikaraağaç mandritra ny enim-bolana izy ireo mandra-pifindrany indray any atsimo. Eo amin'ny làlana falehan'ireo vanobe [17] an'aliny mifindra monina avy any Afrika mankany amin'ny firenena Eoropeana amin'ny alàlan'i Torkia ny tanànan'i Eskikaraağaç ao amin'ny faritanin'i Bursa. Ho an'ireo mpankafy an'i Yaren, misy mihitsy aza ny fandefasana mivantana [18] mitazana ny akaniny. Tamin'ny taon-dasa, dia nampiantrano [19]akany telo izy roa.

Roa taona lasa izay, nitsidika an'i Adem sy Yaren ilay mpaka sary Tuydes tamin'ny volana Mey. Naka an-tsarimihetsika ny fotoana mahafinaritra niaraka tamin'i Adem namahana an'i Yaren izy ary nanontany momba ny zanak'i Yaren sy ny sakaizany.

View this post on Instagram

A post shared by Alper Tüydeş (@alpertuydes) [20]