- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahoana ny ho fihetsik'i Hong Kong manoloana ny Gay Games: fanohanana sa fanafoanana?

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
[1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsary fampahafantarana ny [1] Gay Games Hong Kong 2023.

Hanomboka ao Hong Kong amin'ny Novambra amin'ity taona ity ny Gay Games [2], hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina iraisam-pirenena fanao isantaona, izay manandratra ny fahasamihafàn'ny fironana ara-pananahana sy ny miralenta. Taorian'ny nanemorana azy io herintaona [3] noho ireo fepetra nifandraika tamin'ny fisian'ny valanaretina, nirian'ireo mpikarakara ao an-toerana ny hahatonga ilay hetsika iraisam-pirenena ho “ “fanandratana an'i Hong Kong” [4] satria nandrandrain-dry zareo ny hahazo mpihazatany sy mpandray anjara hatramin'ny 30.000 ho ao an-tanàna.

Kanefa, miatrika adisanina ny Gay Games 11 Hong Kong izay mpampiantrano ao an-toerana. Ny ankamaroan'ireo mpisehatra pôlitika mpomba ny mpitondra ao Hong Kong toa tsy dia mankasitraka [5]ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+, ary misalasala ny olona sasany [6]momba ny hahafahan'ny mpampiantrano miantoka ny fiarovana ireo mpanatrika. Hatramin'ny 30 Jona 2020 nampiharana ny Lalàna momba ny Fiarovam-Pirenena, dia tena tratry ny teritery tokoa ny fahalalahana maneho hevitra tao an-tanàna tamin'ny famelomana indray ilay Lalàna faha-fanjanahantany momba ny Fikomiana. Anatin'ireo tranga tena fanta-bahoaka momba ireo olona na fikambanana nampangaina ho mpikomy, ny nanakatonana ny Stand News, mpampahalàla vaovao ety anaty tambajotra [7], ny fampidirana am-ponja olona dimy [8] noho ny fanontàna andiam-boky ho an'ny ankizy manazava ny pôlitikan'i Hong Kong amin'ny alàlan'ny anganom-biby, ary ny fisamborana olontsotra maro hafa noho ny lahatsoratra nalefan-dry zareo tao amin'ny media sôsialy.

Hong Kong no hiaraka hikarakàra ilay fihaonambe faha-11 iraisam-pirenena miaraka amin'i Guadalajara, Meksika, ao Amerika Latina. Tamin'ny Febroary 2022 no vita ny fifanekena mba hiatrehana ireo ahiahy ateraky ny  teritery amin'ny fivezivezena:

Ao anatin'ny fanahin'ny “Firaisana anatin'ny Fahasamihafàna”, ambaranay androany fa ny GGHK sy ny  @GayGames [9] dia anaty fifampiresahana amin'i Guadalajara, Meksika mba ho mpiaraka mampiantrano ny Gay Games faha-11, sy hiantohana fa ho azon'ny rehetra idirana sy mampiaty araka izay tratra tokoa izy ireny. https://t.co/EHJvupfd4U [10]

— Gay Games (@GayGames) 14 Febroary 2022

Tamin'ny 2016, nandresy tamin'ny fifidianana izay hampiantrano ny Gay Games faha-11 ny vondrom-piarahamonina LGBT+ ao Hong Kong. Na marobe aza ireo departemantam-panjakàna sy andrim-panjakana tao Hong Kong no naneho ny fanohanany an'ilay hetsika, misy sasantsasany amin'ireo pôlitisiàna mpomba ny fanjakàna no nanasokajy ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ho toy ny  “mahamenatra” [5] nandritra ny fivorian'ny  Filankevitra Mpanao Lalàna tamin'ny 2021, rehefa nangataka fanohanana mivaingana kokoa avy amin'ny governemanata ireo mpikarakara mialoha ny lalao.

 Julius Ho, mpanao lalàna, mpiandany amin'i Beijing, aza nilaza fa ny fifanambadian'ny olona mitovy fananahana dia “tsipika mena” iray mikitikitika ny resaka “fiarovam-pirenena” [12].

