- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ampangain'ny filohan'i Micronesia ho mpanolikoly sy “manao ady ara-politika” i Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Oseania, Shina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika
Federated States of Micronesia President David Panuelo

Filohan'i Federasionan'ny Fanjakana ao Micronesia David Panuelo (ankavanana) mifampiarahaba tanana amin'ny masoivoho shinoa Huang Zheng (ankavia). Photo [1] avy amin'ny pejy Facebook-ny Biraon'ny Filohan'ny Federasionan'ny Fanjakana ao Micronesia, naranty tamin'ny 12 desambra 2022.

Nanoratra taratasy 13 pejy nalefa ho an'ny governoram-panjakana sy ireo mpitondra hafa ao an-toerana i David Panuelo, filohan'ny Federasionan'ny Fanjakana ao Micronesia (FSM) efa handao ny asany, miampanga an'i Shina [2] ho nanao kolikoly sy “manao ady ara-politika” ao amin'ny faritra Pasifika.

Satria tsy lany ho filoha indray [3] i Panuelo tamin'ny 7 marsa, dia hifarana amin'ny volana Mey ny fe-potoam-piasany ho filoha. Nandefa ny taratasiny izy ny 9 marsa.

FSM dia faritany Pasifika ahitana nosy sy nosikely 600 manana mponina manodidina ny 115.000 isa. Any avaratratsinanan'i Aostralia no misy azy ary mahazo fanampiana ara-bola sy fiantohana fiarovana avy any Etazonia izy.

Nandritra ny fitarihan'i Panuelo ny FSM no lasa ao anatin'ny Fisantaran'Andraikitra Etra sy Lalana (Belt and Road Initiative) an'i Shina izay nitondra ho amin'ny fanombohan [4]‘ireo tetikasa tolo-tanana ara-teknika momba ny fambolena, “kianjan'ny firahalahiana”, ary ny fanamboarana lalana sy tetezana maromaro.

Saingy nilaza ny taratasi [5]n'i Panuelo fa manana antony mandoza i Shina hanitarana ny fisiany any Pasifika.

I believe that our values are presently being used against us as Micronesians and against our national interests.

…we are witnessing political warfare in our country we are witnessing Grey zone activity in our country. over the course of my administration, the cope has increased as has the depth, as has the gravity.

Mino aho fa ampiasaina hamelezana antsika ny soatoavintsika amin'ny maha Mikroneziana antsika sy ny tombontsoam-pirenentsika.

…manatri-maso ady ara-politika eto amin'ny firenentsika isika mahita ireo hetsika anaty faritra volondavenona eto amin'ny firenentsika (hetsika mety hiteraka ady na entina hanindriana izay lazaina fa ampiana). Nihanitombo ny fahatakarako ny halaliny sy ny hery-tsy-hita manintona ao aminy nandritra ny fotoana nitondrako.

Naseho [6]n'i Panuelo fa tafiditra anaty hetsika “faritra volondavenona” ny fandefasana andian-tsambo fikarohana shinoa ao anatin'ny fari-dranomasina FSM, izay ny tena iraka ataony dia ny fitsikilovana, ny fanaovana sarintany ireo otrikarena ary hanoritra lalana ambanin'ny ranomasina.

Nilaza izy fa nanohitra ny fifanaraham-piaraha-miasa naroson'i Shina momba ny “Fandalinana ny toekarena manga (otrikarena an-dranomasina)” satria hanokatra varavarana ho an'i Shina izany “hanombohany hifehezany ny hosina tsoraberan'ny firenentsika sy ny seranan-tsambontsika.”

Nampiany koa fa mampiasa ny harenany miavosa i Shina mba hanolikoleny ny mpitondra eto Pasifika.

One of the reasons that China's political warfare is successful in so many arenas is that we are bribed to be complicit, bribed to be silent.

…What else do you call it when an elected official is given an envelope filled with money after a meal at the PRC [People’s Republic of China] Embassy or after an inauguration? What else do you call it when a senior official is discretely given a smartphone after visiting Beijing? What else do you call it when an elected official receives a check for a public project that our National Treasury has no record of and no means of accounting for?

Anisan’ny mahatonga ny ady ara-politikan’i Shina hahomby amin’ny sehatra maro ny hanolikolena anay ho mpiray tsikombakomba, hanolikolena anay hangina.

