Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Ny kandidà Kevin Rennie

Kevin Rennie. Saripikan'i Jer Clarke.

Kevin Rennie dia mpampianatra sekoly ambaratonga faharoa misotro ronono avy any Aostralia izay niditra tato amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices tamin'ny Desambra 2008. Mpikambana Sendikaly i Kevin ary mpikambana ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa Aostraliana nanomboka tamin'ny taona 1972. Nitondra azy tany amin'ny faritra maro tany Aostralia ny asa fampianarana nataony, anisan'izany ny Zaratany Avaratra (Northern Territory) sy Maningrida, vondrom-piarahamonina vazimba ao Arnhem Land. Monina any Melbourne izy amin'izao fotoana izao.

Nasaina hamaly ireo fanontaniana hita etsy ambany avokoa ireo kandidà rehetra amin'ny fifidianana ho biraon'ny filankevi-pitantanana 2023. Aza misalasala manontany zavatra fanampiny amin'i Kevin ao amin'ny faritra fanehoan-kevitra eo ambanin'ny lahatsoratra teny anglisy!

Inona no mahasarika anao indrindra amin'ny fiheverana hanao raharaha ao amin'ny biraon'ny filankevi-pitantanana (FiPi) GV?

Getting to know GVers new and old and to take on an important representaive role for our amazing community.

I have been an active and passionate contributor for 15 years.

Ny hahafantarana ireo GVers vaovao sy tranainy ary ny handray andraikitra lehibe ho an'ity vondrom-piarahamonintsika mampitolagaga ity.

Mpandray anjara mavitrika sy mafana fo aho nandritra ny 15 taona.

Inona avy ireo talenta, hakingàna, fifandraisana aman'olona ary fahaiza-manao manokana azonao omena ny Global Voices amin'ny andraikitrao amin'ny maha-solontena anao ao amin'ny birao filankevi-pitantanana (FiPi)?

I have had extensive experience in a range of voluntary roles with GV and as a citizen journalist more widely. My skills include online writing, video-making and investigative research. My broad network, both within and outside GV, includes many writers and translators, and activists from many backgrounds.

My main interests at present are the environment, human rights and indigenous issues. Nevertheless, my stories may cover any aspect of life down under.

Efa niaina andraikitra an-tsitrapo maro dia maro aho niaraka tamin'ny GV sy amin'ny maha-olom-pirenena mpanora-gazety ahy. Tafiditra amin'ny zava-manavanana ahy ny fanoratana an-jotra, ny fanaovana horonan-tsary ary ny fanaovam-pikarohana mandalina lavitra. Ahitana mpanoratra sy mpandika teny maro, ary mpikatroka avy amin'ny fiaviana maro ny tambajotra midadasika ifandraisako, na ao anatin'ny GV na ivelany.

Ny tena mahaliana ahy amin'izao fotoana izao dia ny tontolo iainana, ny zon'olombelona ary ny raharahan'ny vazimba teratany. Na izany aza, ny tantarako dia mety hiompana amin'ny lafiny rehetra (ambany masoandro).

Raha mitsinjo ny telo taona manaraka ianao, inona, araka ny hevitrao, no tokony ho laharam-pahamehan'ny GV amin'ny maha-fikambanana azy?

It is very important that we spread the word about our unique multi-lingual community and our stories. We must explore ways of finding the audience our work deserves, and making our many visitors into regulars.

Tena zava-dehibe ny hampielezantsika teny amin'ny maha-vondrom-piarahamonina tokanamantany sy maro fiteny antsika sy ny hampielezantsika ny  tantarantsika. Tsy maintsy mikaroka fomba isika hahamendrika ny asantsika amin'ny mpamaky (mpihaino), sy hahatonga ny mpitsidika maro hamaky tsy tapaka.

Lafiny inona amin'ny asan'ny GV no mahaliana anao indrindra?

Mostly, the newsroom. I have also written regularly for Advox. How we can use social media to promote our work is another area of interest.

Ny ankamaroany dia ny efitrano famoaham-baovao. Nanoratra tsy tapaka ho an'ny Advox ihany koa aho. Ny fomba ahafahantsika mampiasa ny media sosialy hampiroboroboana ny asantsika dia sehatra iray hafa mahaliana.

Inona no tianao ho azo avy amin'ny fandalovana hanao servisy ao amin'ny biraon'ny FiPi ity, na amin'ny lafiny matihanina na ho anao manokana?

The satisfaction of helping amplify our diverse ideas, views and experiences.

Ny fahafaham-po amin'ny fanampiana hanamafisana ny hevitsika, ny fomba fijerintsika ary ny traikefantsika.

Ahoana no handrindranao ny servisy ataonao ao amin'ny biraon'ny FiPi amin'ireo adidy aman'andraikitrao manokana sy amin'ny asanao matihanina  any an-kafa?

As a retiree from the paid workforce, I’m sure I can squeeze this challenging role into a busy life.

Amin'ny maha-mpikarama efa retirety ahy, azoko antoka fa afa-manery ity andraikitra sarotra ity ho fiainana (andaniana andro).

Inona no fomba fiasa hampiasainao hirobohana sy hihainoana ny vondrom-piarahamonina mba hisoloana tena azy ireo amim-pahombiazana eo amin'ny sehatry ny biraon'ny FiPi?

The GV Council and our google groups, email and online media are just some of the means of gathering GVers’ needs and suggestions and reporting back. The dreaded zoom meeting certainly has its place. The community blog is an underused resource. Theme, topic or issue based groups could also enhance our work. The Green Voices team, of which I was one of the initiators, is a good example.

Please contact me if you have any questions or suggestions.

Efa anisan'ny fomba hanangonana ny filan'ny GVers sy ny soso-kevitr'izy ireo ary hanaovana domberina ny Vaomieran'ny GV sy ny vondrona google antsika, ny mailaka ary ny media an-tserasera. Manana ny toerany tokoa ilay fihaonana mampatahotra ao amin'ny zoom. Loharanom-baovao tsy nampiasaina loatra araka ny tokony ho izy ny bilaogin'ny vondrom-piarahamonina.  Afaka manatsara ny asantsika ihany koa ny singa iaraha-manao (theme), ny lohahevitra ankapobeny na raharaha ifandinihan'ny vondrona. Ohatra tsara amin'izany ekipan'ny Green Voices, ary iray amin'ireo nisantatra izany aho.

Miangavy aho mifandraisa amiko raha manana fanontaniana na soso-kevitra ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.