Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tao Mexico City: fankalazàna rakotry ny alahelo

Sorabaventy avy amin'ilay diaben'ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tao Mexico City. Sary an'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alàlana.

Tsy isalasalàna fa ny 8 Martsa dia iray amin'ireo datin'andro manandanja ho an'ireo hetsika feminista manerana izao tontolo izao. Avy amina tranga iray tena mampalahelo be no naha-manandanja io daty io, ny afo tao amin'ny Triangle Shirtwaist Factory tao  New York tamin'ny 1911, izay namoizana aina mpiasa niisa 146. Vehivavy mpila ravinahitra ny ankamaroany, dia ireo izay nanao fanentanana hisian'ny fanatsaràna ny fepetra iasàna hahafahan-dry zareo mampitambatra ny asany amin'ny fiahiana ny ankohonany, ary hatramin'ny fandraisana karama sahaza sy ny fomba fitondra tsy mitanila eny amin'ny toerana iasàna. Nohidian'ny tompon'ilay orinasa ny fivoahana raha misy loza ka marobe tamin'ireo vehivavy no voatery nitsambikina avy eny am-baravarankely mba handosirana ny afo. Na izany aza, io tranga io no lasa mari-pamantarana ireo tolona hafa, maro amin'izany no misy ifandraisany amin'ny hetsika sôsialista maneran-tany ary mifantoka amin'ny fitakiana fitoviana ho an'ireo vehivavy, tsy ijerena izay firenena niaviany, na finoana, na foko, na ny satany ara-panambadiana. 

Vehivavy iray nitafy akanjo nentim-paharazana Aztec nandritra ny diabe ho an'ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tao Mexico City. Sary an'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alalana.

Any Meksika, marobe ireo vehivavy no miaina anaty alokaloky ny herisetra. Vehivavy maherin'ny 16 000 no maty tao Meksika nanomboka ny taona 2012, kanefa latsaky ny iray ampahadimin'ireo tranga ireo no nohadihadiana sy voatsara ho toy ny famonoana vehivavy - voafaritra ho sahala amin'ny famonoana olona mahery setra mifandray amin'ny maha-lahy na maha-vavy. Izany dia na teo aza ny fampidirana ilay lalàna tamin'ny 2015 izay iheverana ireo famonoana vokatry ny herisetra atosiky ny maha-lahy na maha-vavy ho famonoana vehivavy.

Vehivavy naka aina nandritra ilay diabe ny 8 Martsa 2023 tao Mexico City. Sary an'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alalana taminy.

Endrika iray hafa isehoan'ny herisetra mahery vaika izay mananontanona ny fiainan'ireo vehivavy Meksikana ny fanjavonana tsy hita hazavaina. Olona maherin'ny 110 000 no voalaza fa tsy hita popoka manerana ny firenena, mifamatotra amin'ny ady tsy ara-dalàna mandatsa-drà iadiana amin'ny zava-mahadomelina  ny ankamaroan'ireny tranga ireny. Ny vehivavy anefa no ankamaroan'ny 28.000 amin'ireny fanjavonana ireny, izany hoe efa ho ny iray ampahefatry ny fitambarany.

Afisy mikasika ny fanjavonana vehivavy iray naseho nandritra ny diaben'ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tamin'ity taona ity tao Mexico. Sary an'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alalana taminy.

“21 taona ny rahavaviko raha mbola velona teo,” “Raha manjavona aho, karakaraonareo ny reniko,” “Mpampianatra aho”— aza kitihina ireo zanakovavy”, “Ny UNAM (Universidad Nacional Autónoma de México, iray amin'ireo Anjerimanontolo malaza indrindra ao amin'ny firenena) dia fialofana azo antoka ho an'ireo mpanolana …” — tsy inona akory ireo fa santionany amin'ireo sora-baventy tamin'ny fihetsiketsehana ho an'ny Andron'ny Vehivavy izay niresaka ny fahatsapana alahelo lehibe, sy ny tsy fahombiazan'ny governemanta Meksikana nifandimby mba hiaro ny ankamaroan'ireo vehivavy olom-pireneny iharan'ny karazana herisetra samihafa mivantana na ankolaka, sy amin'ireo tranga maro misy herisetra tafahoatra.

Afisy misy sarin'ny lehilahy iray voampanga ho nanolana, hita nandritra ny Diaben'ny Andro Erantany ho an'ny Vahivavy tao Mexico City tamin'ity taona ity. Sary an'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alàlana

Ny fihetsiketsehana mandritra ny Andro ho an'ny Vehivavy, na ny 8 Martsa araka ny ahafantarana azy ihany koa, dia mitondra ireo Meksikàna vavy hivondrona anatina fahatsapàna iray iraisany, amin'ny fanaintainana sy hatezerana, ary na manome fahafahana ho an'ireo vehivavy maro any amin'ny firenena marobe hafa aza io mba hankalazàna ny vatany, ny feony, ny zavatra niainany ary ny filàn-dry zareo, dia misy fahatsapàna alahelo be nipoitra avy amin'ny maha-vehivavy ny tenany ao Meksika.