…Inona koa no iantsoanao azy rehefa omena valopy feno vola ny olom-boafidy iray rehefa avy nisakafo tao amin'ny Masoivohon'ny REBS [Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina] na aorian'ny fitokanana zavatra iray? Inona koa no iantsoanao azy rehefa omena smartphone mangingina ny tompon'andraikitra ambony rehefa avy nitsidika an'i Beijing? Inona koa no iantsoanao azy rehefa misy olom-boafidy mahazo taratasim-bola noho ny tetikasam-panjakana izay tsy ananan’ny Tahirim-bolam-pirenena firaketana an-tsoratra sy tsy tafiditra anaty fitantanam-bola?

Nolazainy ny loza mitatao atrehiny tamin'ny fanoratana ity taratasy ity:

I am acutely aware not informing you of all this presents risks to my personal safety, the safety of my family, and the safety of the staff I rely on to support me in this work. I inform you regardless of these risks because the sovereignty of our nation, the prosperity of our nation, and the peace and stability of our nation, are more important.

Fantatro tsara fa ny tsy nampahafantarako anareo ireo rehetra ireo dia miteraka loza mitatao amin'ny fiarovana ahy manokana sy ny fianakaviako ary ny fiarovana ny mpiasa ianteherako hanohana ahy amin'ity asa ity. Ampahafantariko anareo na inona na inona ny mety ho loza mitatao satria zava-dehibe kokoa ny fiandrianam-pirenentsika, ny firoboroboan'ny firenentsika, ny fandriampahalemana sy ny fitonian'ny firenentsika.

Nolavin'ny [7] governemanta Shinoa tamin'ny fomba ofisialy izany fiampangana izany. Hoy ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, Mao Ning, nandritra ny lahateny fohy nataony ho an'ny mpanao gazety:

We noted relevant reports, in which the smear and accusations against China are completely inconsistent with the facts.

Voamarikay ny tatitra mahakasika anay, izay tsy mifanaraka mihitsy amin'ny zava-misy ny fanosoram-potaka sy ny fiampangana an'i Shina.

Nambarany ihany koa fa vonona ny hiara-hiasa amin'ny FSM i Shina mba hanamafisana ny fisakaizana sy ny fiaraha-miasa.

Tao anatin'ny fanambarana iray, nanizingizina ny masoivoho Shinoa Huang Zheng fa fanehoana diso ny zava-misy sady fanendrikendrehana [8] ny fiampangana ao amin'ny taratasy.

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny RNZ News, ny profesora mpiara-miasa ao amin'ny Oniversiten'i Hawai'i ao Moana, Tarcisius Kabutaulaka, no nanamarika ny maha-zava-dehibe [8] ny zavatra navoakan'i Panuelo tao amin'ny taratasy; saingy, miaraka amin'izany, nanolorany hevitra fa nanimba ny fanambaràna ihany koa ny fahareseny tamin'ny fifidianana vao haingana .

It [allegations] is significant, especially from the leader of a country that has diplomatic relations with PRC.

But it is unfortunate that he made the statement on the eve of his presidency and as he is leaving office. This could therefore be read and therefore dismissed as the views of someone who has just lost the election and therefore looking for someone to blame.

Zava-dehibe ny [filàzany], indrindra avy amin'ny mpitondra firenena manana fifandraisana ara-diplaomatika amin'i REBS.

Mampalahelo anefa ny nanehoany io fanambaràna io amin’ny faramparan'ny fiadidiany sy amin'ny handaozany ny biraony. Azo vakiana àry izany ka tsy raharahina fa toy ny hevitry ny olona resy tamin’ny fifidianana ka noho izany dia mitady olona homena tsiny.

Tsy Panuelo no mpitondra ao Pasifika voalohany nanakiana ny fihetsik'i Shina tao amin'ny faritra. Ohatra, efa nampanontany tena [9] [mg] ireo vondrona mpanohitra any Kiribati sy ny Nosy Solomon teo aloha ihany koa ny fielezan'i Shina tampoka amin'ny hetsika ara-piarovana sy ara-politika ao Shina any amin'ny fireneny avy.

Etsy ankilany kosa nilaza i Shina fa manaja ny fiandrianam-pirenen'ny firenena Pasifika izy ary mihevitra azy ireo ho mpiara-miombon'antoka mitovy laharana aminy.