Ankehitriny efa andalam-pirosoana ireo lalao, voatery ny mpampiantrano nampihena ilay hetsika [4]izay tokony ho taranjam-panatanjahantena 36 ho 22 sisa, ary nanitsy ny fiandrandràn-dry zareo mpampiasa vola miisa 75.000 ho  30.000, noho ny tsy fisian'ny famatsiambola avy amin'ny governemanta. Raha tokony ho anaty faritra kianja goavana filalaovana, naparitaka manerana ny tanàna any anaty faritra kelikely kokoa ireo hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ho ataony, toy ny ivontoerana ara-panatanjahantena any amin'ny anjerimanontolo, sy ireo sekoly iraisampirenena, ary hatrany amina Valanjavaboary natao ho an'ny Siansa.

Mba hanamaivanana ny tsindry pôlitika mialoha ho ataon'ireo mpifikitra amin'ny nentindrazana, Bon Ng, tale misahana ny fanatanjahantena ho an'ny Gay Games Hong Kong, dia nampanantena [13] fa ilay hetsika dia “hanandratana an'i Hong Kong” no sady hanasongadinana ny fandraisana anjara miabo entin'ireo lalao ho an'ny toekarena eo an-toerana:

Tsy dia lehibe manao ahoana i Hong Kong, fanararaotra ihany koa ireo lalao ireo ho an'ireo mpandray anjara mba hitetezany azy – ilay fizahantany atosiky ny fanatanjahantena no resahanay

Saingy misy ihany koa ireo ahiahy hoe mety tsy ho afaka ny haneho ankalalahana ny tena heviny ireo mpandray anjara, na mety hiatrika ambana araka ny lalàna mandritra ny fivahinianany ao Hong Kong. Ho setrin'ireo ahiahy, Lisa Lam, mpiara-mitantana no sady lehiben'ny mpanolotsaina ao anatin'ilay fikambanana mpikarakara, tao anaty fandaharana iray tanaty onjampeo, no nanamaivana ny sivana, izay nataony ho toy ny tsy olana ary nanipika fa “antenainy ny hanajàn'ireo mpandray anjara avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny lalàna sy ny kolontsaina ao an-toerana” [6]

Niteraka kiana namaivay avy amin'ireo mpanohitra avy any ivelan'i Hong Kong ilay valintenin'i Lam. Samuel Bickett, mpikatroka iray mpiaro zon'olombelona, ohatra, nandefa bitsika hoe:

7/ Ankehitriny ny pôlisy eto Hong Kong dia maka sary ireo olona marobe manatrika hetsika ara-panatanjahantena mba hisamborana ‘mpikomy’, izay tsy isalasalàna fa ho ataon-dry zareo mandritra ny Gay Games. Ahoana no hahafahan'ny @GayGames [9] hiaro ireo mpanatrika ao anatin'io tontolo io? Tena ambana manokana mihitsy ny fanarahamason'ny governemanta ho an'ireo mpanohana ny LGBTQ avy any amin'ireo toerana izay tsy mankato araka ny lalàna ny maha-izy azy ireny. pic.twitter.com/LYp0dEOgk3 [14]

— Samuel Bickett (@SamuelBickett) 1 Aprily 2023

Tsy hoe tsy misy fotony ny fahatahorana hoe hisy hetsika atao momba ireo mpankafy ny lalaon'ny  LGBTQ+. Tamin'ny Septambra 2022, ny pôlisin'i  Hong Kong dia naka lahatsary an'ireo olona marobe nijery baolina kitra [16] raha iny nihorakoraka indrindra ny hiram-pirenena shinoa iny ny sasany tamin'ireo mpankafy baolina kitra. Ary ny Jolay 2021, nisy lehilahy iray voaheloka ho naniratsira hiram-pirenena tamin'ny fihorakorahany ilay hira rehefa nijery ireo Lalao Olaimpika tao Tokyo tao anaty toeram-pivarotana lehibe iray. 

Rehefa nametraham-panontaniana [17] ny momba ny fifamatoran'ny mpikarakara amin'ireo mpitantana ny tanàna, dia nobahanan'ilay mpikarakara ny Gay Games avy ao an-toerana i Samuel Beckett, miampy ireo feo hafa mpanakiana:

Manontany tena aho hoe olona firy (indrindra fa ireo ao Hong Kong, isan'izany ireo olona ‘gay’ marobe sy ny mpiaradia aminy) no voabahana. Ary, ho fampahafantarana, izaho dia isan'ireny voabahana ireny koa.

— YTSL (@FY4Chan) 2 Aprily 2023

Ny lohahevitry ny Gay Games andiany faha-11 dia  “Firaisana anatin'ny  Fahasamihafàna”; raha ny hita aloha dia mila tonga mialoha ny fahasamihafàna ny firaisana.