Vehivavy manao fihetsiketsehana nandritra diaben'ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tamin'ity taona ity tao Mexico City. Sary an'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alàlana.

Tao Santiago, renivohitr'i Shily, izay nisian'ny iray lehibe indrindra tamin'ireo hetsika tany Amerika, tantara maro tsy tambo ho isaina momba ny fanararaotana ara-nofo sy ny filam-baniny, no nanamarika ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy. Nandritra izay fotoana izay ihany anefa, nisy koa fankalazàna iray nataon'ireo vondrona marobe sy hetsika marobe tao amin'ny firenena, ka iray tamin'ny zavabita maro tontosan'izy ireny ny  “fifidianan'ny vehivavy” izay nanampy tamin'ny fionganan'i Augusto Pinochet, iray tamin'ireo mpanao jadona nahery setra indrindra tao Amerika Latina. Tao Madrid, ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy dia fankalazàna ireo zavabita tany aloha: fahazoana manàla zaza maimaimpoana, tsy misy teritery, ary azo antoka ho an'ny rehetra, fivoaran'ny resaka fitoviana lenta eny amin'ny toerana fiasàna sy ny anjara andraikitry ny vehivavy ao anatin'ny tontolo pôlitika.

Vehivavy mpanao hetsipanoherana arahan'ireo pôlisy maso nandritra ny diaben'ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tao Mexico City. Sary an'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alàlana

Ao Venezoelà, tsy natao ho an'ny rehetra ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy, fa fivorivoriana kely ataona vehivavy izay voatery niatrika, tsy ny pôlisy sy ireo mpiambina ivelan'ny tafika fotsiny ihany, fa ihany koa ny esoeson-teny avy amin'ireo Venezoeliàna mpiray tanindrazana tao anatin'ny ezaka natony ho fanairana ny saina momba ireo olana any anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny vehivavy sy ireo LGBTQ+, ny tsy fisian'ny angondrakitra ofisialy mihitsy sy ny fiarovana avy amin'ny fanjakàna, ary ny fitomboan'ireo tranga famonoana vehivavy tsy mba nanaovana fanadihadiana noho ireo tsy fetezan-javatra ao anatin'ny rafitra fitsaràna sy ireo mpiasam-bahoaka tsy voaofana hiatrika ireo herisetra noho ny maha-lahy na maha-vavy.

Vehivavy iray maka bahana ho alaina sary anaty fitafy nentindrazana Aztec nandritra diaben'ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tao Mexico City. Sary an'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alàlana

Tao Mexico City, ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy dia fanariana ety ivelany ireo fahadisoam-panantenana tsapan'ireo Meksikàna vavy noho ny maha-vehivavy ny tenany fotsiny: ireo fanararaotana mihatra amin'ireo vondrom-piarahamonina LGBTQ+ noho izy ireo tsy manaraka feno ny fotokevitra binary sy biôlôjika ijoroan'ny resaka lenta; ny fahatsapàna horohoro izay mahatonga fiforonana sy fanohanana ho an'ireo vondrom-piarahamonina ao anatina tontolo iray misy famonoana vehivavy, fanjavonana, fitomboan'ny herisetra an-tokantrano, ny tsy rariny mandeha ho azy any anaty toeram-piasàna, ny fahatsapàna ho manirery mifandray amin'ny fiahiana sy fiarovana ny ankohonan'ny tena, ary ny teritery amin'ny fahafahana miditra mahazo fikarakaràna ara-pahasalamàna sy any amin'ny rafitra ara-pahasalamàna.

Zazakely iray mitàna sorabaventy nandritra ny diaben'ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tao Mexico City. Sary an'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alàlana.

Tsy antony iray hanaovana fankalazàna any rehetra any manerana izao tontolo izao ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy; fa any amin'ny toerana vitsivitsy ireo vehivavy no maneho ny alahelony, toy ny ataon-dry zareo ao Meksika, amin'ny fahasamihafàny rehetra, amin'ny hatsarany rehetra, amin'izay zavabitany rehetra, ary izay alahelo rehetra tsapan'izy ireo. “Tsy hisy intsony herisetra, tsy hisy intsony fitondra ratsy, tsy hisy intsony fanalàna baràka,” hoy ny hiran'izy ireo tamin'ny fiafaràn'ny tolakandro tao Zócalo,  ilay kianja lehibe ao afovoan'i Mexico City, raha ny baomba mandatsa-dranomaso kosa no nampiasaina hampitoniana ireo vahoaka. Kanefa, mbola lavitra an'ireo vehivavy ao Meksika ny ho tony; namoy betsaka loatra, nafoin-dry zareo koa ny tahotra.

Vehivavy mpanao hetsipanoherana arahan'ireo pôlisy maso nandritra ny diaben'ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tao Mexico City. Sary an'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alàlana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.