- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanavaozana ny endrika: votoatin'ny pejy fandraisan'ny andrana A/B “Momba ny GV”

Sokajy: Blaogim-Piarahamonina GV
Two screenshots of the GV homepage, one with the normal layout showing various posts, the other with a new layout including text explaining GV. [1]

Ny roa amin'ireo pejy fandraisana izay ho andramanay, mampiseho ny fahafahana hanokana toerana bebe kokoa ao amin'ny pejy fandraisana mba hanazavana ny Global Voices sy ny zanaka tetikasantsika.

Salama daholo, Jer Lehiben'ny Sampana Teknika ato amin'ny GV ity hitondra fanampim-baovao hafa ho anareo mikasika ny fanandramantsika ny votoatin'ny pejy fandraisana ao amin'ny GV. Jereo ny valin'ireo andrana nataontsika teo aloha miaraka amin'ny” [2]fampifandimbiasana lahatsoratra misongadina” ho an'ny fanazavàna bebe kokoa raha mahaliana anao.”

Inona no atao hoe fanandramana “A/B” ?

Ny fanandramana “A/B” [3] dia midika ho fandefasana kisendrasendra dika roa samihafa amin'ny tranonkalanao  (dika iray “A” sy dika iray “B”) mba hamoriana ireo angona sy hampitahàna azy roa.

Mampiasa ny fanandramana A/B hatrany hatrany ny GV mba hanombanana hevitra famolavolana vaovao sy hanombanana ny fiantraikan'izy ireny amin'ny fanolorantenan'ireo mpitsidika ary ny fivezivezena ankapobeny, araka izay nozohian'ny Google Analytics.

Ny andrana A/B natombotsika amin'izao fotoana izao dia mifandraika amin'ny fanontaniana iray efa nampanontany tena antsika hatramin'izay hoe : Tokony hisy karazana fanazavana mikasika ny atao hoe GV ve eny amin'ny faratampon'ny pejy fandraisan'ny GV ?

Efa hatry ny ela, ny pejy fandraisana dia saika natokana ho fanehoana ireo lahatsoratra, na izany eo amin'ny fampifandimbiasana ireo lahatsoratra misongadina, ny lisitra fotrotr”ireo lahatsoratra, na ireo widgets manaraka lohahevitra tahaka ireo mampiseho ny lahatsoratra vao haingana navoakan'ny Advox sy ny Rising Voices. Io dia fomba tsara hitarihana ireo mpitsidika hankany amin'ireo tantarantsika, saingy satria efa rentsika imbetsaka ny tsy fahafantaran'ny olona hoe iza isika ary inona no andraikitsika, dia misy tohan-kevitra tsara tokony apetraka tsara hoe tokony hanokana ezaka eo amin'io toerana kely ao amin'ny pejy fandraisana io isika mba hanazavana izany sy hanondroana amin'ny olona ny toerana hahafahany mahalala bebe kokoa momba izany.

Ireo fiovaovàna andalam-panandramana

Screenshot of the "about GV" widgets, with the following text: We are Global Voices Global Voices is an international, multilingual community of writers, translators, and human rights activists. Together, we leverage the power of the internet to tell stories that build understanding across borders.Learn more ». Protecting digital rights and freedom of expression online through research, reporting, and advocacy. Visit Advox » Supporting marginalized communities to harness the internet and meet their self-determined needs. Visit Rising Voices ». Investigating how people understand information and create knowledge in complex media ecosystems. Learn about the Observatory » [4]

Ny widgets “Mikasika ny GV”. Tsindrio ity mba hanalehibeazana azy.

Noho izany dia teraka ity andrana ity : Narafitray ny andiana widgets izay manazava ny GV amin'ny ankapobeny, ary koa ireo tetikasa telo lehibe ato amintsika, Advox [5], Rising Voices [6], sy ny Observatory [7], ary ho andramantsika izay mitranga rehefa aseho amin'ny sehatra samihafa ao amin'ny pejy fandraisana izy ireny.

Ny dika iray amin'ny tranonkala dia manana ampahany iray midadasika eo antampony manazava ny zava-drehetra, ny iray hafa indray misy ireo fizarana roa notsinjaraina “mikasika ny“,  ary ilay fahatelo kosa manisaka ireo fizarana roa hidina hankeo afovoany sy ny farany ambany amin'ny pejin'ny tranonkala.

Koa miomàna hanao dingana vitsivitsy ! Mandritra ny fandehanan'ny andrana dia ho hitanao fa somary hiova hafa kely ny pejy fandraisana isaky ny mijery azy ianao.

Izay andrasanay any anatin'ireo antontan'isa

Ny tanjon'ity andrana ity dia ny hijerena raha toa ny fanaovana an'io fitaovana fanazavana eo ambony amin'ny tranonkala io manampy na manimba ireo fepetra samihafa izay narahantsika mifandraika amin'ny fitondrantenan'ireo mpampiasa. Ny fanantenantsika dia ny mba hananantsika ity fampahalalana mahasoa ity eny an-tampony, tsy manembatsembana ny fahafahan'ireo mpitsidika mahita ireo tantara omentsika ka hanindrian-dry zareo eo amboniny, sy mety handrisika betsaka ny olona kokoa hifikitra amin'izany ! Amin'ny lafiny ilany, azontsika lazaina fa tsy ho liana amin'ilay votoaty vaovao ny olona ary hiafara amin'ny fialàny tsy hijery akory ny tantara atolotsika.

Raha hitantsika fa ny fanampiana ity votoatiny vaovao ity dia misy fiantraikany ratsy eo amin'ny tanjona lehibe napetratsika ho fanampiana ny olona hahita ny tantara atolotsika, dia tsy maintsy ho fafàntsika izany na apetratsika ery amin'ny farany ambany amin'ny tranonkala. Raha hitantsika fa manampy na farafaharatsiny tsy manimba ny fandraisana anjara misy an'ireo lahatsoratra ilay votoaty vaovao dia hatombotsika ny fametahana tsy tapaka izany eo an-tampony ary hotohizana hatrany ny asa fanatsaràna ny votoatiny.

Ahoana ny hevitrao ?

Hevitra tsara ve ny fizarana “Mikasika ny GV” ery an-tampony amin'ny tranonkala araka ny hevitrao ? Heverinao ve fa hanampy ireo olona izany ho liana kokoa amin'ny asantsika, sa manakantsakana fotsiny ireo mpitsidika izay miverina hitady an'ireo vaovao farany ? Faly izahay haheno ny hevitrareo sady mandray foana ny hevitry ny tsirairay, amin'ny alalan'ny fihainoana ireo angona mivaingana azo avy amin'ny fanadihadiantsika.